Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Galeda

Galeda

(Galèda) [Antontam-bato Vavolombelona].

Toerana nanaovan’i Jakoba sy Labana fifanekena, tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada, tany atsinanan’i Jordana. (Ge 31:43-48) Nantsoina hoe “Galeda” izy io taorian’ny nanaovana fifanekena teo, izany hoe tamin’ny 1761 T.K. tany ho any, fa nantsoina hoe “Gileada” kosa tatỳ aoriana. Mety ho avy amin’ny hoe Galeda ny hoe Gileada.

Nankatò an’Andriamanitra i Jakoba ka nandao an’i Padana-arama, ary tsy nanompo intsony an’i Labana dadatoany sady rafozany. (Ge 28:2) Tsy niteniteny i Jakoba fa lasa izy sy ny vady aman-janany, ary nentiny ny fananany rehetra. Niampita ny Reniranon’i Eofrata izy ireo, ka nihazo ny lalana nankany Kanana. Nenjehin’i Labana sy ny “rahalahiny” i Jakoba, telo andro taorian’izay. Nandeha lalana fito andro izy ireo vao nahatratra an’i Jakoba sy ireo niaraka taminy, teny amin’ny tendrombohitr’i Gileada, teo avaratry ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka.​—Ge 31:17-25.

Nifanazava tamim-pilaminana i Jakoba sy Labana, ary nanao fifanekena. Nanangana tsangambato i Jakoba, avy eo, ary nasainy nanao antontam-bato ny “rahalahiny.” Natao toy ny latabatra angamba ilay antontam-bato, ka teo no nihinanany ny sakafo ho marik’ilay fifanekena. Tian’i Labana ho ao amin’ny anaran’io toerana io ilay teny hoe antontam-bato, ka nantsoiny tamin’ny teny aramianina (syrianina) hoe “Jegara-sahadota” ilay toerana. Teny hebreo mitovy dika amin’io kosa no niantsoan’i Jakoba azy, ka nataony hoe “Galeda.” Hoy i Labana: “Ity antontam-bato [heb.: gal] ity no vavolombelona [heb.: ʽed] amiko sy aminao anio.” (Ge 31:44-48) Vavolombelona tamin’ny mpandalo rehetra ilay antontam-bato (sy ilay tsangambato). Antsoin’ny andininy faha-49 hoe “Ny Tilikambo Fiambenana [heb.: mitspah]” izy io, ary izy io no porofo fa nifanaiky tokoa i Jakoba sy Labana fa tsy hifanisy ratsy, ary samy hitandro ny fihavanana eo anivon’ny fianakaviany avy. (Ge 31:50-53) Nampiasaina ho vavolombelona toy izany koa ny vato, tatỳ aoriana.​—Js 4:4-7; 24:25-27.