Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Galilia

Galilia

(Galilìa) [Faritra [avy amin’ny fototeny midika hoe “manakodia”]], Galilianina (Galiliànina).

Faritra iray tany amin’ireo tendrombohitr’i Naftaly. Tany no nisy an’i Kedesy, tanàna fialokalofana. Izany no zavatra voalohany resahin’ny Baiboly momba an’i Galilia. (Js 20:7) Lasa anisan’i Galilia ny faritanin’i Zebolona tatỳ aoriana, fara fahatarany, tamin’ny andron’i Isaia. Maro be angamba ny tsy Israelita nonina tany, matoa izy io nantsoina hoe “Galilian’ireo hafa firenena.” (Is 9:1) Misy manam-pahaizana mihevitra fa mpanompo sampy no nonina tao amin’ireo tanàna 20 tany Galilia, izay nomen’i Solomona Mpanjaka an’i Hirama mpanjakan’i Tyro. (1Mp 9:10-13; jereo KABOLA No. 2.) Resin’i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria i Galilia tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely (taonjato faha-8 T.K.).​—2Mp 15:29.

Sisin-tany. (SARINTANY, Boky Faha-2, p. 738) Niovaova be foana ny sisin-tanin’i Galilia, nandritra ny taona maro. Nisy fotoana 100 km ny lavany ary 50 km ny sakany, ka tamin’izay izy io no lehibe indrindra, ary tafiditra tao anatiny ny faritanin’ny fokon’i Asera sy Isakara sy Naftaly, ary Zebolona fahiny. Tamin’i Jesosy Kristy teto an-tany anefa, rehefa i Heroda Antipasy (Lk 3:1) no nifehy an’ilay faritra, dia tokony ho 40 km monja ny refiny avy any atsinanana mankany andrefana, ary 60 km eo ho eo ny avy any avaratra mankany atsimo.

I Samaria no eo atsimony. Toy izao mantsy ny sisin-tany atsimon’i Galilia: Miainga eo am-pototry ny Tendrombohitra Karmela, dia manaraka ny Lemak’i Jezirela (Esdraelona) ka hatrany Skytopolisy (Beti-sana), ary mipaka any amin’ny Reniranon’i Jordana. Nilaza i Josèphe fa ny Reniranon’i Jordana sy ny Ranomasin’i Galilia ary ny Farihy Hola (efa ritra ankehitriny), no sisin-taniny atsinanana. Toa tsy voafaritra tsara anefa ny sisin-tany teny amin’ny toerana sasany. I Tyro no teo avaratr’i Galilia satria tonga hatrany ambanin’i Kedesy (Kedasa, Cydasa) fahiny ny faritanin’i Tyro. (Ny Adin’ny Jiosy, III, 35-40 [iii, 1]; II, 459 [xviii, 1]; IV, 104, 105 [ii, 3]) Eo andrefana no misy an’i Ptolemaisy (Ako) sy ny Tendrombohitra Karmela.

I Galilia, izay eo andrefan’ny Reniranon’i Jordana, no ilany avaratra tamin’ny faritanin’i Palestina, tamin’ny andron’ny Romanina. Nizara ho roa i Galilia: I Galilia Ambony sy Galilia Ambany. Ny sisin-tany nanasaraka azy roa ireo dia nanomboka tany Tiberiasy eo amin’ny morony andrefan’ny Ranomasin’i Galilia ka hatrany akaikin’i Ptolemaisy.​—Ny Adin’ny Jiosy, III, 35 (iii, 1).

Ny nampiavaka azy. Be mponina sy tena nanan-karena i Galilia tamin’ny taonjato voalohany, talohan’ny ady tamin’i Roma. Nandroso be ny fanaratoana teny amin’ny Ranomasin’i Galilia. Nanenona, nipai-bato, nanamboatra sambo, ary nanefy tanimanga koa ny olona tany. Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa nisy 204 ny tanàna sy tanàna kely tany Galilia, ary maherin’ny 15 000 ny mponina tany amin’ny tanàna kely indrindra. Raha marina izany fa tsy nanitatra izy, araka ny lazain’ny olona maro, dia telo tapitrisa teo ho eo ny mponin’i Galilia.​—Ny Fiainana, 235 (45); Ny Adin’ny Jiosy, III, 43 (iii, 2).

Be loharano tany Galilia ka nahavokatra be ny tany. Fambolena sy fiompiana àry no tena antom-piveloman’ny Galilianina. Mamboly varimbazaha, orza, aviavy, ampemby, aika (fanaovana loko manga), oliva, vary, fary, voasary, poara, paiso abrikô, ary legioma isan-karazany ny olona any ankehitriny. Be ala tany Galilia fahiny. Anisan’ny karazan-kazo mbola hita any ny aviavidia, kesika isan-karazany, laorie raozy, oaka, palmie, sedera, siprey, ary noaie (misy voany toy ny voanjo).

Ahitana toetrandro sy toetany samihafa any Galilia. Mangatsiatsiaka erỳ ny afovoan-tany, antonony ny eny amoron-tsiraka, ary mafana ny eny amin’ny Lohasahan’i Jordana. Eny akaikin’ny Ranomasin’i Galilia no iva indrindra any Galilia Ambany satria mahatratra 210 m ambanin’ny haabon’ny ranomasina, ary ny Tendrombohitra Tabara, izay mahatratra 562 m, no avo indrindra. (SARY, Boky 1, p. 334) Ny havoana sy ny tendrombohitra any Galilia Ambony kosa dia 460 m ka hatramin’ny 1208 m ny haavony.

Mponina. Samihafa be ny Jiosy tany Galilia sy ny tany Jodia. Nilaza ny mpitondra fivavahana jiosy fahiny, fa tena zava-dehibe tamin’ny Galilianina ny laza tsara, fa naleon’ny Jodianina kosa ny vola. Tsy mpanaraka fomban-drazana be toy ny Jodianina koa ny Galilianina. Niampanga azy ireo ho nanao tsinontsinona ny fomban-drazana mihitsy aza ny Talmoda. (Megillah 75a) Tsara homarihina fa tsy avy tany Galilia fa avy tany Jerosalema ireo Fariseo sy mpanora-dalàna nanameloka ny mpianatr’i Jesosy, noho izy ireo tsy nanaraka ny fombafomba fanasana tanana.​—Mr 7:1, 5.

Tany Jerosalema no nisy ny Fitsarana Avo Jiosy sy ny tempoly, ka azo antoka fa tany no tena nisy mpampiana-dalàna. Avy amin’izany àry ilay ohabolana jiosy hoe: “Mandehana any avaratra [any Galilia] raha te hanan-karena, fa any atsimo [any Jodia] kosa raha te ho hendry.” Tsy midika anefa izany hoe tena tsy mahay na inona na inona ny Galilianina. Nisy mpampiana-dalàna sy synagoga mantsy ireo tanàna sy tanàna kely nanerana an’i Galilia. Toerana fandrantoana fianarana ireny synagoga ireny, raha ny marina. (Lk 5:17) Nihevi-tena ho ambony kokoa anefa ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo tany Jerosalema, ka nanambany an’ireny Galilianina ireny ho tsy mahay Lalàna. Rehefa niaro an’i Jesosy Kristy, ohatra, i Nikodemosy, dia tezitra be ny Fariseo nilaza hoe: “Angaha koa ianao avy any Galilia? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilia.” (Jn 7:45-52) Tsy noraharahain’izy ireo àry ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia momba ny asa fitoriana hataon’ny Mesia.​—Is 9:1, 2; Mt 4:13-17.

Misy milaza fa avy tamin’ny firenen-kafa ilay fomba fiteny nampiavaka ny Galilianina sy nahafantarana azy ireo mora foana. (Mt 26:73) I Samaria rahateo koa moa teo anelanelan’i Galilia sy Jodia. Na ankehitriny aza, dia fahita any amin’ny faritra maro maneran-tany ny olona miavaka noho ny fomba fiteny any amin’ny faritra misy azy. Efa taonjato maro talohan’izay koa no tsy mitovy ny fomba fanononana teny teo amin’ireo fokon’ny Israely. Tsy nahay nanonona tsara ny hoe “Shiboleta”, ohatra, ny Efraimita, tamin’ny andron’i Jefta.​—Mpts 12:5, 6.

Fanompoan’i Jesosy tany Galilia. Tany Galilia no niseho ny ankamaroan’ny zava-nitranga niavaka teo amin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany. Voatonona nandritra ny fanompoany ireto tanàna tany Galilia ireto: Betsaida, Kana, Kapernaomy, Korazina, Naina, Nazareta, ary ny faritr’i Magadana. (Mt 11:20-23; 15:39; Lk 4:16; 7:11; Jn 2:11; jereo BETSAIDA.) Tany Nazareta no nandanian’i Jesosy ny androatokom-piainany teto an-tany. (Mt 2:21-23; Lk 2:51, 52) Tamin’ilay fampakaram-bady tao Kana izy no nanao fahagagana voalohany, rehefa nanova rano ho divay tena tsara. (Jn 2:1-11) Rehefa voasambotra i Jaona Mpanao Batisa, dia niala tany Jodia i Jesosy ka nankany Galilia ary nanomboka nitory hoe: “Mibebaha ianareo, fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Mt 4:12-17) Nampianatra tany amin’ireo synagoga izy rehefa nivezivezy tany. Nisy fotoana izy tonga tany Nazareta, tanàna nahabe azy, ary namaky ny Isaia toko faha-61 tamin’ny andro Sabata mba hilazana ny antony nanirahana azy. Faly be ireo tao amin’ilay synagoga tamin’ny voalohany, kanefa rehefa nampitahain’i Jesosy tamin’ireo Israelita tamin’ny andron’i Elia sy Elisa mpaminany izy ireo, dia tezitra be ka nitady hamono azy.​—Lk 4:14-30.

Nankany Kapernaomy, “tanàna any Galilia”, i Jesosy avy eo ary tany no nataony fodiana. Azo inoana fa tany akaikin’i Kapernaomy izy no niantso an’i Andrea, Petera, Jakoba, ary Jaona mba ho mpanarato olona. (Lk 4:31; Mt 4:13-22) Niaraka taminy ireo mpianatra efatra ireo, rehefa nanomboka nitory nanerana an’i Galilia izy. Nampianatra sy nanao fahagagana maro izy tany. Tamin’izay no nantsoiny mba hanara-dia azy i Matio, izay tao amin’ny birao famorian-ketra tao Kapernaomy. (Mt 4:23-25; 9:1-9) Tatỳ aoriana, dia teo amin’ny tendrombohitra iray tany akaikin’i Kapernaomy izy no nifidy ny apostoliny 12. Galilianina izy rehetra, afa-tsy i Jodasy Iskariota ihany angamba. Tany akaikin’i Kapernaomy koa i Jesosy no nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Lk 6:12-49; 7:1) Tanànan’i Galilia koa i Naina, ary tany izy no nanangana an’ilay zanaka lahitokan’ny mpitondratena iray. (Lk 7:11-17) Nitory nanerana an’i Galilia indray izy ka niverina tany Nazareta, saingy mbola tsy nihaino azy ihany ny olona tao. (Mt 13:54-58) Toa nitory farany nanerana an’i Galilia i Jesosy tamin’izy tany Kapernaomy, tamin’ny Paska taona 32 tany ho any. Tamin’izay izy no niresaka momba ny ‘fihinanana ny nofony sy fisotroana ny rany’, ka maro ny mpianatra tafintohina ary tsy nanara-dia an’ilay Zanak’Andriamanitra intsony.​—Jn 6:22-71.

Ny fanompoan’i Jesosy tany Galilia no tena resahin’ny Filazantsara telo voalohany. Misy àry milaza fa nataon’ilay Zanak’Andriamanitra an-tsirambina i Jodia. Tsy marina anefa izany. Tsara homarihina fa ny zavatra nataony tany Jerosalema no nahatonga an’ireo Galilianina handray tsara ny fitoriany. (Jn 4:45) Voaresaka betsaka anefa ny fitoriana nataony tany Galilia, satria angamba mora nandray ny fitoriany ny Galilianina fa tsy toa an’ireo Jodianina. Manamarina izany ny hoe Galilianina ireo mpianatra 120 voalohany nahazo ny fanahy masin’Andriamanitra. (As 1:15; 2:1-7) Ny Jodianina, fa tsy ny Galilianina, no tena mora voataonan’ireo mpitondra fivavahana jiosy. (Ampit. Lk 11:52; Jn 7:47-52; 12:42, 43.) Misy milaza fa Jodianina ny ankamaroan’ilay vahoaka niantsoantso ny hamonoana an’i Jesosy (Mt 27:20-23), fa Galilianina kosa angamba ny ankabeazan’ireo nidera azy ho mpanjaka talohan’izay. (Mt 21:6-11) Maro ny Galilianina sy ny olona tsy Jodianina nanatrika ny Paska, ka izany angamba no tsy nahasahian’ireo lohandohany tany Jerosalema hisambotra an’i Jesosy tamin’ny andro antoandro. Natahotra mantsy izy ireo “sao hisavorovoro ny vahoaka.”​—Mt 26:3-5.