Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Galilia, Ranomasin’i

Galilia, Ranomasin’i

Farihin-dranomamy any avaratr’i Palestina, ary antsoina koa hoe Ranomasin’i Kinereta (No 34:11), Farihin’i Genesareta (Lk 5:1), ary Ranomasin’i Tiberiasy (Jn 6:1). (Mety hidika koa hoe “farihy” ilay teny grika nadika hoe “ranomasina.”)​—SARINTANY, Boky Faha-2, p. 740; SARY, Boky 1, p. 336, sy Faha-2, p. 740.

Ny mombamomba ilay faritra. Anisan’ilay Lohasaha Mitsefaka any Jordana ny Ranomasin’i Galilia, 210 m eo ho eo ambanin’ny haabon’ny Ranomasina Mediterane. Tokony ho 48 m ny lalina indrindra amin’izy io. Tokotokony ho 21 km ny lavany avy any avaratra ka hatrany atsimo, ary 12 km eo ho eo ny sakany lehibe indrindra. Mangalahala ny ranon’ny Ranomasin’i Galilia, ary miloko maitso na manga izy io arakaraka ny vanin-taona. Mahatratra 14° C ny mari-pana amin’ny Febroary ary 30° C rehefa Aogositra. Ny Reniranon’i Jordana no tena mamatsy rano azy io.

Toy ny koveta be ny fanambanin’ny Ranomasin’i Galilia. Tokony ho 610 m ny haavon’ireo tendrombohitra vatosokay feno vatom-bolkano eo andafy atsinanany, ary mitsatoka be ny tehezan’izy ireo. Tsy dia mitsatoka kosa ny tehezan’ireo tendrombohitra eo amin’ny ilany andrefana. Voahodidina havoana sy tendrombohitra ny Ranomasin’i Galilia, afa-tsy eo amin’ny toerana roa misy lemaka: Eo avaratra, izay idiran’ny Reniranon’i Jordana mankao amin’ilay ranomasina, sy eo atsimoandrefana izay ivoahan’ny Reniranon’i Jordana avy ao indray. Bolongam-bato ngezabe no eny amin’ny faritra avaratra. Ahitana loharano mafana maromaro misy solifara eo amin’ny morony andrefana, eo atsimo kelin’i Tiberiasy. Efa ela izy ireny no nampiasaina tamin’ny fitsaboana. Mahatratra 58° C ny hafanan’ny iray amin’ireo loharano fito any.

Toetrandro. Mafana ny andro eny amin’ny manodidina ny Ranomasin’i Galilia, ka mety tsara amin’ny zavamaniry fahita any amin’ny tany mafana, toy ny lamoty (mokonazy no voany), palmie, ary aika (fanaovana loko manga). Ireto ny biby fahita eny amoron’ilay farihy: Sokatra, soka-drano, orana, parasim-pasika. Maro be koa ny vorona sy ny trondro. Hoy i H. Tristram mpandinika ny zavaboary, tamin’ny taonjato faha-19: “Tsy mampino ireo trondro manao andiany eny amin’ny Ranomasin’i Galilia. Tsy azon’ny olona sary an-tsaina mihitsy izany, raha mbola tsy nahita izany izy. Matetika no feno an’ilay andian-trondro ny antsasaka hektara na mahery aza. Milomano moramora mifanety kely izy ireny, ka ny vombony no mipoitra eny ambonin’ny rano. Raha tazanina lavitra ilay izy, dia toy ny hoe misy orana mipatrapatraka eny ambonin’ilay rano.”​—Fandinihana ny Zavaboary Resahin’ny Baiboly, 1889, p. 285.

Matetika no misy tafio-drivotra tampoka eny, toy ireo hitan’i Jesosy Kristy sy ny mpianany. (Mt 8:24; 14:24) Mafana kokoa noho ny eny amin’ireo lembalemba sy tendrombohitra manodidina mantsy ny Ranomasin’i Galilia satria iva toerana. Mivadika ho ratsy tampoka ny andro noho izany. Mifofofofo midina eo amin’ny Lohasahan’i Jordana ny rivo-mahery avy any avaratra, avy any amin’ny Tendrombohitra Hermona izay rakotra lanezy.

Be mponina teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia, tamin’ny taonjato voalohany. I Tiberiasy irery anefa sisa no tavela tamin’ireo tanàna sivy nolazain’i Josèphe fa teny amoron’io farihy io.

Fanompoan’i Jesosy teny amin’ny manodidina. Voaresaka matetika ny Ranomasin’i Galilia tamin’ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Imbetsaka ilay Zanak’Andriamanitra no niteny avy teny ambony sambokely, rehefa nitory tamin’ny vahoaka teo amin’ny toerana malalaka sy be vatokely teo amoron-drano. (Mr 3:9; 4:1; Lk 5:1-3) Nataony nahazo trondro be dia be, ohatra, ny mpianany, indray mandeha, rehefa nanao fahagagana izy, ary nantsoiny ho lasa “mpanarato olona” i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. (Mt 4:18-22; Lk 5:4-11) Maro ny fahagagana nataony teny akaikin’ny Ranomasin’i Galilia: Nanasitrana ny marary izy, namoaka demonia (Mr 3:7-12), nampitony tafio-drivotra sy ranomasina (Mr 4:35-41), nandeha teny ambony rano (Jn 6:16-21), nahavita nanome sakafo olona 5000 mahery sy 4000 mahery nefa tsy nisy afa-tsy mofo sy trondro vitsivitsy. (Mt 14:14-21; 15:29, 34-38) Rariny àry i Jesosy raha nanameloka an’i Korazina, Betsaida, Kapernaomy, tanàna telo teny amin’iny faritra iny. Tsy nanaiky ny fitoriany mantsy ny olona tany amin’ireo tanàna ireo, na dia nanatri-maso ny fahagagana maro nataony aza.​—Mt 11:20-24.

Rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia niseho tamin’ny mpianany vitsivitsy teo amin’ny Ranomasin’i Galilia ary nanao fahagagana ka nataony nahazo trondro maro be indray izy ireo. Avy eo, dia nantitranteriny fa tena zava-dehibe ny famahanana ny ondriny.​—Jn 21:1, 4-19.