Galima
(Galìma) [Antontany].
Tanàna niavian’i Palty. Nomen’i Saoly ho vadin’i Palty i Mikala zanany vavy, taorian’ny nandosiran’i Davida. (1Sa 25:44) Mety ho ity Galima ity ihany ilay nisy mponina niantsoantso mafy rehefa nanatona ny tafika asyrianina notarihin’i Sankeriba, taonjato maro tatỳ aoriana. (Is 10:24, 30) Misy manam-pahaizana milaza an’i Galima ho i Kirbet Kakol (Horvat Kaʽkol), tokotokony ho 4,5 km any avaratra avaratratsinanan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly.