Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Galio

Galio

(Galiô).

Governoram-paritr’i Akaia. Teo amin’ny toeram-pitsarany ny Jiosy no niampanga an’i Paoly ho nitarika ny olona hivavaka tamin’Andriamanitra tamin’ny fomba tsy araka ny lalàna. Tsy nety hitsara an’ilay raharaha anefa i Galio satria tsy nisy lalàna romanina voadika. Nokapohin’ny vahoaka àry i Sostena, mpitantana ny synagoga, fa tsy noraharahain’i Galio mihitsy izany.​—As 18:12-17.

Milaza ny mpahay tantara fa tany Cordoue, any Espaina, i Galio no teraka, tany am-piandohan’ny taonjato voalohany. Zanak’ilay mpikabary malaza nantsoina hoe Sénèque izy, ary zokin’i Sénèque filozofa. Lucius Annaeus Novatus no anaran’i Galio tamin’ny voalohany, fa nanangana azy ho zanaka ilay mpikabary malaza nantsoina hoe Lucius Junius Galio, ka naka ny anaran’io mpanangana azy io izy.

Nisy soratra hita tany Delphes, ka izy io no nahalalana hoe oviana i Galio no governoram-paritr’i Akaia. (As 18:12) Sombintsombin-tsoratra ilay izy ka nila natambatambatra. Nisy an’izao teny izao anefa tao: “[Lucius Ju]nius Galio, ... governoram-paritra.” Maro ny mpahay tantara milaza fa taratasy nosoratan’i Klaodio Kaisara Mpanjaka izy io, ka ilay isa 26 hita eo amin’izy io dia ilay fifidianana faha-26 nanamafisana ny naha mpanjaka an’i Klaodio. Toa tany amin’ny voalohandohan’ny taona 52 io taratasy io no nosoratana, satria misy soratra hafa milaza fa talohan’ny 1 Aogositra 52 ny fifidianana faha-27 nanamafisana ny naha mpanjaka an’i Klaodio. Misy soratra amin’ny fiteny karianina manamafy an’izany, ary toy izany koa ny soratra eo amin’ilay lakandrano Aqua Claudia any Roma. Samy milaza mantsy ireo soratra ireo fa tamin’ny taona faha-12 nananan’i Klaodio ny fahefan’ny solombavambahoaka, no natao ny fifidianana faha-26 sy 27 nanamafisana ny naha mpanjaka azy. Nanomboka tamin’ny 25 Janoary 52 ka hatramin’ny 24 Janoary 53 io taona faha-12 nananan’i Klaodio ny fahefan’ny solombavambahoaka io. Oviana àry i Galio no governoram-paritra tany Akaia? Toa nanomboka teo antenatenan’ny taona 51 izany ka hatrany antenatenan’ny taona 52, na dia misy aza manam-pahaizana milaza izany ho tamin’ny taona 52-53. Maharitra herintaona mantsy ny asan’ny governoram-paritra, ary manomboka eo antenatenan’ny taona.

Soratra ahitana ny anaran’i Galio (ΓΑΛΛΙΩΝ)