Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gata

Gata

(Gàta) [Famiazam-boaloboka].

Iray tamin’ireo tanànan’ny andriana mpiray dinan’ny Filistinina. (1Sa 6:17, 18) Tanàna nalaza tany atsinanan’ny Lemak’i Filistia izy io, tamin’ny Israelita sy ny Filistinina nifandimby nifehy an’ilay faritra. Avy ao Gata i Goliata sy ny miaramila mpiady goavam-be hafa. Ny Anakita no nonina tao, rehefa niampita an’i Jordana ny Israely ka niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Js 11:22; 1Sa 17:4; 2Sa 21:15-22; 1Ta 20:4-8) Nantsoina hoe Gatita ny mponina tao Gata.​—2Sa 15:18.

Tsy mbola azon’i Josoa ny faritra nonenan’ny Filistinina tamin’izy naka ny Tany Nampanantenaina, kanefa tsy maintsy ho resy ihany izy io tatỳ aoriana. Anisan’ny faritra nomena ny fokon’i Joda ilay nisy an’i Gata, rehefa nasain’i Jehovah nozaraina tamin’ireo foko ilay tany.​—Js 13:2, 3; 15:1, 5, 12.

Voaresaka kely ao amin’ireo tetirazana fa nisy fotoana nifandona tamin’ny mponin’i Gata ny Efraimita sy ny Benjamita.​—1Ta 7:20, 21; 8:13.

Azon’ny Filistinina ilay Vata misy ny fifanekena ka nentina tao Gata, tamin’ny andron’i Samoela. Nitondra loza ho an’ny mponina tao anefa izy io. (1Sa 5:8, 9) Resin’ny Israely ny Filistinina taoriana kelin’izay, ka “niverina tsikelikely tamin’ny Israely” ny tanàna sasany efa nalain’ny Filistinina taminy “hatrany Ekrona ka hatrany Gata.” (1Sa 7:14) Nenjehin’ny Israely hatrany Ekrona sy Gata ny Filistinina, rehefa novonoin’i Davida i Goliata, ilay Gatita goavam-be.​—1Sa 17:23, 48-53.

Tao Gata i Davida no nialokaloka rehefa voatery nandositra an’i Saoly. Natahotra anefa izy rehefa nilaza ireo mpanompon’i Akisy mpanjakan’i Gata hoe: “Tsy io ve ilay Davida mpanjakan’ity tany ity?” Nody adala àry izy mba ho afa-mandositra. (1Sa 21:10-15) Nanoratra salamo roa mampahatsiahy an’iny zavatra niainany tao Gata iny i Davida. (Sl 34:t.m.; 56:t.m.) Tsy irery intsony anefa izy rehefa niverina tany fanindroany, fa niaraka tamin’ny miaramila 600 sy ny fianakavian’ireo. Niady tamin’i Saoly i Akisy tamin’izay. Tiany hanohana azy àry i Davida, ka navelany honina tao amin’ny tanànan’i Ziklaga izy sy ny olony. Tsy nankany Hebrona i Davida raha tsy maty i Saoly, herintaona sy efa-bolana taorian’izay. (1Sa 27:2–28:2; 29:1-11; 2Sa 1:1; 2:1-3) Nilaza izy tao amin’ilay hira fisaonana an’i Saoly sy Jonatana, fa hifaly sy hiravoravo ny tanànan’i Gata sy Askelona tany Filistia rehefa handre fa maty i Saoly.​—2Sa 1:20.

Lasan’ny Israelita i Gata sy ny tanàna niankina taminy, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. (1Ta 18:1) Niandany tamin’i Davida ny Gatita sasany, ka nisy 600 ireo Gatita niaraka taminy rehefa nandositra an’i Absaloma izy. (2Sa 15:18) Mbola nantsoina hoe mpanjakan’i Gata anefa i Akisy, tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. (1Mp 2:39-41) Azo inoana fa tsy mpanjaka nahaleo tena i Akisy, fa andriana teo ambany fahefan’i Solomona. (Jereo ANDRIANA MPIRAY DINA.) Naorin’i Rehoboama mpandimby an’i Solomona indray i Gata ary nohamafisiny.​—2Ta 11:5-8.

Resin’i Hazaela mpanjakan’i Syria i Gata, taoriana kelin’ny taona faha-23 (876 T.K.) nanjakan’i Joasy mpanjakan’ny Joda. (2Mp 12:6, 17) Lasan’ny Filistinina indray anefa izy io tatỳ aoriana, matoa nobaboin’i Ozia rehefa niady tamin’izy ireo izy. (2Ta 26:3, 6) Nilaza i Amosa sy Mika mpaminany fa tsy an’ny Israelita intsony i Gata tamin’ny androny. (Am 6:2; Mi 1:10) Nirehareha ho naharesy an’i Gata i Sargona mpanjakan’i Asyria, taoriana kelin’ny 740 T.K. Tsy miresaka momba an’i Gata intsony ny tantara taorian’izay. Tsy voatonona miaraka amin’ny tanàna filistinina hafa intsony koa izy io ao amin’ny Baiboly.​—Ze 2:4; Je 25:17, 20; Za 9:5, 6.

Tsy fantatra marina hoe taiza no nisy an’i Gata. Maromaro ny toerana nolazaina fa nisy azy. Tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny tantara momba an’io tanàna io anefa, ny zavatra hitan’ny mpikaroka tany amin’ny ankamaroan’ireny toerana ireny. Misy manam-pahaizana milaza fa i Tell es-Safi (Tel Zafit), 18,5 km atsinanana atsimoatsinanan’i Asdoda no Gata. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Yohanan Aharoni: “Mety ho marina ihany angamba ilay ... hoe i Tell es-Safi no Gata, satria tsy misy havoana mitovy aminy intsony any amin’ilay faritra atsimo kokoa. Toerana midadasika sy miavaka izy io, ary nisy tanàna hafa niara-naorina taminy terỳ ambany izay nahitana zavatra maro be nataon’ny Filistinina tamin’ny tanimanga. Mifanaraka tsara amin’ilay fitantarana momba ny nandresen’i Davida an’i Goliata Gatita izy io, satria eo amin’ny fihaonan’ny Lohasaha Falehan-driaka es-Sant (Lohasahan’i Elaha) sy Sefela any andrefana. Tany atsinanana kokoa, teo anelanelan’i Soko sy Azeka, izy ireo no nifanandrina (1Sa 17:1), ary avy eo nenjehin’ny Israelita ny Filistinina ‘hatrany Gata ... sy ny vavahadin’i Ekrona, ka niampatrampatra teny an-dalana ireo Filistinina naratra, nanomboka teo Saraima ka hatrany Gata sy Ekrona’ (and. 52).”​—Ilay Tany Resahin’ny Baiboly, nadika sy nataon’i A. Rainey, 1979, p. 271.