Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gata-hefera

Gata-hefera

(Gàta-hefèra) [Famiazam-boalobok’i Hefera (Mandavaka)].

Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Zebolona. (Js 19:10, 13) Io no tanàna niavian’i Jona mpaminany. (2Mp 14:25) Maro no mihevitra azy io ho i Kirbet ez-Zorraʽ (Tel Gata Hefera), toerana voalazan’ny lovantsofina fa misy ny fasan’i Jona, tokotokony ho 4 km any avaratra avaratratsinanan’i Nazareta, ary eo andrefana kelin’i Meshhed (Mash-had). Nisy mponina foana tao, tamin’ireo fe-potoana roa resahin’ireo andinin-teny etsy aloha ireo, ary mifanaraka amin’izany ny voka-pikarohana natao tao Kirbet ez-Zorraʽ.