Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gata-rimona

Gata-rimona

(Gàta-rimôna) [Famiazam-boaloboka eo Akaikin’ny Hazo Ampongabendanitra].

1. Tanànan’i Dana (Js 19:40, 41, 45) nomena ny Levita Kehatita. (Js 21:20, 23, 24) Toa tanànan’i Efraima i Gata-rimona, araka ny 1 Tantara 6:66-70. Lazain’ny manam-pahaizana momba ny teny hebreo anefa fa nisy fehezanteny latsaka tsy nahy tao, noho ny fahadisoan’ny mpanao dika soratra, ary manamarina izany ny Josoa 21:23, 24, izay andininy mifanitsy amin’izy io. Ny soso-kevitr’izy ireo àry dia hoe tokony hampiana an’izao teny (mifanitsy amin’ny Js 21:23) izao eo alohan’ny 1 Tantara 6:69: “Ny azony avy tamin’ny fokon’i Dana dia i Elteke sy ny kijanany, Gibetona sy ny kijanany ...” Mety ho izany no teo tany am-boalohany, nefa koa mety ho tanànan’i Dana tafiditra tao amin’ny faritanin’i Efraima i Gata-rimona.

Maro no mihevitra an’i Gata-rimona ho i Tell Jerisheh (Tel Gerisa), tokotokony ho 8 km any avaratratsinanan’i Tel Aviv-Yafo.

2. Tanànan’i Manase nomena ny Levita Kehatita. (Js 21:20, 25) Maro ny manam-pahaizana milaza fa Bileama fa tsy Gata-rimona no tao amin’ny Josoa 21:25 tany am-boalohany satria “Bileama” no ao amin’ny 1 Tantara 6:70, izay andininy mifanitsy amin’io.​—Jereo IBLEAMA.