Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gatita

Gatita

(Gatìta) [An’i Gata].

Niantsoana matetika an’ireo teratany na mponina tao Gata, tanànan’ny Filistinina. Gatita i Goliata goavam-be. (2Sa 21:19; 1Ta 20:5) Nisy Gatita tsy nety nandao an’i Davida tamin’izy nandositra an’i Absaloma mpikomy. Anisan’ireny i Itahy, ilay “hafa firenena” izay “voatery niala” tany amin’ny taniny.​—2Sa 15:13, 18-22; 18:2; jereo GATA; ITAHY No. 1.

Nantsoina hoe “Gatita” koa anefa i Obeda-edoma, ary nisy fotoana napetraka tao an-tranony ny Vata misy ny fifanekena. (2Sa 6:10, 11; 1Ta 13:13) Misy manam-pahaizana mihevitra fa avy any Gata any Filistia izy. Azo inoana kokoa anefa hoe Levita izy, ary mety ho nantsoina hoe Gatita satria avy any Gata-rimona, izay tanànan’ny Levita.​—Js 21:20, 23, 24; jereo OBEDA-EDOMA No. 1.