Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gaza

Gaza

(Gàza).

1. Tanàna fahiny teo amin’ny sisin-tanin’i Kanana. (Ge 10:19) In-20 eo ho eo ny Baiboly no miresaka azy io. Miresaka an’io tanàna io koa ireo soratra ejipsianina taloha toy ny an’i Ramsès II sy Thoutmosis III ary Séti I. Toa i Gaza no tanàna atsimoandrefana indrindra nomena ny fokon’i Joda. (Js 15:20, 47; Mpts 6:3, 4) Nantsoina hoe Gazita ny mponina tao.​—Mpts 16:2.

Misy mihevitra fa i Tell el-ʽAjol (Tel Bet ʽEglayim) no Gaza, nefa tsy manamarina izany ny fikarohana ny any ambanin’ny tany natao tao. Ilay tanàna maoderina atao hoe Gaza (Gazzeh; ʽAzza), 80 km eo ho eo andrefana atsimoandrefan’i Jerosalema kosa no eken’ny ankamaroan’ny olona fa Gaza fahiny. Azon-drano tsara ilay faritra, na dia misy dongom-pasika 5 km eo ho eo aza manasaraka azy amin’ny Ranomasina Mediterane. Mampahalaza an’ilay faritra ireo sahan’oliva, ny hazo fihinam-boa, ny aviavidia, ny voaloboka, ary ny voamadinika. Azo inoana fa nampanan-karena an’ilay tanàna ny fambolena sy fiompiana. Noho izy io teo amin’ny lalana mampifandray an’i Ejipta sy Palestina anefa no tena nampahalaza azy. Toy ny “vavahady” fidiran’ireo olona niara-nanao dia lavitra sy ireo miaramila nivezivezy izy io.

Nobodoin’ny Filistinina. Nalain’ny Kaftorima taranak’i Hama (Ge 10:6, 13, 14) ny tanin’ny “Avita izay nonina an-tanàna kely hatrany Gaza”, taloha kelin’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta tamin’ny 1513 T.K. (De 2:23) Efa lasan’ny Filistinina i Gaza ary nisy Anakita nonina tao, rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. Toa tsy azon’ny Israely ilay tanàna, na dia tonga hatrany aza ny fanafihany tamin’ny andron’i Josoa. Mbola tanànan’ny Filistinina ihany izy io, ary mbola nisy Anakita tao. (Js 10:41; 11:22; 13:2, 3) Nomena ny fokon’i Joda i Gaza, izay resin’izy ireo tatỳ aoriana. Vetivety ihany anefa izy io no nofehezin’izy ireo. (Js 15:20, 47; Mpts 1:18) Tanàna voaro mafin’ny Filistinina indray i Gaza tamin’ny andron’i Samsona. Nisy ‘trano’ fivavahana tamin’i Dagona tao, ary antonona olona 3000 na mihoatra ny tampon’ilay trano.

Tao Gaza i Samsona indray mandeha. “Nifoha izy nony misasakalina, ka noraisiny ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny andry roa, dia nongotany niaraka tamin’ilay bara hidiny ka nataony teny an-tsorony, ary nentiny niakatra ho any an-tampon’ilay tendrombohitra tandrifin’i Hebrona.” (Mpts 16:1-3) Tokony ho 60 km avy teo Gaza i Hebrona. Tsy fantatra kosa hoe iza ilay tendrombohitra tandrifin’i Hebrona. Tsy maintsy ho nahazo hery mahagaga avy tamin’ny fanahin’i Jehovah anefa i Samsona, matoa nahavita nitondra vavahady sy andry hatreny an-tampon’ilay tendrombohitra.

Narodan’i Samsona ilay trano fivavahana tamin’i Dagona tatỳ aoriana, ka maty tao izy sy ny Filistinina nivory tao.​—Mpts 16:21-30.

Toa mbola an’ny Filistinina ihany i Gaza tamin’ny andron’ny Mpitsara (1Sa 6:17) sy ireo mpanjakan’ny Israely. Tonga hatrany Gaza tany atsimoandrefana ny faritra nofehezin’i Solomona Mpanjaka, nefa azo inoana fa mbola nisy Filistinina ihany tao.​—1Mp 4:21, 24.

Nofehezin’ny Asyrianina sy ny Babylonianina. Nilaza tamin’ny alalan’i Amosa mpaminany i Jehovah tamin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy T.K., fa handefasany “afo” ny mandan’i Gaza. Nataon’i Gaza sesitany mantsy ireo babo azony mba hatolony eo an-tanan’ny Edomita. (Am 1:6, 7) Tsy voalaza eo hoe ny Hebreo no ‘nataony sesitany.’ Azo inoana anefa fa ireo nobaboin’ny Filistinina tamin’izy nanafika an’i Joda izy ireny.​—Ampit. 2Ta 21:16, 17; Jl 3:4-6.

Toy ny nandefasana “afo” tokoa i Gaza tsy ela taorian’izay, teo antenatenan’ny taonjato fahavalo T.K. Resahin’ny tantara asyrianina mantsy fa resin’i Tiglato-pilesera III i Gaza, saingy nandositra nankany Ejipta i Hanunu mpanjakany. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 283) Toa tsy ela anefa dia afaka niverina tany Gaza i Hanunu, matoa nilaza i Sargona II fa resiny izy sy ny tafika ejipsianina niray dina taminy izay notarihin’i Sibʼe. Nilaza koa i Sargona II fa izy mihitsy, hono, no nisambotra an’i Hanunu sy nanisy gadra ny tongony ary nitondra azy ho babo.​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 285.

Toa saika nanohana an’i Asyria foana i Gaza nanomboka hatreo. Mety ho efa nanomboka nikomy tamin’i Asyria àry i Hezekia Mpanjaka, tamin’izy namely ny Filistinina hatrany Gaza. (2Mp 18:1, 7, 8) Nanafika an’i Joda i Sankeriba Mpanjaka taorian’izay. Nitantara izy hoe naharesy tanàna jodianina maromaro, izay nomeny an’i Mitinti mpanjakan’i Asdoda sy Padi mpanjakan’i Ekrona (izay gadra tany Jerosalema) ary Sillibel mpanjakan’i Gaza.​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 287, 288.

Notafihin’ny tafika ejipsianina i Gaza tamin’ny andron’i Jeremia. (Je 47:1) Efa nilaza anefa i Jehovah talohan’izay fa hisy loza avy any avaratra hamely ny Filistinina. Hoy izy: “Ho sola i Gaza.” (Je 47:2-5; jereo koa Je 25:17, 20.) Azo inoana fa ny tafika babylonianina ilay ‘rano avy any avaratra’ resahin’ny Jeremia 47:2, rehefa jerena ny Jeremia 1:14 sy 46:20. Lasa nofehezin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona tokoa ilay faritra (2Mp 24:1, 7), ary resahin’ny soratra babylonianina ny mpanjakan’i Gaza. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 308) Toa nilazana ny fotoana niresahan’i Jehovah tamin’i Jeremia momba an’ireo Filistinina fotsiny àry ilay hoe “talohan’ny nanafihan’i Farao an’i Gaza.” (Je 47:1) Tsy voatery misy ifandraisany amin’ilay didim-pitsarana “avy any avaratra” resahin’ny andininy manaraka izy io.

Noravana. Nasain’i Jehovah nanambara i Zefania, mpaminany niara-belona tamin’i Jeremia, fa “ho lasa tanàna aolo i Gaza.” (Ze 2:4) Niresaka momba ny loza ho avy koa ny faminanian’i Zakaria, izay nosoratana taorian’ny nandravana an’i Babylona. Hoy izy: “Hanaintaina mafy i Gaza.” (Za 9:5) Izany tokoa no nitranga, rehefa jerena ny tantara. Resin’i Aleksandra Lehibe i Gaza tamin’ny faramparan’ny taonjato fahefatra T.K., rehefa avy nataony fahirano dimy volana (roa volana, araka ny Rakitry ny Ela Jiosy, XI, 325 [viii, 4]). Novonoiny ny ankamaroan’ny mponina tao, ary namidiny ho andevo ny sisa. Noravan’ilay Jiosy atao hoe Aleksandra Janay ilay tanàna, 200 taona mahery tatỳ aoriana, rehefa avy nataony fahirano herintaona.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 364 (xiii, 3).

Marina fa nandidy ny hanorenana indray an’i Gaza i Gabinius, governora romanina tany Syria, kanefa nasainy natao teo amin’ny toeran-kafa izany. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIV, 87, 88 [v, 3]) Misy manam-pahaizana mihevitra fa ilay tanànan’i Gaza fahiny efa aolo, no tiana holazaina amin’ilay teny grika hoe eremôs ([toerana] aolo) ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:26 (ny Kat., ohatra, manao hoe “izay tanàna foana”). Ny hafa kosa milaza fa ny lalana mankany amin’ilay tanàna no dikan’ny hoe eremôs, ka manao hoe “lalana any an-tany efitra izany.”​—TV; ampit. DIEM.

2. Tanàna iray sy ny tanàna niankina taminy tao amin’ny faritanin’i Efraima. (1Ta 7:28) Tsy fantatra marina hoe taiza no nisy azy io. Tany akaikin’i Ay fahiny angamba i Gaza, na mety ho izy io mihitsy no Ay. Misy Baiboly mandika azy io hoe “Haià” (DIEM), araka ny hita ao amin’ny sora-tanana hebreo maro. Mampiasa ny teny hoe “Gaza” koa anefa ny sora-tanana hebreo hafa sy ny Targoma.