Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gazela

Gazela

[Heb.: tsevi; tseviyah (gazelavavy); tsavaʼ; tsevaʼah (gazelavavy); gr.: dôrkas].

Karazana antilopa kely mailamailaka sy mahafatifaty. Azo inoana fa fantatry ny Hebreo fahiny tsara ny Gazella dorcas izay fahita tany Arabia, Ejipta, Palestina, ary Syria. Tokotokony ho 1 m ny halavany, ary 60 sm eo ho eo ny haavony hatreo amin’ny hatony. Miendrika harpa sy mivohibohitra ny tandroky ny lahy sy ny vavy, ary mety hirefy hatramin’ny 30 sm. Mivolontsôkôlà tanora manopy mavo ny gazela, misy faritra matroka sy mazava ny endriny, ary fotsy ny kibony sy ny tapany ambany. Fohy sy malama ny volony. Nety ho fantatry ny Israelita koa ny Gazella arabica izay gazela lehibe kokoa mivolontsôkôlà, saingy matroka kokoa.​—SARY, Boky Faha-2, p. 955.

Anisan’ny biby mampinono haingam-pandeha indrindra ny gazela, ary miresaka an-kolaka momba izany ny Baiboly. (To 2:17; 8:14) Haingam-pandeha toy ny gazela i Asahela rahalahin’i Joaba sy ny Gadita sasany. (2Sa 2:18; 1Ta 12:8) Rehefa rava i Babylona, dia handositra toy ny gazela any amin’ny taniny avy ny hafa firenena nanohana azy sy nisolelaka taminy. (Is 13:14) Hoatran’io biby io koa izay manao zavatra haingana mba tsy ho voafandrika.​—Oh 6:5.

Matetika no atao ohatra ny gazela ao amin’ny Tononkiran’i Solomona (2:9; 4:5; 7:3), angamba noho izy tsara bika sy mahafatifaty. Nampianiana an’ireo zanakavavin’i Jerosalema tamin’ny gazela koa, izany hoe tamin’izay rehetra tsara tarehy sy mahafatifaty, ilay Solemita.​—To 2:7; 3:5.

Azo nohanina ny gazela, araka ny Lalàn’i Mosesy. (De 12:15, 22; 14:4, 5; 15:22) Anisan’ny hanim-py naroso isan’andro teo amin’ny latabatr’i Solomona ny henany.​—1Mp 4:22, 23.