Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gazera

Gazera

(Gazèra) [Sombiny; Ampahany].

Tanànan’ny mpanjaka, teo amin’ny lemaka amoron-tsirak’i Palestina. Voaresaka voalohany izy io rehefa tsy vitan’ny mpanjakan’i Gazera ny namonjy an’i Lakisy teo an-tanan’ny Israelita notarihin’i Josoa. (Js 10:33; 12:7, 8, 12) Teo amin’ny sisin-tanin’ny Efraimita no nisy an’i Gazera (Js 16:3; 1Ta 7:28), nefa tsy noroahin’izy ireo tanteraka ny Kananita nonina tao. (Js 16:10; Mpts 1:29) Nomena ny Kehatita i Gazera, ary lasa tanànan’ny Levita.​—Js 21:20, 21; 1Ta 6:66, 67.

An’ny Filistinina io tanàna io tamin’i Davida namely ny Filistinina “hatrany Geba ka hatrany Gazera.” (2Sa 5:25; 1Ta 14:16) Nahavita zavatra niavaka i Sibekay Hosatita, rehefa resy tao Gazera ny Filistinina. Novonoiny mantsy i Sipay taranaky ny Refaima. (1Ta 20:4) Tatỳ aoriana, dia nanafika an’i Gazera i Faraon’i Ejipta, noho ny antony tsy fantatra. Nodorany ilay tanàna ary novonoiny ny Kananita nonina tao, ka nomeny an-janany vavy vadin’i Solomona ilay tanàna ho haren-jazavavy. Naorin’i Solomona indray i Gazera, ary azo inoana fa nohamafisiny.​—1Mp 9:15-17.

Maro ny asa soratra tsy ara-pivavahana miresaka an’i Gazera. Anisan’izany ny rindrin’ny tempoly ao Karnak: Tantarain’i Thoutmosis III eo ny nahazoany an’i Gazera. Ireo Takelaka Hita tao Amarna koa manonona azy io intsivy fara fahakeliny. Miresaka azy io koa ny tsangambato nataon’i Farao Merneptah: Nirehareha erỳ izy hoe ‘azony i Gazera.’

Milaza ny manam-pahaizana fa i Gazera fahiny ihany no i Tell Jezer (Abu Shusheh; Tel Gezer) ankehitriny, eo antenatenan’ny lalana mampitohy an’i Jerosalema sy Tel Aviv-Yafo (Jopa), izany hoe eo akaikin’ny lalambe hafa izay mampitohy an’i Ejipta sy Mezopotamia (efa an’arivony taona io lalambe io no nivezivezen’ny entam-barotra sy ny miaramila). Avo toerana i Tell Jezer, eo amin’ny tandavan-kavoanan’i Sefela, ka nahafahana nahita tsara an’izay nitranga teo amin’ireo lalana roa ireo.

Lasa anisan’ny toerana nanaovana fikarohana be indrindra tany Palestina io dongon-tany io rehefa nangady teo ny mpikaroka, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Anisan’ny zavatra hita teo ny “vavahadin’i Solomona sy ny manda fiarovana mafy”, izay niorina teo ambonin’ny sisan-javatra tsy rava (voalaza fa sisan’ilay tanànan’i Gazera nodoran’i Farao). Nitovy tamin’izay hita tany Hazora sy Megido ny firafitr’ilay vavahady sy ilay manda. Toa planina iray ihany àry no nampiasaina tany Gazera sy Hazora ary Megido. Nahita zavatra maro vita tamin’ny tanimanga nampiasain’ny Filistinina ny mpikaroka, rehefa nihady lalina kokoa. Ny zavatra malaza indrindra hita tao Tell Jezer angamba anefa dia ilay takelaka antsoina hoe “kalandrien’i” Gazera. Toa devoara nataon’ny ankizilahy mbola mpianatra no nisoratra teo. Tena nilain’ny mpikaroka ankehitriny izy io satria nahalalan’izy ireo ny fotoam-pambolena fahiny tany Israely, ary nahafantarany ny soratra sy ny fiteny hebreo tamin’ny andron’i Solomona.