Geba
(Gèba) [Havoana].
Tanànan’i Benjamina nomena ny Kehatita, ary anisan’ireo tanàna 13 nomena ny mpisorona. (Js 18:21, 24; 21:17, 19; 1Ta 6:54, 60) Toa tany akaikin’ny sisin-tany avaratra tao amin’ny fanjakan’ny Joda no nisy an’i Geba, matoa nisy ilay fitenenana hoe “hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba.” (2Mp 23:8) Maro no milaza an’i Geba ho ny tanàna kelin’i Jabaʽ efa ho 9 km any avaratra avaratratsinanan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tao Jerosalema. Misy lohasaha latsaka an-deboka be eo anelanelan’i Geba sy ilay toerana voalaza fa nisy an’i Mikmasy fahiny. Ahitana havoana roa koa eo amin’io lohasaha io, ka be vato sy mideza ny tehezan’izy ireo. Ireo angamba no Bozeza sy Sene izay “harambato miendrika nify”, ka ny iray “tandrifin’i Mikmasy” fa ny iray kosa “tandrifin’i Geba.”—1Sa 14:4, 5.
Anisan’ny tanàna voaresaka i Geba tamin’i Saoly Mpanjaka niady tamin’ny Filistinina. Azo inoana fa i Saoly no naniraka an’i Jonatana zanany hamely “ny toby miaramilan’ny” Filistinina tao Geba. (1Sa 13:3, 4) Namaly faty ny Filistinina, ka nanangona tafika lehibe sy mahery tao Mikmasy. Israelita maro àry no natahotra ka niafina, na nandositra niampita an’i Jordana mihitsy aza. (1Sa 13:5-7) Niala tao Geba i Jonatana taorian’izay ary nankany amin’ny toby mpitilin’ny Filistinina, izay teo amin’ny sisin’ny ‘hadilanana tao Mikmasy.’ Nandady niakatra an’ilay tehezan-kavoana mideza izy mba hankeo amin’ilay toby, ary niaraka taminy koa ny mpitondra fiadiany. Nahafaty Filistinina 20 teo ho eo izy ireo tamin’izay.—1Sa 14:6-14; ampit. 1Sa 13:16, 23.
Taona maro tatỳ aoriana, dia nohamafisin’i Asa ny tanànan’i Geba ka ny vato sy ny hazo nanorenana an’i Rama no nampiasainy. (1Mp 15:22; 2Ta 16:6) Milaza ny Baiboly fa natao sesitany tany Manahata ny olona sasany tao Geba, saingy tsy voalaza hoe oviana. (1Ta 8:6) Azo inoana fa nandalo tao Geba ny tafika asyrianina notarihin’i Sankeriba tamin’izy ireo ho any Jerosalema. (Is 10:24, 28-32) Anisan’ireo Jiosy nody avy tany an-tsesitany tany Babylona ireo ‘avy any Geba’, ary nonenana indray ilay tanàna taorian’izay. (Ezr 2:1, 26; Ne 7:6, 30; 11:31; 12:29) Naminany i Zakaria fa ho lasa iva toa an’i Araba ilay tany be havoana sy tendrombohitra teo anelanelan’i Geba sy Rimona. Ny fifaliana tamin’ny fanorenana indray an’i Jerosalema no tiany holazaina.—Za 14:10; jereo GIBEA No. 3.