Gedalia
(Gedalìa) [Lehibe i Jehovah].
1. Levita mpihira voafidy tamin’ny antsapaka ho lehiben’ny antoko-mpanompo faharoa tamin’ny antoko 24 nisy mpihira 12 avy, tamin’ny andron’i Davida.—1Ta 25:3, 9, 31.
2. Raiben’i Zefania mpaminany, ary mety ho taranak’i Hezekia Mpanjaka.—Ze 1:1.
3. Zanakalahin’i Pasora, ary anisan’ny andrianan’i Jerosalema niteny tamin’i Zedekia Mpanjaka hoe tokony hovonoina i Jeremia, satria nampiraviravy tanana ny lehilahy mpiady sy ny vahoaka, hono. Nomen’ilay mpanjaka alalana hanao izany ireo andriana, ka nalefany tao amin’ny lavaka fanangonan-drano i Jeremia.—Je 38:1-6.
4. “Zanak’i Ahikama, zanak’i Safana.” Notendren’i Nebokadnezara Mpanjaka ho governoran’ireo Jiosy navela tany Joda i Gedalia, rehefa rava i Jerosalema (607 T.K.). Nonina tao Mizpa izy ka nankany koa i Jeremia mpaminany. Tonga tao ny lehiben’ny tafika jodianina sy ny miaramilany tsy voasambotry ny fahavalo, raha vao nandre fa voatendry i Gedalia. Nanome toky azy ireo izy fa hahita soa izy ireo raha manaiky ho mpanompon’ny mpanjakan’i Babylona, ka nampirisihiny izy ireo hanangona divay sy menaka ary voankazo masaka fahavaratra. Tonga tsikelikely tany aminy koa ny Jiosy niparitaka tany Moaba, Amona, Edoma, ary tany an-toeran-kafa.
Tsy nahafaly an’i Balisa mpanjakan’i Amona anefa izany. Nitaona an’i Ismaela àry izy mba hiray tetika aminy hamono an’i Gedalia Governora. Ren’i Johanana sy ny lehiben’ny tafika ilay tetika, ka nampitandrina an’i Gedalia izy ireo. Tsy nino azy ireo anefa izy. Niresaka mitokana taminy mihitsy i Johanana, ary nanolo-tena hamono an’i Ismaela. Tsy 2Mp 25:22-25; Je 39:14; 40:5–41:3.
nihaino azy anefa i Gedalia, satria nihevitra fa lainga izay nolazaina momba an’i Ismaela. Tsy mailo àry izy ka niara-nisakafo tamin’i Ismaela sy ny lehilahy folo, rehefa tonga tao Mizpa izy ireo. Nitsangana anefa ry Ismaela ka namono azy. Novonoin’ireo koa ny Jiosy sy ny Kaldeanina rehetra niaraka taminy.—5. Anisan’ny mpisorona nanambady vehivavy hafa firenena ka nampanantena ny handroaka azy, tamin’ny andron’i Ezra.—Ezr 10:18, 19.