Gederota
(Gederòta) [Vala Vato].
Tanàna tany Sefela nomena ny fokon’i Joda (Js 15:20, 33, 41), ary anisan’ny toerana nalain’ny Filistinina tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka (761-746 T.K.). (2Ta 28:18, 19) Misy mpahay jeografia mihevitra an’i Gederota ho i Qatra, tanàna kely efa lao eo ambonin’ny dongona iray any Gedera ankehitriny, tokotokony ho 13 km any atsinanana avaratratsinanan’i Asdoda. Misy milaza anefa hoe andrefana loatra izany ka tsy anisan’i Sefela.