Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gederotaima

Gederotaima

(Gederotàima).

Anarana midika hoe “Vala Vato Roa.” Anisan’ny tanànan’i Joda tany Sefela izy io, saingy tsy fantatra ny toerana nisy azy. (Js 15:20, 33, 36) Tsy Gederotaima no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo fa hoe “sy ireo valan’ondriny”, izany hoe ‘valan’ondrin’ilay’ toerana voatonona eo alohany, dia i Gadera. Raha izany no izy, dia tsy 15 ny tanàna ao amin’ilay lisitra fa 14 araka ny voalaza. (Js 15:33-36) Tsy mahazatra anefa ny mahita fitenenana toy izany ao anaty lisitra, ka misy mihevitra fa tokony hoe “Gadera na Gederotaima” no tokony hovakina eo fa tsy hoe “Gadera ary Gederotaima.”