Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gedora

Gedora

(Gedòra) [Tamboho Vato].

1. Zanakalahin’i Jeiela avy any Gibeona. Avy amin’ny fokon’i Benjamina i Gedora, ary rahalahin’ny dadaben’i Saoly Mpanjaka.​—1Ta 8:29-31; 9:35-39.

2. Zanakalahin’i Penoela avy amin’ny fokon’i Joda. Mety ho anaran-tanàna koa ny hoe Gedora.​—1Ta 4:4.

3. Zanakalahin’i Jareda avy amin’ny fokon’i Joda koa.​—1Ta 4:18.

4. Tanàna tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. (Js 15:48, 58) Maro no mihevitra azy io ho i Kirbet Jedora, 12 km eo ho eo any avaratr’i Hebrona. Mety ho io Gedora io no resahin’ny 1 Tantara 4:18. Miresaka momba an’i Soko sy Zanoa koa io andininy io, ary samy anaran-tanàna ireo any amin’ny andininy hafa. Misy àry mihevitra fa tanàna koa i Gedora, ary anisan’ireo naorin’i Jareda. Mety ho izany no dikan’ilay hoe “rain’i” Gedora i Jareda, raha izany no izy.

5. Tanàna voalaza fa nankanesan’ny zanakalahin’i Simeona. (1Ta 4:24, 39) “Gerara” kosa no hita ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.​—Jereo GERARA.

6. Toerana iray tao amin’ny faritanin’i Benjamina. (1Ta 12:1, 2, 7) Misy milaza fa any Kirbet el-Godeira, 16 km eo ho eo, any avaratrandrefan’i Jerosalema, izy io.