Gehazy
(Gehàzy).
Mpanompon’i Elisa mpaminany.
Rehefa nanontany i Elisa hoe inona no azo atao ho an’ilay vehivavy nampiantrano azy tany Sonema, dia i Gehazy no nilaza hoe tsy nanan-janaka ravehivavy sady efa antitra ny vadiny. Nilaza àry i Elisa fa hovalian-tsoa izy ka hitera-dahy. Narary anefa ilay zaza taona maromaro tatỳ aoriana, ka maty. Nankany amin’ny Tendrombohitra Karmela tany amin’i Elisa àry ilay Sonemita, ary nohazoniny ny tongotr’ilay mpaminany. Nanosika an’ilay vehivavy hiala i Gehazy rehefa nahita izany, nefa tsy navelan’i Elisa. Raha vao vita ny tenin-dravehivavy, dia nirahin’i Elisa hialoha azy ireo ho any amin’ilay zaza i Gehazy. Rehefa niverina nitondra tatitra i Gehazy, dia nifanena tamin’izy ireo teny an-dalana. Nilaza izy fa “tsy nifoha ilay zazalahy”, na dia efa natao teo amin’ny tarehiny aza ny tehin’i Elisa. Rehefa tonga kelikely i Elisa dia natsangany tamin’ny maty ny zanak’ilay Sonemita.—2Mp 4:12-37.
Nilaza i Elisa fa hisy mosary haharitra fito taona. Nampirisihiny àry ilay Sonemita sy ny ankohonany mba hivahiny tany amin’izay azon’izy ireo naleha. Rehefa tapitra ny mosary, dia niala tany Filistia ravehivavy, ary nody tany Israely. Nandeha nitaraina tany amin’ny mpanjaka izy mba hamerenana ny tranony sy ny taniny. Tamin’izay i Gehazy, dia teo am-pitantarana tamin’ny mpanjaka ny nananganan’i Elisa ny zanak’ilay vehivavy. Rehefa ren’ny mpanjaka ny fitantaran’ilay Sonemita, dia nasainy naverina tamin-dravehivavy daholo ny fananany sy izay vokatra rehetra avy tamin’ny taniny, nandritra ny fotoana tsy naha teo azy.—2Mp 8:1-6.
2Mp 5:14-16) Nitsiriritra an’ilay fanomezana anefa i Gehazy, ary nieritreritra fa tokony ho noraisina ilay izy. Nanenjika an’i Namàna àry izy, ary nilaza fa naniraka azy i Elisa mba hangataka talenta volafotsy iray (6606 dolara) sy akanjo indroa miova satria, hono, nisy zatovo roa lahy zanaky ny mpaminany vao tonga avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Faly be i Namàna, ka talenta volafotsy roa no nomeny fa tsy iray. Nanome akanjo indroa miova koa izy, ary mpanompo roa no nirahiny hitondra an’ilay fanomezana ho an’i Gehazy. Rehefa tonga tao Ofela i Gehazy, dia nalainy teny an-tanan’ireo mpanompo ilay fanomezana, ary napetrany tao an-tranony. Nitondra tanam-polo izy nankeo amin’i Elisa, ary nilaza fa tsy taiza tsy taiza rehefa nanontaniany hoe: “Avy taiza ianao, ry Gehazy?” Lasa boka àry i Gehazy. Noho izy matimatin-karena sy namitaka, dia nafoiny ny tombontsoany, satria lasa tsy mpanompon’i Elisa intsony izy, ary boka nandritra ny fotoana tsy voafetra izy sy ny taranany.—2Mp 5:20-27.
Maimay te hahazo tombony i Gehazy, ka izay no nahavoa azy. Nitranga izany rehefa nositranina ny habokan’i Namàna Syrianina. Nanome fanomezana i Namàna saingy tsy nety nandray i Elisa. (