Gehena
(Gehèna) [teny gr. avy amin’ilay teny heb. hoe Geh Hinnôm, “Lohasahan’i Hinoma”].
Miverina in-12 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina io teny io. Maro ny mpandika teny nandika azy io hoe “helo.” Naleon’ny Baiboly maoderina sasany anefa nandika ireo litera ao amin’ilay teny grika hoe geenna.—Mt 5:22, Kat., Sg ary ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Prot.
Lohasaha lalina sady tery any atsimo sy atsimoandrefan’i Jerosalema fahiny ny Lohasahan’i Hinoma, izay lasa nantsoina hoe Geenna. Ny Lohasaha Falehan-driaka er-Rababi (Ge Ben Hinoma) izy io ankehitriny. (Js 15:8; 18:16; Je 19:2, 6; jereo HINOMA, LOHASAHAN’I.) Nanompo sampy sy nandoro olona ho sorona ho an’i Bala teo amin’ilay lohasaha i Ahaza sy Manase, mpanjakan’ny Joda. (2Ta 28:1, 3; 33:1, 6; Je 7:31, 32; 32:35) Nozimbazimbain’i Josia, mpanjaka tsy nivadika, ilay toerana, indrindra fa i Tofeta, mba tsy hisy hanompo sampy intsony teo.—2Mp 23:10.
Tsy toerana fampijaliana mandrakizay. Nampifandraisin’i Jesosy Kristy ny hoe afo sy Gehena. (Mt 5:22; 18:9; Mr 9:47, 48) Nanao toy izany koa i Jakoba mpianany, izay hany mpanoratra Baiboly nampiasa ny hoe Gehena, ankoatra an’i Matio sy Marka ary Lioka. (Jk 3:6) Misy mpivaofy teny milaza fa toerana fampijaliana mandrakizay ilay Gehena mirehitra noresahin’i Jesosy, satria misy ifandraisany amin’ny fandoroana olona ho sorona talohan’ny andron’i Josia Mpanjaka, hono. Maharikoriko an’i Jehovah anefa io fanaon’ny mpanompo sampy io, ka ‘tsy nandidy ny hanaovana izany izy ary tsy tao an-tsainy akory aza izany.’ (Je 7:31; 32:35) Sarotra inoana àry ny hoe avy amin’io fanao io no nahatonga an’ilay Zanak’Andriamanitra hampiasa ny hoe Gehena, rehefa niresaka momba ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy. Naminany koa Andriamanitra fa ho lasa toerana fanariana fatim-bahoaka ny Lohasahan’i Hinoma, fa tsy ho toerana fampijaliana olona velona. (Je 7:32, 33; 19:2, 6, 7, 10, 11) Eken’ny maro àry fa ny Lohasahan’i Hinoma ilay “lemaka iva fanariana faty sy lavenona feno menaka” resahin’ny Jeremia 31:40. Ny vavahady teo amin’ny farany atsinanan’ilay lohasaha, teo amin’ny fihaonan’ilay lohasaha sy ny hantsan’i Kidrona, kosa ilay “Vavahadin’ny Antontan-davenona.”—Ne 3:13, 14.
Mitovitovy amin’ny fanazavan’ny Baiboly ny teny hoe Gehena ny fanazavan’ireo raby sy ny loharanon-kevitra hafa. Toerana fanariam-pakon’i Jerosalema, hoy izy ireo, ny Lohasahan’i Hinoma. (“Fako miavosa” no nandikan’ny Ph ny hoe geenna ao amin’ny Mt 5:30.) Hoy i David Kimhi (1160?-1235?), Jiosy mpivaofy teny, momba ny tantaran’i “Gehinnôm”, tamin’izy nanazava ny Salamo 27:13: “Teo akaikin’i Jerosalema izy io, ary toerana naharikoriko, fanariana zavatra maloto sy faty. Nisy afo nirehitra foana tao mba handoroana ny zavatra maloto sy ny taolam-paty. Nampiasaina hilazana an’ohatra ny fanamelohana ny ratsy fanahy àry ny hoe Gehinnôm.”
Fandringanana mandrakizay. Fandringanana tanteraka vokatry ny fanamelohan’Andriamanitra no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe Gehena. Tsy hitsangana intsony izay mankany. (Mt 10:28; Lk 12:4, 5) Antokon’olona ratsy fanahy ny mpanora-dalàna sy Fariseo ka “mendrika ny Gehena.” (Mt 23:13-15, 33) Raha tsy te ho ringana toa azy ireo ny mpianatr’i Jesosy, dia tsy maintsy manaisotra an’izay rehetra mety hahatonga azy hanota. Tsy maintsy ‘tapahiny ny tanany na ny tongony’ ary ‘esoriny ny masony’, izany hoe vonoiny ny faniriana hanota ao amin’ny rantsambatany.—Mt 18:9; Mr 9:43-47; Kl 3:5; ampit. Mt 5:27-30.
Toa niresaka momba ny voalazan’ny Isaia 66:24 koa i Jesosy rehefa niteny fa ‘tsy maty ny olitra amin’ny faty, ary tsy mety maty ny afo’ any amin’ny Gehena. (Mr 9:47, 48) Tsy fampijaliana no resahina eo fa fandringanana tanteraka, satria tsy olona velona no noresahin’i Isaia fa ‘ny fatin’ireo olona nandika ny lalàn’Andriamanitra.’ Raha fako sy fatin’olona tokoa no nariana tao amin’ny Lohasahan’i Hinoma, araka ny efa voaporofo, dia afo ihany no nahafahana nandevona an’ireny. Nampiana solifara (ampit. Is 30:33) angamba ilay afo mba hidedadeda. Nohanin’ny kankana sy olitra kosa izay tsy levon’ny afo. Te hilaza àry i Jesosy fa rehefa aringana ireo nomelohin’Andriamanitra dia haringana tanteraka.
Jk 3:6, 8; ampit. Mt 12:37; Sl 5:9; 140:3; Ro 3:13.
Heviny an’ohatra. Nampiasa ny hoe “Gehena” i Jakoba rehefa nanazava fa feno ny tsy fahamarinana rehetra ny lela tsy voafehy, ary mety hisy vokany amin’ny fiainan’ny olona manontolo ny teny tsy voahevitra lazainy izay mandoto ny tenany. Mety homelohin’Andriamanitra ho any amin’ny Gehena an’ohatra izy satria “feno poizina mahafaty” ny lelany, ka hita hoe ratsy ny toe-pony.—Mitovy ihany ilay Gehena an’ohatra resahin’ny Baiboly sy ilay “farihy afo” ao amin’ny Apokalypsy.—Ap 20:14, 15; jereo FARIHY AFO.