Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gelilota

Gelilota

(Gelilòta) [Faritra; Faritra Tetezina; avy amin’ny fototeny midika hoe “manakodia”].

Toerana notononina rehefa nofaritana ny sisin-tanin’i Benjamina. (Js 18:17) Voalaza fa “tandrifin’ny fiakarana Adomima” i Gelilota, toa an’i Gilgala ihany. (Js 15:7) Misy manam-pahaizana milaza àry fa i Gelilota ihany ilay Gilgala tany akaikin’i Jeriko. Misy kosa mihevitra an’i Gelilota ho toerana na faritra kely any akaikin’i Talʽat ed-Damm (Maʽale Adomima) any amin’ny Lohasaha Falehan-driaka el Kilt, any atsimoandrefan’i Jeriko.​—Jereo ADOMIMA; GILGALA No. 1.