Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gemaria

Gemaria

(Gemarìa) [Nataon’i Jehovah Tonga Lafatra (Feno)].

1. “Zanak’i Safana mpanao dika soratra”, ary andriana tamin’ny andro nanjakan’i Joiakima (628-618 T.K.). Nanana efitra fisakafoana tao amin’ny tokotany ambony tao amin’ny tempoly i Gemaria, ary teo i Baroka no namaky mafy ny teny tao amin’ilay boky nasain’i Jeremia mpaminany nosoratany. Rehefa nandre an’izay novakin’i Baroka i Mikaia zanak’i Gemaria, dia nilaza izany tenin’i Jehovah izany tany amin’ny andriana izy. Ireo andriana ireo indray avy eo no nampaka an’i Baroka mba hamaky an’ilay boky tamin’izy ireo. Rehefa ren’izy ireo ny teny tao amin’ilay boky, dia nasain’izy ireo niafina i Baroka sy Jeremia. Novakina tamin’i Joiakima Mpanjaka ilay horonam-boky tatỳ aoriana, ary anisan’ireo andriana niangavy ny mpanjaka mba tsy handoro azy io i Gemaria.​—Je 36:10-25.

Vao haingana dia nahitana vaingana tanimanga kely nisy tombo-kase, izay fametaka amin’ny taratasy, tany Jerosalema. Toy izao ny soratra teo amin’ilay izy: “An’i Gemaria [heb.: Gemaryaho] zanak’i Safana.” Voalaza fa tamin’ny taonjato fahafito T.K. tany ho any io tanimanga nisy tombo-kase io, ary toa ilay Gemaria resahin’ny Jeremia toko faha-36 no tompon’izy io.

2. “Zanak’i Hilkia”, izay “nirahin’i Zedekia mpanjakan’ny Joda ho any Babylona ... mba hankany amin’i Nebokadnezara.” Nampitondrain’i Jeremia taratasy i Gemaria sy Elasa tamin’izay, mba ho an’ireo Jiosy tany an-tsesitany tany Babylona niaraka tamin’i Joiakina (Jekonia) tamin’ny 617 T.K.​—Je 29:1-3.