Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Genesisy, Bokin’ny

Genesisy, Bokin’ny

Ny boky voalohany amin’ilay antsoina hoe Pentateoka na Pentatioka (teny grika nogasina midika hoe “horonam-boky dimy” na “boky dimy”), na ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly. “Genesisy” (midika hoe “Fiandohana; Fahaterahana”) no iantsoan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo an’io boky voalohany io, fa Bereʼshit (Tany Am-piandohana) kosa ny anarany hebreo, mitovy amin’ilay teny voalohany ao amin’ny andininy voalohany.

Fotoana sy toerana nanoratana azy. Nitambatra ho boky iray nantsoina hoe Torah ireo Boky Dimy Voalohany, ary anisan’izy io ny Genesisy. Toa vitan’i Mosesy tamin’ny 1513 T.K. ny fanoratana azy tany an-tany efitr’i Sinay. Resahin’ilay boky ny namoronana ny lanitra sy ny tany (Ge 1:1, 2), sy ny nikarakarana ny tany nandritra ny an’arivony taona mba honenan’ny olombelona. (Jereo ANDRO; FAMORONANA, ZAVABOARY.) Tantarainy avy eo ny namoronana ny olona ka hatramin’ny nahafatesan’i Josefa tamin’ny 1657 T.K.​—Jereo FANISAN-TAONA (Teo amin’ny famoronana ny olombelona ka hatramin’izao).

Mpanoratra. Misy mpitsikera nilaza fa tsy nahay nanoratra ny olona tamin’ny andron’i Mosesy. Voaporofo anefa izao fa tsy marina izany. Nilaza i P. Wiseman fa maro ny porofo hitan’ireo mpikaroka hoe “efa hatry ny fahagolan-tany ny olona no nahay nanoratra.” (Zava-baovao Hita Tany Babylonia Momba ny Genesisy, 1949, p. 35) Saika ny manam-pahaizana rehetra no miaiky fa ela be talohan’ny andron’i Mosesy (taonarivo faharoa T.K.) no efa nisy ny soratra. Nahay nanoratra ny olona tamin’ny andron’i Mosesy raha jerena ilay didy hoe: “Soraty ao amin’ny boky izao ho fahatsiarovana.” (Ek 17:14) Tsy maintsy ho nahay namorona fomba fanoratra i Adama lehilahy lavorary, satria noforonin’Andriamanitra hahay hiteny. Tsy misy porofo anefa ao amin’ny Baiboly hoe namorona fomba fanoratra izy.​—Ge 2:19, 23.

Ahoana no nahafantaran’i Mosesy ny zavatra nosoratany ao amin’ny Genesisy?

Zava-nitranga talohan’ny nahaterahan’i Mosesy daholo no resahin’ny Genesisy. Mety ho Andriamanitra no nilaza mivantana taminy na tamin’olon-kafa velona talohany hoe inona no nitranga talohan’ny namoronana ny olombelona. (Ge 1:1-27; 2:7, 8) Mety ho nampitampitaina koa anefa ilay fitantarana sy ireo tsipiriany hafa, ary ren’i Mosesy tamin’ny farany. Mety ho avy tamin’i Adama ilay izy no lasa fantatr’i Mosesy rehefa nampitampitain’ny olona dimy monja, dia i Metosela, Sema, Isaka, Levy, ary Amrama. Ela niainana mantsy ny olona tamin’izany. Mety ho tantara an-tsoratra efa nisy tamin’izany koa no nakan’i Mosesy an’ilay fitantarana. Nihevitra toy izany i Campegius Vitringa, manam-pahaizana holandey tamin’ny taonjato faha-18. Miverimberina ao amin’ny Genesisy (impito ao amin’ny Prot.) mantsy, hono, ny hoe “Izao no taranak’i/taranaky”, ary indray mandeha ny hoe “Ity no boky milaza ny taranak’i.” (Ge 5:1; 10:1; 11:10, 27; 25:12, 19; 36:1, 9) Tôhledôht no teny hebreo nadika hoe ‘taranaka’, nefa tsara kokoa izy io raha adika hoe “tantara” na “fiandohana.” Hafahafa tokoa, ohatra, raha atao hoe “taranaky ny lanitra sy ny tany” ilay hoe “tantaran’ny lanitra sy ny tany.” (Ge 2:4) Samy manao hoe ‘tantara’ daholo àry eo ny Fandikan-teny Protestanta, Fandikan-teny Katolika, ny Baiboly frantsay Crampon, ary ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Azo antoka fa te hahalala ny tantara marina ny olona tamin’izany, toy ny ankehitriny ihany.

Mihevitra àry i Vitringa sy ny olon-kafa fa tantara an-tsoratra efa nisy ireo tôhledôht resahin’ny Genesisy, na dia tsy misy porofon’izany aza ao amin’ny Baiboly. Nanana an’ireo, hono, i Mosesy, ka avy tamin’ireo no nanovozany hevitra mba hanoratana ny Genesisy. Nanoratra na nanana an’ireo tantara ireo, hono, i Adama, Noa, ireo zanakalahin’i Noa, Sema, Tera, Ismaela, Isaka, Esao, ary Jakoba. Tsy mazava anefa hoe ahoana no nahazoan’i Mosesy an’ireo tantara ireo. Tsy mazava koa hoe nahoana no avy tamin’olona tsy dia tena nanompo an’i Jehovah (toa an’i Ismaela sy Esao) no nahazoana ny ankamaroan’ny tantara ao amin’ny Genesisy. Mety ho teny fampidirana an’ireo fizarana samihafa tao amin’ilay tantara lava be fotsiny àry ny hoe “Izao no tantaran’i.” Ampitahao amin’ny teny fampidirana ny Filazantsaran’i Matio.​—Mt 1:1.

Tsy tena fantatra hoe tamin’iza na tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’i Mosesy an’ireo zavatra nosoratany. Mety ho ireo fomba telo mitambatra ireo koa anefa no nahazoany izany: Sady avy tamin’Andriamanitra no nampitampitaina taminy no nisy tantara an-tsoratra niaingany. Na ahoana na ahoana dia notarihin’ny fanahin’i Jehovah Andriamanitra i Mosesy mpaminany, tamin’izy nanoratra an’ilay boky.​—2Pe 1:21.

Natao hitari-dalana an’ireo taranaka atỳ aoriana izy io. Tokony hovakina matetika amin’ny vahoaka àry izy io (De 31:10-12; 2Mp 23:2, 3; Ne 8:2, 3, 18), ary tokony hianaran’ny mpanjakan’ny Israely.​—De 17:18, 19.

Hevitry ny mpitsikera. Misy mpitsikera milaza fa tsy i Mosesy no nanoratra ny Genesisy na nanangona an’ireo tantara ao, fa olona maromaro, ary mety ho velona ela be taorian’i Mosesy ny sasany. Samy hafa mantsy, hono, ny fomba fanoratra sy ny teny nampiasaina ao amin’ilay boky. Azo sokajina ho telo àry, hono, ireo mpanoratra: “J” (Jahvista), “E” (Elohista), ary “P” (Priesterkodex, teny alemà midika hoe Kôdeksan’ny Mpisorona). Ny mpitsikera hafa kosa milaza fa mbola nisy mpanoratra hafa koa. Mety ho 14, hono, izy rehetra matoa resahina indroa ao amin’ny Genesisy ny zava-nitranga iray, na matoa tantara mitovitovy no resahin’ny toko samy hafa. Samy nanana ny fomba fiheviny sy ny zavatra ninoany, hono, ireo mpanoratra ireo, nefa rehefa natambatra ireny dia nahazoana boky iray mirindra tsara. Tsy mitombina anefa ny hevitra aroson’ireo mpitsikera. Hijery ohatra vitsivitsy isika.

Milaza ireo mpitsikera fa samy hafa ireo mpanoratra ny Genesisy, matoa samy hafa ireo anaram-boninahitra nomeny an’Andriamanitra. Tsy mitombina anefa izany satria ampahany kely monja amin’ny Genesisy, ohatra, dia ahitantsika hoe “Andriamanitra Avo Indrindra” (ʼEl ʽElyôhn, Ge 14:18); “Mpanao ny lanitra sy ny tany” (14:19); “Tompo Fara Tampony” (ʼAdônai, 15:2); “Andriamanitra mahita” (16:13); “Andriamanitra Mahery Indrindra” (ʼEl Shaddai, 17:1); “Andriamanitra” (ʼElôhim, 17:3); ary “Mpitsara ny tany manontolo” (18:25). Tena sarotra ny hamantatra avy amin’io ampahany io hoe iza avy no nanoratra an’ireo fizarana samy hafa ireo. Nomena anaram-boninahitra samy hafa kosa Andriamanitra ao amin’ny Genesisy, arakaraka ny toetra nasehony sy ny zavatra nataony rehefa nifandray tamin’ny vahoakany izy.

Misy koa milaza fa i “P” no nanoratra ny Genesisy 1:1, satria hita ao ilay teny hebreo hoe baraʼ, midika hoe “namorona.” Misy an’io teny io koa anefa ao amin’ny Genesisy 6:7, izay nosoratan’i “J”, hono. Mampiavaka an’i “P” kosa, hono, ny fampiasana ny hoe “tany Kanana” (toy ny ao amin’ny Ge 12:5; 13:12a; 16:3; 17:8). Ahitana hoe “tany Kanana” koa anefa ao amin’ny toko faha-42, 44, 47 ary 50, izay nosoratan’i “J” sy “E”, hono. Milaza ireo mpitsikera fa misy tsy mifanaraka ireo fitantarana ao amin’ny Genesisy, ary miezaka manazava ny anton’izany izy ireo. Ireo hevitra arosony anefa no mifanipaka.

Tsy hirindra sady tsy hifanaraka mihitsy ireo toko sy andininy ary fehezanteny ao amin’ny fizarana samy hafa ao amin’ny Genesisy, raha avahana arakaraka ny mpanoratra azy, ary avy eo atambatra. Raha marina ny hoe nisy olona tatỳ aoriana nampiasa sy nanambatra an’ireny fizarana ireny, dia midika izany fa neken’ny firenen’Israely ho tantara marina izy ireny ary nampiasainy nandritra ny taonjato maro. Iza anefa no mpanoratra na mpahay tantara hanambatra tantara tsy mifanaraka toy izany, ary iza no firenena hanaiky azy ireny ho tantaram-pireneny?

Tsy miombon-kevitra amin’ireo mpitsikera i K. Kitchen, mpikaroka momba an’i Ejipta fahiny. Hoy izy: “Efa hatry ny ela ireo mpitsikera an’ireo Boky Dimy Voalohany no nilaza fa olona samy hafa no nanoratra an’ireo fizarana samy hafa. ... Tsy mitombina mihitsy anefa izany hevitry ny mpitsikera ny Testamenta Taloha ... izany, rehefa jerena ireo asa soratra fahiny tany Atsinanana, izay mitovy amin’ny an’ny [Genesisy] ny fomba nanoratana azy.” Noresahiny, ohatra, ny tantaram-piainan’ny Ejipsianina iray, izay toa nosoratan’ny olona maromaro, raha arahina ny hevitr’ireo mpitsikera. “Tao anatin’ny volana na herinandro vitsivitsy na tao anatin’ny fotoana fohy monja” anefa ilay izy no “natao sy nosoratana ary natao sokitra”, rehefa jerena ny porofo. “Tsy olona samy hafa no nanoratra an’ilay izy, fa niovaova fotsiny ny fomba nanoratana azy arakaraka ny foto-kevitra noresahina sy ny fomba nilazana azy.” (Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly, nataon’i J. Douglas, 1980, p. 349) Hita tokoa fa tsy mitombina ny hevitr’ireo mpitsikera. Vao mainka àry isika miaiky fa i Mosesy irery ihany no nanoratra ny fitantarana mirindra tsara ao amin’ny Genesisy, ary notarihin’ny fanahy masina izy.

Marina ara-tantara. Ny Genesisy irery no manazava ny tantaran’olombelona hatrany am-piandohana, ary mirindra sy mitombina tsara ilay fitantarana. Tsy ho nahafantatra ny marina momba ny lehilahy sy vehivavy voalohany isika, raha tsy nisy azy io. Angano fotsiny mantsy ireo tantara noforonin’ny firenena mpanompo sampy momba ny niandohan’ny olombelona. Manaporofo izany ny fampitahana ireny tantara ireny sy ny Genesisy.

Milaza, ohatra, ny angano babylonianina fa novonoin’i Mardoka, andriamanitra lehibe indrindran’i Babylona, i Tiamata andriamanibavy, ary avy eo “nozarainy roa hoatran’ny akorandriaka” ny vatany, “ka ny antsasany nataony lanitra.” Toy izany, hono, no nampisy ny tany sy ny lanitra. Milaza koa io angano io fa nosamborin’ireo andriamanitra i Kingo andriamanitra ka “nosaziny noho ny helony, ary notapahiny ny (lalan-drany). Ny rany avy eo no nanamboaran’izy ireo ny olombelona.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i James Pritchard, 1974, p. 67, 68) Ireo angano ejipsianina kosa milaza fa andriamanitra maromaro no namorona, saingy tsy mazava raha ny andriamanitry ny tanànan’i Memfisa no tena namorona, na ny an’i Thèbes. Milaza ny angano ejipsianina iray hoe i Ra andriamanitra masoandro no namorona ny olombelona avy tamin’ny ranomasony. Mitovitovy kosa ny voalazan’ny angano grika sy babylonianina. Kalandrie sy fanisan-taona indray no tena betsaka ao amin’ny angano sinoa, ary natao ho an’ireo mponina tany izy ireny na natao hampiasaina vetivety fotsiny.

Tsy mirakitra tantara sy tetirazana ary fotoana toy ny ao amin’ny Genesisy ireny angano fahiny ireny. Tsy azo antoka sady misafotofoto ny fitantaran’ny firenena fahiny momba ny razambeny. Ny an’ny firenen’Israely kosa be tsipiriany sy mazava tsara. Tsy mahagaga izany rehefa jerena ny fikasan’Andriamanitra ho azy ireo. Resahin’ny Baiboly fa Andriamanitra no nifehy ny firenen’Israely, ary nifandray tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambeny izy. I Mosesy no nataony mpanelanelana azy tamin’ny firenen’Israely, izay nomeny ny Lalàna. Natao an-tsoratra ny tantaran’izy ireo mba hahasoa azy ireo sy an’izay te hahafantatra an’ilay tena Andriamanitra sy te hanompo azy atỳ aoriana.

Tsy eken’i Wilhelm Möller hoe angano fotsiny ny fitantarana maro ao amin’ny Genesisy. Hoy izy: “Tsy inoako hoe misy angano lasa heken’ny firenena iray ho tantara marina, rehefa mandeha ny fotoana. Tsy azo eritreretina, ohatra, hoe lasa mino isika fa tantara marina ny angano mitantara an’ireo Nibelungen ... Manizingizina anefa ireo mpitsikera hoe izany no nataon’ny Israely.” (Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena, nataon’i J. Orr, 1960, Boky II, p. 1209) Nilaza koa izy fa neken’ny mpaminany hoe marina ny fitantarana momba ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora (Is 1:9; Am 4:11), ary tena nisy i Abrahama, Isaka, Jakoba ary Josefa. (Is 29:22; Mi 7:20) Voatonona imbetsaka ao amin’ny Soratra Grika Kristianina koa i Abrahama. Niresaka momba azy, ohatra, i Jesosy Kristy, rehefa nanazava momba ny fitsanganan’ny maty. (Mt 22:32) Tsy ho niresaka momba an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba izy, raha tsy tena nisy izy ireo.​—Mt 22:31-33.

Sarobidy. Tantarain’ny Genesisy ny nampisy izao rehetra izao. Resahiny ny amin’ireo zavaboary mahatalanjona, nefa tsy izany no tena asongadiny. Tsy mba toy ny tantara noforonin’ny mpanompo sampy ny Genesisy. Izy ireny mantsy mifantoka be amin’ireo zavaboary mahavariana, ka mamoromporona zavatra tsy marina mihitsy mba hanasongadinana an’ireo zavaboary. Ny Genesisy kosa tsy miresaka momba ny famoronana fotsiny, fa milaza koa ny antony namoronana ny olombelona, ny fifandraisan’ny olona tamin’Andriamanitra, ary ny fifandraisan’ny olona tamin’ny biby. Resahiny koa hoe nahoana no mijaly sy maty ny olona, ary inona no fanantenana ho azy ireo. Hazavainy fa taranaky ny lehilahy iray, dia i Adama, ny olona rehetra. Nanota anefa i Adama ka tsy afaka ny hiaina mandrakizay ny taranany. Azontsika àry hoe nahoana no afaka manavotra ny olona amin’ny ota ny sorom-panavotan’ny lehilahy iray, dia i Jesosy Kristy. Resahin’ny Genesisy koa fa tsy nanaiky ny zon’Andriamanitra hitondra i Satana Devoly, ilay menarana an’ohatra, nefa haringana izy ka hahazo fanamaivanana ny olombelona. Tantarain’ny Genesisy ny niandohan’i Babylona sy ny nielezan’ny fivavahan-diso naneran-tany taorian’ny Safodrano. Azo fantarina àry hoe iza ilay Babylona Lehibe resahin’ny bokin’ny Apokalypsy.​—Jereo BABYLONA LEHIBE.

Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy ho araka ny fanahy sy ny fahamarinana no anompoana an’Andriamanitra. (Jn 4:24) Resahin’ny Genesisy ny marina momba ny niandohan’ny olombelona sy ny fomba nifandraisan’Andriamanitra taminy. Tsy angano ny Genesisy, ka ahalalantsika ny marina momba ny tantaran’olombelona. Fantatry ny olona velona talohan’ny Safodrano ny zava-nitranga tany Edena, satria mbola teo ilay zaridaina sy ireo kerobima ary ilay lelan-tsabatra mirehitra. (Ge 3:24) Tsy niraharaha ny zava-nisy anefa ny olona sasany fa te hanao izay tiany fotsiny. I Noa kosa nanompo an’Andriamanitra araka ny fomba tian’Andriamanitra hanompoan’ny olona azy hatramin’ny voalohany, araka ilay tantara marina. Mbola nanaraka ny fivavahana marina foana ireo loham-pianakaviana taranak’i Sema, na dia nikomy tamin’Andriamanitra aza i Nimroda ka nanorina ny Tilikambon’i Babela, taorian’ny Safodrano. Tsy zava-baovao na fomba fiaina vaovao tanteraka tamin’ny Israely àry ny Lalàna nomen’Andriamanitra, rehefa lasa firenena izy ireo. Efa fanaon’izy ireo hatramin’izay mantsy ny zavatra maro notakin’ny Lalàna. Hoy ny Rakipahalalana nataon’i M’Clintock sy Strong (1881, Boky III, p. 782): “Efa nomanina hanaiky an’io fitondran’Andriamanitra io ilay firenena. Efa noresahin’ny Genesisy ny fototra niorenan’izy io.”

Izany no nanampy ny Jiosy ho vonona handray ny Mesia sy hanaraka ny Fivavahana Kristianina. Tsy ela dia niaiky ireo niezaka mafy nanaraka ny Lalàna fa i Jesosy Kristy no Mesia. Nilaza ny tenany ho mpamonjy lehibe sy mpitarika i Jesosy, nefa tsy hoe tsy nampoizina izany na hoe tsy fanta-piaviana izy. Nanampy an’ireo olona tso-po hahafantatra azy sy hanara-dia azy mantsy ny tantara ao amin’ny Genesisy. Niorina àry ny fiangonana kristianina, ary vonona hitory ny filazantsara any amin’ny firenena rehetra ireo Jiosy anisan’izy io. Ny firenena mpanompo sampy kosa tsy nahalala ny marina, satria tsy nahalala izany ny razambeny. “Tafasaraka tamin’ny firenen’Israely” izy ireo “ka vahiny raha ny amin’ireo fifanekena momba ny fampanantenana, ary tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra ..., teo amin’izao tontolo izao.” (Ef 2:12) Tsy maintsy nianatra momba ny toro lalan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany àry izy ireo, raha te ho lasa Kristianina.

Tena manampy antsika hahazo ny hevitra fonosin’ireo boky rehetra ao amin’ny Baiboly ny Genesisy, ary tena ilain’ny Fivavahana Kristianina. Resahiny ny loha hevitry ny Baiboly, dia ny hoe hohamarinina ny zon’i Jehovah hitondra, ary ho tanteraka ny fikasany momba ny tany rehefa tonga ny Fanjakany tarihin’ilay Taranaka nampanantenaina. Hita ao amin’ny Genesisy ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly (Ge 3:15) sy ireo faminaniana maro hafa, izay efa tanteraka ny ankamaroany.

[Efajoro, pejy 1011]

HEVITRA MISONGADINA: GENESISY

Mitantara ny namoronana sy ny nikarakaran’Andriamanitra ny tany mba honenan’olombelona, sy ny anjara asan’ny olona ao amin’ny fikasan’Andriamanitra, ary ny fifandraisany tamin’ireo olona nanam-pinoana nandritra ny 2 300 taona teo ho eo

Nanomboka tamin’ny namoronana an’izao rehetra izao ka hatramin’ny nahafatesan’i Josefa tany Ejipta (1657 T.K.)

Famoronana ny lanitra sy ny tany, sy fikarakarana ny tany mba honenan’olombelona (1:1–2:25)

Niditra teo amin’izao tontolo izao ny ota sy fahafatesana; hisy ‘taranaka’ hamonjy (3:1–5:5)

Namitaka an’i Eva ny menarana; nihinana an’ilay voankazo voarara i Eva sy Adama

Nomelohina ilay menarana sy ny vehivavy ary Adama; hanorotoro an’ilay menarana ny taranak’ilay vehivavy

Namono an’i Abela rahalahiny i Kaina lahimatoan’i Adama sy Eva

Maty i Adama rehefa 930 taona, ka tanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra

Nanimba ny tany ny anjely ratsy sy ny olon-dratsy; nahatonga Safodrano Andriamanitra (5:6–11:9)

Teraka i Noa, taranak’i Seta zanak’i Adama; nanambady vehivavy ireo anjely tsy nankatò ka niteraka an’ireo Nefilima, izay tena nahery setra

Nanapa-kevitra i Jehovah fa handringana amin’ny alalan’ny Safodrano, nefa nasainy nanamboatra sambofiara i Noa mba hamonjena ny ankohonany sy ny biby

Safotry ny rano ny tany manontolo; maty daholo ny olona sy ny biby manidina ary ny biby an-tanety tany ivelan’ny sambofiara

Taorian’ny Safodrano, dia noraran’i Jehovah ny fihinanan-dra, navelany hovonoina ho faty izay namono olona, ary nanao an’ilay fifanekena ny amin’ny avana izy ka nampanantena fa tsy hisy safodrano haneran-tany intsony

Nanorina tilikambo ny taranaka faharoa teraka taorian’ny Safodrano, ka nanohitra an’ilay fikasan’Andriamanitra hoe tokony hiely izy ireo; nataon’i Jehovah nisafotofoto ny fiteniny, ka niparitaka izy ireo

Nanao fifanekena tamin’i Abrahama i Jehovah (11:10–25:26)

Nankatò an’Andriamanitra i Abrama taranak’i Sema ka nandao an’i Ora

Nampanantena an’i Abrama Andriamanitra fa homeny ny taranany ny tany Kanana

Nisaraka tamin’i Abrama rahalahin-drainy i Lota ka nipetraka teny akaikin’i Sodoma, nefa voababo ka novonjen’i Abrama; nitso-drano an’i Abrama i Melkizedeka

Lasa vadikelin’i Abrama i Hagara, izay niteraka an’i Ismaela

Novan’i Jehovah hoe Abrahama ny anaran’i Abrama, ary hoe Saraha ny an’i Saray; natao ny fifanekena ny amin’ny famorana

Nilaza tamin’i Abrahama ny anjelin’i Jehovah fa hiteraka an’i Isaka i Saraha

Nilazana i Abrahama fa horavana i Sodoma, ka niangavy izy mba hotsimbinina ny olo-marina

Nampirisihin’ny anjely hiala tao Sodoma ry Lota; maty ny vadin’i Lota fa tsy nankatò

Teraka i Isaka; noroahina i Ismaela fa naneso an’i Isaka tamin’i Isaka nosarahi-nono

Nankatò an’i Jehovah i Abrahama ka saika hanao sorona an’i Isaka; nomena toky izy fa ho tanteraka izay nampanantenaina azy

Nampitady vady ho an’i Isaka i Abrahama, rehefa maty i Saraha

Niteraka an’i Esao sy Jakoba i Rebeka vadin’i Isaka

Jakoba (Israely) sy ny zanany 12 lahy; nankany Ejipta mba tsy ho faty mosary (25:27–50:26)

Nahazo ny zon’ny lahimatoa tamin’i Esao i Jakoba ho takalon’ny sakafo iray, ary nampian’i Rebeka izy hahazo ny tso-drano saika homen’i Isaka an’i Esao; nitady vady tany Padana-arama izy

Nofitahin’i Labana anadahin’i Rebeka i Jakoba ka nanambady an’i Lea; avy eo izy nanambady an’i Rahely, ary niteraka 11 lahy sy vavy iray (Dina) tamin’i Lea sy Rahely ary ny mpanompovaviny roa, talohan’ny nialan’izy mianakavy tao Padana-arama

Nitolona tamin’ny anjely i Jakoba, ka nipitsoka ny foto-peny; tsy navelany handeha ilay anjely raha tsy nitso-drano azy; novana hoe Israely ny anarany

Nihavana tamin’i Esao i Jakoba, lasa nipetraka tany Sokota, avy eo tao Sekema; tao i Dina no nisy nametaveta

Maty teo am-piterahana an’i Benjamina, zanakalahin’i Jakoba faha-12, i Rahely

Halan’ireo rahalahiny i Josefa lahimatoan’i Rahely ka namidin’izy ireo; lasa andevon’i Potifara tany Ejipta izy

Nendrikendrehina i Josefa ka nigadra; nolazaina tamin’i Farao hoe nahay nilaza ny hevitry ny nofy izy

Nohazavain’i Josefa ny hevitry ny nofin’i Farao, ka nataon’i Farao mpitondra lefitra izy

Nisy mosary tany Kanana ka voatery nividy sakafo tany Ejipta ireo zanak’i Jakoba; nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny i Josefa

Nifindra nankany Ejipta ry Jakoba mianakavy; nikarakara azy ireo i Josefa

Maty tany Ejipta i Jakoba rehefa avy nitso-drano an’i Efraima sy Manase zanak’i Josefa ary ireo zanany 12 lahy