Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gerizima, Tendrombohitra

Gerizima, Tendrombohitra

(Gerizìma).

Eo afovoan’ny faritanin’i Samaria no misy ny Tendrombohitra Gerizima (Jebel et Tor, na Hara Gerizima, ankehitriny), sy ny Tendrombohitra Ebala izay eo avaratratsinanany. Misongadina be ireo tendrombohitra roa mifanatrika ireo, sady ahafahana manara-maso tsara ny lalana lehibe iray mampifandray ny atsinanana sy ny andrefana. Mahavokatra ny Lohasahan’i Sekema izay eo anelanelan’izy ireo. Eo amin’io lohasaha io no misy an’i Naplouse ankehitriny. Any amin’ny sisiny atsinanana amin’io lohasaha io, tokony ho 1,5 km any atsimoatsinanan’i Naplouse no nisy an’i Sekema fahiny, ilay tanàna lehibe tao Kanana, talohan’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsara toerana ny Tendrombohitra Gerizima sy Ebala, ka izany no nahatonga azy ireo hanan-tantara ara-tafika sy ara-panjakana ary ara-pivavahana.​—SARY, Boky 1, p. 331.

Maherin’ny 850 m ambonin’ny haabon’ny Ranomasina Mediterane ny tendron’i Gerizima. Iva kokoa noho ny Tendrombohitra Ebala izy io (latsaka 60 m eo ho eo), nefa ahatazanana tsara ny faritra manodidina: Ny tendron’ny Tendrombohitra Hermona rakotra lanezy any avaratra, ny lohasaha mahavokatr’i Jordana any atsinanana, ireo tendrombohitr’i Efraima any atsimo, ary ny Lemak’i Sarôna sy ny ranomasina mangan’i Mediterane any andrefana.

Teo anelanelan’ny Tendrombohitra Gerizima sy Ebala, “teny akaikin’ireo hazoben’i More”, i Abrama (Abrahama) no nitoby fahiny. Teo i Jehovah no nampanantena azy hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity.” (Ge 12:6, 7) Teny amin’ny manodidina an’io toerana io koa i Jakoba no nitoby.​—Ge 33:18.

Nanaraka ny toromarik’i Mosesy ireo fokon’ny Israely notarihin’i Josoa ka nivory teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima sy Ebala, taoriana kelin’ny nandreseny an’i Ay. Teo ilay vahoaka no nandre ny fitahiana ho azony raha nankatò an’i Jehovah izy ireo, sy ny ozona hanjo azy raha tsy nankatò. Ireto avy ny foko nijoro teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima: Simeona, Levy, Joda, Isakara, Josefa, ary Benjamina. Teo amin’ilay lohasaha no nijoro ireo Levita sy ny Vata misy ny fifanekena, ary nitsangana teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala kosa ireo foko enina ambiny. (De 11:29, 30; 27:11-13; Js 8:28-35) Toa ireo foko teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima no namaly rehefa novakina nanandrify azy ireo ny fitahiana. Ireo foko hafa nijoro teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala kosa no namaly rehefa novakina nanandrify azy ireo ny ozona. Misy milaza fa novakina nanandrify ny Tendrombohitra Gerizima ireo fitahiana satria tsara tarehy sy mahavokatra izy io, fa be vato sy ngazana kosa ny Tendrombohitra Ebala. Tsy milaza izany anefa ny Baiboly. Novakina mafy ny Lalàna “teo anatrehan’ny fiangonan’Israely manontolo, sy ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay niara-nandeha tamin’izy ireo.” (Js 8:35) Afaka nandre izany ireo olona maro be teo anoloan’ny tendrombohitra roa ireo, satria mahatonga ny feo ho re tsara ilay toerana.​—Jereo EBALA, TENDROMBOHITRA.

Tamin’ny andron’ireo mpitsara teo amin’ny Israely, dia “nitsangana teo an-tampon’ny Tendrombohitra Gerizima” i Jotama zanak’i Gideona, ka niteny tamin’ny mponina tao Sekema. (Mpts 9:7) Misy vato miendrika talantalana eo antenatenan’ny tehezan’ilay tendrombohitra ankehitriny, ary antsoin’ny olona hoe polipitran’i Jotama izy io araka ny lovantsofina.

Tempolin’ny Samaritanina. Nanorina tempoly tao Gerizima ny Samaritanina tamin’ny taonjato fahefatra T.K., mba hifampitaha tamin’ilay tany Jerosalema. Rava tamin’ny 128 T.K. anefa izy io, ary lazain’ny lovantsofina fa i Joany Hirkana no nandrava azy. (Rakitry ny Ela Jiosy, XI, 310, 311, 324 [viii, 2, 4]; XIII, 254-256 [ix, 1]; Ny Adin’ny Jiosy, I, 63 [ii, 6]) Hatramin’izao ny Samaritanina dia mbola mankalaza fety toy ny Paska eny amin’ny Tendrombohitra Gerizima, eo amin’izay heverina fa toerana nisy an’io tempoly fahiny io. Azo inoana fa ny Tendrombohitra Gerizima no tian’ilay vehivavy samaritanina holazaina, tamin’izy niteny tamin’i Jesosy Kristy hoe: “Ny razanay nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity, nefa ianareo milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.”​—Jn 4:5, 19, 20.

Araka ny sary teo amin’ny vola madinika hita tany Naplouse, dia nisy tempolin’i Zeosy teo amin’ny ilany avaratratsinanana amin’ny Tendrombohitra Gerizima, ary 1500 ny zana-tohatra nankao aminy. Nisy eglizy naorina teo an-tampon’ilay tendrombohitra tamin’ny taonjato fahadimy, ary nisy hafa koa naorin’i Justinien, mpanjakan’i Byzance. Voalaza fa tamin’ny andron’i Justinien ireo sisan-javatra rava hita any amin’iny toerana iny ankehitriny.