Gersoma
(Gersôma) [Vahiny Monina Any].
1. Zanakalahin’i Levy zanak’i Jakoba, ary ny anarany no voatonona voalohany. Izy no rain’i Libny sy Simey. (1Ta 6:16, 17, 20, 43, 62, 71) Nantsoina koa hoe Gersona izy.—Ge 46:11; Ek 6:16, 17; No 3:17, 18; 1Ta 6:1; 23:6.
2. Lahimatoan’i Mosesy sy Zipora vadiny. Teraka tany Midianina i Gersoma. (Ek 2:21, 22; 1Ta 23:14-16) Tonga tany amin’i Mosesy tany an-tany efitra i Jetro rafozandahiny, ary nitondra an’i Zipora sy ireo zanakalahin’i Mosesy, dia i Gersoma sy Eliezera. (Ek 18:2-4) Nanao ny asan’ny mpisorona ho an’ny fokon’i Dana i Jonatana zanak’i Gersoma, saingy tsy mpisorona ara-dalàna izy satria tsy anisan’ny taranak’i Arona, na dia Levita aza.—Mpts 18:30.
3. Lohan’ny fianakaviambe avy amin’ny taranak’i Finehasa izy, ary niaraka tamin’i Ezra avy tany Babylona.—Ezr 8:1, 2.