Getsemane
(Getsèmanè) [Famiazana Ahazoana Menaka].
Azo inoana fa zaridaina feno hazo oliva sady nisy famiazana oliva nahazoana menaka. Tany atsinanan’i Jerosalema izy io, teo ampitan’ny Lohasahan’i Kidrona (Jn 18:1), teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, na teo akaikiny. (Lk 22:39) Mpankao matetika i Jesosy Kristy sy ny mpianany. (Jn 18:2) Nankany mba hivavaka izy sy ny mpianany tsy nivadika, ny alin’ny Paska taona 33. Tany i Jodasy Iskariota no nahita an’i Jesosy sy namadika azy. Tany koa i Jesosy no nosamborin’ny vahoaka nitam-piadiana.—Mt 26:36-56; Mr 14:32-52; Lk 22:39-53; Jn 18:1-12.
Tsy fantatra ny tena toerana nisy ny zaridainan’i Getsemane, satria notapahin’ny Romanina daholo ny hazo nanodidina an’i Jerosalema tamin’izy ireo nanao fahirano azy io tamin’ny taona 70, araka ny voalazan’i Josèphe. (Ny Adin’ny Jiosy, VI, 5-8 [i, 1]) Milaza ny lovantsofina fa ilay zaridaina nofefen’ny Fransiskanina tamin’ny 1848 no Getsemane. Tokony ho 46 m ny lavany ary 43 m ny sakany. Eo am-pototry ny Tendrombohitra Oliva izy io, eo amin’ny ilany andrefana, ary eo amoron’ny sampanan-dalana. Misy hazo oliva valo efa hatramin’ny taonjato maro ao.