Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gia

Gia

(Già) [Mitosaka; Mifantsitsitra].

Toerana tany akaikin’ny “havoanan’i Ama.” Voatonona izy io tamin’i Joaba sy Abisay nanenjika an’i Abnera. (2Sa 2:24) Misy milaza fa tany atsinanan’i Gibeona tao amin’ny tanin’i Benjamina no nisy an’i Gia, rehefa jerena ilay fitantarana. Toerana hafa anefa no lazain’ireo manam-pahaizana nanitsy ilay soratra hebreo. Mbola tsy fantatra izay tena nisy an’i Gia.​—Jereo AMA.