Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gihona

Gihona

(Gihôna) [Mitosaka; Mifantsitsitra].

1. Iray amin’ireo sampany efatra tamin’ilay renirano nivoaka avy tao Edena. “Izy io no manodidina ny tanin’i Kosy manontolo.” (Ge 2:10, 13) Tsy fantatra izay tena nisy azy io. Raha jerena ny sarintany, dia tsy ho i Etiopia mihitsy ilay “tanin’i Kosy” voalaza eo, na dia nantsoin’ny Baiboly imbetsaka hoe “Kosy” aza i Etiopia tatỳ aoriana. Mety ho ilay tany nonenan’i Kosy izy io, talohan’ny niparitahan’ny olona rehefa nisafotofoto ny fiteny tao Babela. (Ge 11:9) Misy milaza fa ny Reniranon’i Araxe (Araks ankehitriny) ihany no Gihona. Any amin’ny tendrombohitra any avaratrandrefan’ny Farihin’i Van no miandoha i Araks ary mivarina any amin’ny Ranomasina Caspienne. Misy indray mpanao diksionera milaza fa ny tanin’ireo Kasita (kasso amin’ny fiteny akadianina) ilay “tanin’i Kosy” resahin’ny Genesisy 2:13. Miresaka momba an’ireo mponina tany amin’ny lembalemban’i Azia Afovoany ireo ny soratra miendri-pantsika fahiny, nefa tsy tena fantatra ny tantaran’izy ireo. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 429; Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy; nataon’i Brown, Driver, ary Briggs, 1980, p. 469) Tsara homarihina koa fa nantsoina hoe Kosi na Koshim ny Arabo sasany nonina tao amin’ny Saikinosin’i Arabia, araka ny Habakoka 3:7. Natao nifanitsy i Kosana sy Midianina ao, ka na izy ireo toerana iray ihany, na tany nifanakaiky. Maro ny soso-kevitra azo aroso, nefa tsy misy azo antoka izy ireny satria efa niova be ny vohon-tany vokatr’ilay Safodrano naneran-tany.​—Jereo KOSY No. 2.

2. Loharano iray antsoina ankehitriny hoe Ha Gihona, izay mipoitra avy ao amin’ny lava-bato voajanahary eo atsinanana kelin’ny sisiny avaratra indrindra amin’ilay nantsoina taloha hoe “Tanànan’i Davida”, any Jerosalema. (2Ta 32:30) Izy io fahiny no tena namatsy rano an’ilay tanàna satria tsy nisy afa-tsy loharano roa teny akaiky teny. Mety tsara ilay anarana hoe Gihona satria ‘mifantsitsitra’ inefatra na indimy isan’andro ny ranony rehefa avy ny orana amin’ny ririnina, fa vitsivitsy kokoa noho izany kosa rehefa main-tany.

Voalaza fa io loharanon’i Gihona io no nahafahan’ny Jeneraly Joaba niditra tao amin’ny tanàna voaro mafin’ny Jebosita tao Jerosalema. Babon’i Davida àry ilay tanàna izay toa tsy ho azon’ny fahavalo mihitsy. (1Ta 11:6) Na dia sarotra adika aza ny teny hebreo ao amin’ny 2 Samoela 5:8, dia asehon’ny fandikan-teny maro fa nisy “tionelin-drano” tao amin’ilay tanàna, tamin’i Davida nampirisika ny hanafihana azy io. Hitan’i Charles Warren tamin’ny 1867 ny tionelin-drano iray niainga avy teo amin’ny lava-bato nisy ny loharanon’i Gihona, ary tonga tany amin’ny dobo iray tokony ho 20 m niala teo. Hita eo ambonin’io dobo io ny lavaka lalina iray, 11 m miakatra ao anaty vatolampy. Misy toerana azo ijoroana eo tampon’io lavaka io, ka eo ny mpantsaka no mandatsaka ny tady misy siny mba hakana rano ao amin’ilay dobo erỳ ambany. Misy lalana misolampy anaty tionelina miainga avy eo an-tampon’ilay lavadrano mankao afovoan-tanàna. Efa ho 39 m ny halavan’io tionelina io. Heverina fa nataon’ny Jebosita izany mba hahazoana rano foana rehefa tsy afaka nivoaka ny tanàna izy ireo noho ny fanafihan’ny fahavalo. Voalaza fa avy tao amin’io tionelin-drano io i Joaba sy ny miaramilany no niditra tao an-tanàna, na dia tsy voatonona mivantana ao amin’ilay fitantarana aza ny loharanon’i Gihona.

Tatỳ aoriana, dia tany Gihona i Solomona no nohosorana ho mpanjaka, araka ny baikon’i Davida. Faly sy nihorakoraka ireo olona nanaraka an’i Solomona nankany an-tanàna. Tsy nahita izany i Adonia (izay sahisahy ratsy ka efa nihevi-tena ho mpanjaka) sy ireo nasainy tamin’ny fanasambe tao En-rogela, nefa tsy maintsy ho nandre izany izy ireo satria 700 m eo ho eo monja ny elanelan’ny loharanon’i En-rogela sy Gihona.​—1Mp 1:9, 10, 33-41.

Nahita lakandrano tranainy tsy misarona koa ny mpikaroka. Miainga avy eo amin’ny loharanon’i Gihona izy io, dia mianatsimo manaraka ny tehezan’ilay havoana misy ny “Tanànan’i Davida”, ary tonga eo amin’ny dobo iray eo am-pototr’io havoana io, eo amin’ny farany atsimo izay nisy ilay tanàna taloha, izany hoe eo amin’izay ihaonan’ny Lohasahan’i Tyropoeona sy ny Lohasahan’i Kidrona. Natao zara raha nisolampy ilay lakandrano ka nikoriana moramora ny rano teo aminy. Angamba io ilay lakandrano noresahin’ny faminanian’i Isaia tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka (761-746 T.K.). Ny ‘rano nisononòka’ avy amin’izy io dia nampifanoherina tamin’ny tondra-drano mahery fiavy, izany hoe ny Asyrianina izay efa nolazain’i Isaia fa hanafika an’i Joda, amin’ny farany.​—Is 8:5-8.

Dobon’i Siloama misy rano avy any amin’ny Loharanon’i Gihona

Rehefa hitan’i Hezekia Mpanjaka (732 T.K.) hoe tena hanafika ny Asyrianina, dia nataony izay tsy hahazoan’ny fahavalo mihitsy ny ranon’i Jerosalema. (2Ta 32:2-4) Notampenany ny ranon’i Gihona tamin’ny fotoana hafa iray, ka naviliny nankany andrefan’ny “Tanànan’i Davida”, tao anatin’ny mandan’i Jerosalema ihany. (2Ta 32:30) Nahalalana ny fomba nanaovany izany ilay soratra voasokitra teo amin’ny rindrin’ilay tionelin-drano izay tonga hatreo amin’ny Dobon’i Siloama, eo amin’ny ilany andrefana amin’ny “Tanànan’i Davida” taloha. Hita tamin’ny taona 1880 io soratra hebreo tranainy io. Nosoratana tamin’ny taonjato fahavalo T.K. izy io, ary milaza fa nisy antokon’olona roa nandavaka an’ilay tionelina tao anaty vatolampy avy teo amin’ny andaniny roa, ka natao izay hifanenan’izy ireo. Tamin’ny 1910, dia afaka daholo izay nanentsina an’ilay tionelina ka hita fa 533 m ny halavany, manodidina ny 1,8 m ny haavony, ary antsasa-metatra monja indraindray ny sakany. Io zava-bita niavaka io dia vokatry ny fiezahan’i Hezekia hiaro ny ranon’i Gihona sy hampisy rano foana tao Jerosalema.

SARITANY: Gihona, Nandritra ny fanjakan’i Davida sy Solomona

Nanitatra ny mandan’i Jerosalema i Manase Mpanjaka, zanak’i Hezekia, nandritra ny fanjakany (716-662 T.K.) Nanorina manda ivelany ho an’ny “Tanànan’i Davida izy, nanomboka teo andrefan’i Gihona.” Tsy tao anatin’ilay manda àry ny loharanon’i Gihona.​—2Ta 32:33; 33:14.

Hatramin’izao ny ranon’i Gihona dia mbola mikoriana ao amin’ny “Tionelin’i Siloama”, izay voalaza fa nataon’i Hezekia.