Gilboa
(Gilbôà) [mety hidika hoe Tany Be Havoana].
Tendrombohitra voalaza efa hatramin’ny ela fa i Jebel Fokoʽah. Tandavan-kavoana miendrika volan-tsinana izy io, eo atsinanan’ny Lemak’i Jezirela ary eo andrefan’i Beti-sana. Misy hantsana maro eny an-tsefatsefany eny, ka voazarazara ho lembalemba maromaro io tandavan-kavoana vatosokay io. Vato mangadihady ny ankamaroan’izy io, ary misy hantsana eo amin’ny ilany avaratra sy andrefana noho ireo vatosokay nokaohin’ny riaka. Izay faritra somary misolampy eo amin’ny ilany andrefana indray dia misy voly varimbazaha sy vary orza, sady ahitana aviavy sy oliva ary tanim-bilona. Tena avo sy mitsatoka be (tokony ho 520 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina) kosa ny ilany avaratra.
Tsara toerana i Gilboa noho izy io eo atsinanan’ny lemaka lonak’i Jezirela, eo anelanelan’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona sy ny Lohasahan’i Jordana. Ady roa, fara fahakeliny, no nitranga teo. Voalaza fa ilay loharano eo am-pototry ny tendrombohitra Gilboa no ilay “loharanon’i Haroda” nitobian’i Gideona sy ny olony. Eo amin’ny ilany avaratrandrefan’i Gilboa no misy azy io. (Mpts 7:1) Tatỳ aoriana, dia namory ny tafiny teo Gilboa i Saoly Mpanjaka, nefa resin’ny Filistinina. Maty teo ny zanany telo lahy: I Jonatana, Abinadaba, ary Malkisoa. Izy kosa namono tena.—1Sa 28:4; 31:1-4, 8; 2Sa 1:4-10, 21; 1Ta 10:1-8.