Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gileada

Gileada

(Gileàda) [mety ho avy amin’ny hoe Galeda, izay midika hoe “Antontam-bato Vavolombelona”].​—Ge 31:47, 48.

1. Zanakalahin’i Makira sady zafikelin’i Manase. Izy no razamben’ny Jezerita sy ny Helekita.​—No 26:29, 30; 27:1; Js 17:1, 3; 1Ta 2:21, 23; 7:14-17.

2. Gadita voatonona anarana ao amin’ny tetirazan’i Abihaila.​—1Ta 5:11-14.

3. Rain’i Jefta.​—Mpts 11:1, 2.

4. Miovaova ny faritra antsoina hoe Gileada ao amin’ny Baiboly. Antsoina hoe Gileada, ohatra, ny tandavan-tendrombohitra dombodombo loha eo atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, izay tonga hatrany avaratra sy atsimon’ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka. (Js 12:2) I Basana no eo avaratra; ilay lembalemba eo avaratry ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona no eo atsimony; ary ny faritanin’i Amona no eo atsinanany. (De 2:36, 37; 3:8-10) Indraindray anefa ny hoe “Gileada” na ny hoe “faritr’i Gileada” dia ilazana ny tany rehetran’ny Israelita any atsinanan’i Jordana, anisan’izany i Basana sy ilay lembalemba eo avaratr’i Arnona.​—Js 22:9; Mpts 20:1, 2; 2Sa 2:9; 2Mp 10:32, 33; jereo GALEDA.

SARITANY: Gileada

Toa noheverina ho mizara roa i Gileada. Antsoina hoe “ambiny amin’i Gileada” (De 3:13) na hoe “antsasak’i Gileada” mantsy ny faritany nomena ny antsasaky ny fokon’i Manase (Js 13:31), na dia antsoina hoe Gileada fotsiny aza izy io ao amin’ny Nomery 32:40. Antsoina hoe “antsasaky ny faritra be tendrombohitr’i Gileada” koa ny faritanin’ny fokon’i Gada sy Robena mitambatra, izay eo atsimon’ny faritra nomena ny antsasaky ny fokon’i Manase. (De 3:12) Gileada fotsiny koa anefa indraindray no iantsoana an’io faritra io, ary toy izany koa no iantsoana ny anjara tanin’i Gada (izay misy an’i Ramota, tanàna fialokalofana).​—No 32:29; Js 13:24, 25; 21:38.

Any amin’ny 210 m ambanin’ny haabon’ny ranomasina fara fahakeliny ny Lohasahan’i Jordana, ary 1000 m mahery miainga avy eo ny haavon’i Gileada. Rakotra ala fahiny iny faritra lonaka iny noho ny oram-be amin’ny ririnina, sy ny ando amin’ny vanin-taona mafana, ary ireo loharano maro any. Nampahalaza an’i Gileada koa ny balsama fanao fanafody. (Je 8:22; 46:11; jereo BALSAMA, BALSAMA AVY ANY GILEADA.) Mety tsara amin’ny fiompiana sy amin’ny fambolena varimbazaha isan-karazany iny lembalemba mitomandavana iny. Vokatra be koa ny voaloboka any.​—No 21:22; 32:1.

Zava-nitranga tany Gileada. Talohan’ny hidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia i Sihona mpanjakan’ny Amorita no nifehy ny faritr’i Gileada izay teo atsimon’ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka, fa i Oga mpanjakan’i Basana kosa no nifehy ny ilany avaratra. (Js 12:1-4) Nandresy an’ireo mpanjaka roa ireo ny Israelita teo ambany fitarihan’i Mosesy. Nangataka an’iny faritra iny ho lovany ny fokon’i Gada sy Robena taorian’izay, satria nanana biby fiompy maro be. (No 21:21-24, 33-35; 32:1-5) Nomena ho lovany izany raha nanaiky hiampita an’i Jordana ny lehilahy mpiady avy tamin’ireo foko ireo, mba hanampy hanafika ny Tany Nampanantenaina. (No 32:20-24, 28-30) Nanaiky izy ireo, ka naoriny haingana ireo tanàna rava mba honenan’ireo fianakaviany hijanona eo. (No 32:25-27, 31-38) Tany atsinanan’i Jordana koa no nisy ny lovan’ny antsasaky ny fokon’i Manase.​—No 32:33, 39, 40.

Teny an-dalana hody tany amin’ny anjara lovany tany Gileada, dia nanorina alitara ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase mba ho fahatsiarovana ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah. (Js 22:9, 10, 26-29) Niaraka tamin’ny foko hafa koa izy ireo, tatỳ aoriana, mba hiady tamin’ireo Benjamita niaro an’ireo mpanao ratsy tao Gibea. (Mpts 20:1-48) Tsy mba niaraka tamin’i Baraka kosa i “Gileada” tamin’ny ady natao tamin’i Sisera. (Mpts 5:17) Rehefa nanenjika ny Midianita koa i Gideona sy ny olony, dia tsy nety hanome sakafo azy ireo ny lehilahy tao Sokota sy Penoela, tanàna roa tany Gileada.​—Mpts 8:4-9.

Nanompo sampy indray ny Israely, rehefa maty i Jaira Mpitsara avy any Gileada, ka nampahory azy ireo ny Amonita nandritra ny 18 taona. Niala tamin’ny fivavahan-diso àry ny tao Gileada vokatr’izany, ary niangavy an’i Jefta Gileadita mba ho mpitari-tafika hiady tamin’ny Amonita. Resin’izy ireo tokoa ny Amonita.​—Mpts 10:3, 5-10; 11:4-11, 32, 33.

Mbola nampijalin’ny Amonita foana ny tao Gileada, taona maro tatỳ aoriana. (Am 1:13) Nanao fahirano an’i Jabesi-gileada i Nahasy Amonita, taoriana kelin’ny nanosorana an’i Saoly ho mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely. Nilaza i Nahasy fa tsy hanao fifanekena tamin’ny mponina tao izy raha tsy nopotsirina daholo ny mason’izy ireo ankavanana. Namory miaramila 330 000 i Saoly rehefa nandre izany, ary resin’izy ireo ny Amonita. (1Sa 11:1-11) Toa nilamina ny tany Gileada avy eo, na dia taorian’ny nahafatesan’i Saoly aza, satria tany Mahanaima, tany Gileada, no nataon’i Abnera ho mpanjaka i Isboseta zanak’i Saoly. (2Sa 2:8, 9) Niverina niady indray anefa ny Amonita, tamin’ny andro nanjakan’i Davida. Tany Gileada sy ny manodidina no nitranga ireny ady ireny, ary resy tanteraka ny taranak’i Amona tamin’ny farany.​—2Sa 10:6-19; 11:1; 12:26-31.

Nikomy i Absaloma tatỳ aoriana, ka nandositra tany Gileada i Davida Mpanjaka. Rehefa tany Mahanaima izy, dia nandray tsara azy ny olona tao, indrindra fa i Barzilay Gileadita, izay efa antitra be. (2Sa 17:27-29; 19:32) Azo inoana fa tany Gileada no niady ny tafik’i Davida sy ny an’i Absaloma. Resy tanteraka ry Absaloma ka afaka niala tany Gileada i Davida ary niverina tamin’ny fitondrana.​—2Sa 17:24; 18:6-8.

Rehefa nanana ny fanjakany manokana ny foko folo (997 T.K.), dia naka faritany tany Gileada ny Syrianina. Azony, ohatra, i Ramota-gileada tamin’ny andron’i Ahaba Mpanjaka sy Elia mpaminany gileadita. An’ny fokon’i Gada anefa i Ramota-gileada, sady tanàna fialokalofana tany amin’ny faritra atsinanan’i Gileada. (1Mp 17:1; 22:3) Mbola naka faritany hafa tany Gileada ny Syrianina ka nanosihosy azy io i Hazaela mpanjakan’i Syria sy Beni-hadada III zanany lahy, tamin’ny andro nanjakan’i Jeho sy Joahaza zanany lahy. (2Mp 10:32-34; 13:1, 3, 7; Am 1:3, 4) Nandresy an’ireo Syrianina intelo anefa i Joasy, zanak’i Joahaza ka azony indray ireo tanànan’ny Israely nalain’ny Syrianina tamin’ny andro nanjakan’ny rainy.​—2Mp 13:25.

Nanao sesitany an’ireo mponin’i Gileada i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria tamin’ny farany, tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely (t. 778-759 T.K.). (2Mp 15:29) Toa tonga dia nanararaotra izany ny Amonita ka niverina nonina tany amin’ny faritanin’i Gileada. (Sl 83:4-8; Je 49:1-5) Naniraka ny mpaminaniny anefa i Jehovah hanome toky fa hiverina amin’ny Israelita ihany io faritany io any aoriana any.​—Je 50:19; Mi 7:14; Za 10:10.

5. ‘Tanàna’ nolazain’i Hosea fa nanao ny tsy marina, mpandatsa-dra, ary mpanao ratsy. (Ho 6:8; ampit. 12:11.) Tsy misy andinin-teny hafa miresaka azy io mba hahalalana hoe iza marina io tanàna io. Misy àry mihevitra azy io ho i Jabesi-gileada na i Ramota-gileada. Misy kosa milaza fa mety ho ilay faritra rehetra tany atsinanan’i Jordana izy io.