Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gimela

Gimela

[ג] (gimèla).

Litera fahatelo amin’ny abidy hebreo. Ankoatra ny yôhd [י], dia io no feo malefaka indrindra raha mipaka amin’ny lanilany ny loha lela. Mifanitsy amin’ny “g” izy io rehefa misy teboka ao anatiny (dagesa lene). Malefaka kokoa izy io, ary tononina any an-tenda kokoa rehefa tsy misy teboka. (Jereo HEBREO, II.) Samy manomboka amin’izy io ny teny voalohany amin’ireo andininy valo ao amin’ny Salamo 119:17-24, amin’ny teny hebreo.