Gisandrano
[Heb.: kaʼat].
Natao hoe “gisandrano” ny hoe kaʼat (heb.) ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina. Anisan’ny vorona ‘maloto’ izy io, hoy ny Lalàn’i Mosesy.—Le 11:13, 18; De 14:11, 12, 17.
Anisan’ny voro-manidina lehibe indrindra ny gisandrano. Mety ho 1,5 m mahery ny lavany, ary 2,5 m na mahery ny elany raha mivelatra. Mavo sy lava mifaingoka ny vavany, ary zara raha tazana ilay kitapo be eo ambany vavany rehefa tsy misy na inona na inona. Mikaviavia ny famindrany. Misosa tsara kosa ny fanidiny ary matanjaka ny elany, ka misy aza manjono any amin’ny 100 km miala ny akaniny. Tena mahay manjono izy, ary mailaka be rehefa any anaty rano satria toy ny an’ny ganagana ny tongony.
Manidina mankany amin’ny toerana mitokana ny gisandrano matetika rehefa voky. Ampidininy ho eo amin’ny sorony ny lohany ary tsy mihetsika mihitsy izy, ka toy ny vato fotsy rehefa tazanin-davitra. Ora maro no anaovany an’io paozy mampahonena io. Mety tsara àry raha nilaza toy izao ny mpanao salamo, rehefa ory dia ory izy ka tsy nahavita na inona na inona: “Tahaka ny gisandrano any an-tany efitra aho.” (Sl 102:6) Mety ho toerana lavitra tanàna fotsiny, angamba heniheny, ilay hoe ‘tany efitra’ eo. Misy fotoana mbola ahitana gisandrano any amin’ireo heniheny any amin’ny faritra avaratry ny Lohasahan’i Jordana. Ny gisandrano fotsy (Pelecanus onocrotalus) no tena fahita any Israely. Hita any koa anefa indraindray ny gisandrano misy sanga (Pelecanus crispus) sy ny gisandrano mavokely ny lamosiny (Pelecanus rufescens).
Tena tian’ny gisandrano ny tany ngazana, satria tsy helingelenin’ny olona izy any. Manao akany sy mikotrika ary miala sasatra any izy rehefa mahazo Is 34:11) Honina eny amin’ny tendron’ny andry nirodana ao Ninive koa ny gisandrano, hoy i Zefania. Ho rava tanteraka sy ho aolo mantsy ilay tanàna.—Ze 2:13, 14.
trondro. Ilazana toerana aolo ny hoe gisandrano ao amin’ny Baiboly, noho izy tia toerana mitokana sy ngazana. Naminany, ohatra, i Isaia fa hitoetra any Edoma izy io. Midika izany fa ho lao ilay tany. (