Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Goaika

Goaika

[Heb.: ʽôrev; gr.: kôraks].

Vorona voalohany resahin’ny Baiboly. (Ge 8:7) Lehibe izy io satria 60 sm eo ho eo ny lavany, ary mety ho 1 m mahery ny elany raha mivelatra. Mainty mangilohilo (To 5:11) somary manga sy volomparasy mamiratra ny volony, ary misy maitso kely ny kibony indraindray. Haniny daholo na voanjo, voankazo, voamadinika, na biby mpikiky, biby mandady, trondro na zana-borona. Hazainy koa ny biby madinika mbola kely sy osa. Fatim-biby anefa no tena sakafony, ka ny maso sy ny faritra malemilemy amin’ilay biby aloha no haniny vao rovitiny amin’ny vavany ny kibon’izy io. (Oh 30:17) Matanjaka ny elany ka akopany mafy tsy an-kijanona, na misonenika manidina manao faribolana lehibe izy sady mijery ambany mitady remby. Mikaroka remby foana izy ka lasa lavitra mihitsy.

Anisan’ny vorona mahay mivelona amin’izay hitany sy mahay mitady hevitra indrindra ny goaika, hoy ny mpandinika ny zavaboary. Matanjaka koa ny elany, ary haniny daholo na fatim-biby aza, ka mety tsara raha goaika no nalefan’i Noa voalohany tany ivelan’ny sambofiara rehefa nihena ny ranon’ny Safodrano. Nijanona tany ivelany tany izy io avy eo, fa niala sasatra fotsiny no nataony tao amin’ilay sambofiara.​—Ge 8:5-7.

Nolazain’ny Lalàna hoe maloto ny goaika (Le 11:13, 15; De 14:12, 14), dia ny ‘karazany rehetra’ mihitsy, anisan’izany ny goaika kely, goaika mivolondavenona, ary goaika mena vava, izay samy hita any Palestina.

Monina any an-tany efitra ny goaika, matetika eny amin’ny faritra be tendrombohitra sy tany ngazana. Anisan’ny zavaboary nonina tao Edoma efa rava sy foana izy io, tao amin’ny fahitan’i Isaia. (Is 34:11) Fanaony koa ny mitahiry ambin-tsakafo ao an-tsefatsefa-bato na ny manitrika izany ao ambany ravinkazo. Mety tsara àry raha goaika no nampiasain’Andriamanitra hitondra mofo sy hena indroa isan’andro ho an’i Elia mpaminany, izay niafina tany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kerita.​—1Mp 17:2-6.

Eny amin’ny harambato na tendron-tany be vato na hazo avo be ny akanin’ny goaika. Iray ihany ny vadiny, ary voakarakarany tsara ny zanany. I Jehovah Andriamanitra anefa no tena mamelona ny zavaboariny rehetra. Hoy mantsy izy tamin’i Joba: “Iza no manomana ny sakafon’ny goaika, rehefa miantso vonjy amin’Andriamanitra ny zanany kely, ka mirenireny fa tsy manan-kohanina?” (Jb 38:41) Avy amin’ny Mpamorona koa, hoy ny mpanao salamo, ny sakafo entin’ny goaika ho an’ny zanany mikiakiaka rehefa noana. (Sl 147:7-9) Nilaza koa i Jesosy fa karakarain’ny Mpamorona ny goaika sy ny vorona hafa, koa mainka fa ny olona manompo Azy.​—Lk 12:24; ampit. Sl 104:27, 28; Mt 6:26.

Fambara loza sy fahafatesana ny goaika tamin’ny firenena mpanompo sampy fahiny, noho izy io lehibe sy mainty be ary mitoreo. Fambara ny hoavy kosa izy io tamin’ny Grika, angamba satria fetsy sy mailo ary matetika sahisahy ratsy. Masina tamin’i Apollon andriamanitra sy tamin’ny antoko-mpisorona (nitafy lamba mainty ny sasany) mpanambara ny hoavy, hono, izy io.

Oreba, midika hoe “Goaika”, no anaran’ny andrianan’ny Midianina iray tamin’ny andron’i Gideona Mpitsara.​—Mpts 7:25.