Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Godgoda

Godgoda

(Godgòda).

Toerana iray nitobian’ny Israelita tany an-tany efitra. Toa i Godgoda ihany no Hora-hagidgada. (De 10:6, 7; ampit. No 33:33.) Mino ny olona sasany fa mbola hita ao amin’ny anaran’ilay Lohasaha Falehan-driaka Khadakhid ny hoe Godgoda. Mihevitra àry izy ireo fa mety ho tao amin’ny Lohasahan’i Khadakhid no nisy an’i Godgoda, any amin’ny 65 km eo ho eo any avaratra avaratrandrefan’ny Hoalan’i ʽAkaba. Tsy azo antoka anefa izany satria tsy tena mifanitsy ny renisoratra hebreo ao amin’ny Godgoda sy ao amin’ny Khadakhid. Jereo BENE-JAKANA fa hazavaina ao hoe nahoana no mifamadika ny fitanisan’ny Nomery sy Deoteronomia an’ireo toerana nitobian’ny Israelita.