Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Goga

Goga

(Gôga).

Tsy tena fantatra ny hevitr’ilay anarana.

1. Taranak’i Robena.​—1Ta 5:3, 4.

2. Anaran’ilay mpitarika an’ireo firenena maro be hanafika ny vahoakan’Andriamanitra, resahin’ny Ezekiela toko faha-3839. Ho toy ny fiavian’ny oram-baratra ny fanafihan’izy ireo. Hanafika izy ireo rehefa avy nangonin’i Jehovah avy tamin’ny firenena maro ny vahoakany, ka naveriny teo amin’ny “tendrombohitr’i Israely” izay efa rava teo aloha. Monina tsy amin’ahiahy ilay vahoaka ary miadana sy manankarena, nefa toa tsy misy fiarovana. Hikendry ny hanafika sy handripaka azy ireo àry i Goga. Hanangona tafika avy amin’ny firenena maro izy. Ho tezitra mafy anefa i Jehovah ka handresy sy handripaka an’i Goga sy ny tafiny manontolo. Ho sakafon’ny vorona sy ny bibidia ny fatin’izy ireo, ary ny taolany halevina ao amin’ilay lohasaha hantsoina hoe Lohasahan’ny Vahoakan’i Goga (a.b.t.: Lohasahan’i Hamona-goga).

Ny fiavian’ireo mpanafika sy ny tanjony. Avy any amin’ny faritra lavitra an’i Israely izy ireo. “Avy any amin’ny tany Magoga” izay “any amin’ny farany avaratra” i Goga. (Ezk 38:2, 15) Izy no “lehiben’ny mpiadidy [“mpanapaka ambony”, Kat.; ‘andriandahy lehibe’, JM; ‘filoha faratampony’, DIEM] ao Meseka sy Tobala.” (Ezk 38:2, 3) Misy kosa Baiboly manao hoe “mpanjakan’i Rosy sy Meseka ary Tobala” (Prot.). Tany na firenena àry ny hoe “Rosy” [heb.: “lehibe”]. Tsy miresaka an’izany firenena na tany izany mihitsy anefa ny Baiboly. Anaran’ny zanakalahin’i Jafeta kosa ny hoe Meseka sy Tobala ary Magoga (Ge 10:2), ary nisy tany telo mitovy anarana amin’izy ireo tany avaratr’i Israely. (Jereo MAGOGA No. 2; MESEKA No. 1; TOBALA.) Anisan’ireo firenena mpanafika (taranak’i Jafeta) avy any avaratra koa i Gomera (razamben’ny Simerianina angamba) sy Togarma (razamben’ny Armenianina angamba). Avy any avaratratsinanana kosa i Persa (taranak’i Jafeta). Avy any atsimo kosa ny taranak’i Hama, dia i Etiopia sy Pota any Afrika. (Ezk 38:4-6, 15) Hitarika tafika lehibe àry i Goga, izay te hamotika tanteraka ny vahoakan’i Jehovah.

Voalaza fa “monina eo afovoan’ny tany” ny Israely. (Ezk 38:12) Afovoany tokoa i Israely fahiny raha oharina amin’i Eoropa sy Azia ary Afrika. Izy koa no foiben’ny fivavahana madio tamin’ilay tena Andriamanitra ka “toy ny anakandriamasony.”​—De 32:9, 10; Za 2:8.

Milaza i Jehovah fa ‘hasiany faraingo ny valanoranon’i Goga’, ka hotarihiny hanafika izy. (Ezk 38:4; ampit. 2Mp 19:20, 21, 28.) Asehon’ilay faminaniana anefa fa efa fikasana nitsiry tao am-pon’i Goga ilay teti-dratsy. (Ezk 38:10, 11) Ho halan’i Goga ny vahoakan’Andriamanitra noho izy io haverin’i Jehovah amin’ny taniny sy hataony miadana. Fandringanana anefa no miandry an’i Goga sy ireo rehetra miaraka aminy. Handresy sy handripaka azy ireo mantsy i Jehovah. Hampiseho ny fahalehibeazany sy hanamasina ny anarany eo anatrehan’ny rehetra Izy amin’izay.​—Ezk 38:12-23; 39:5-13, 21, 22; ampit. Jl 3:9-17.

Fanazavana momba an’i Goga. Resahin’ny Baiboly sy ny tantara ireo tany sy firenena lazain’ilay faminaniana fa hiaraka amin’i Goga. Tsy hita ao amin’ny tantara mihitsy anefa hoe mpanjaka iza no mifanitsy amin’i Goga. Maro no milaza hoe i Gygès, mpanjakan’i Lydia tany amin’ny faritra andrefan’i Azia Minora, izy io. Goggo no iantsoana an’i Gygès ao amin’ny soratra nataon’i Asorobanipala mpanjaka asyrianina. (Tantara Fahiny Momba An’i Asyria sy Babylonia, nataon’i D. Luckenbill, 1927, Boky II, p. 297, 351, 352) Efa maty am-polony taona talohan’ilay faminanian’i Ezekiela anefa i Gygès, ka tsy mitombina ny hoe izy no Goga. Milaza koa ilay faminaniana fa “any am-parany” i Goga no hanafika, “rehefa hifarana ny taona maro.” (Ezk 38:8, 16; ampit. Is 2:2; Je 30:24; 2Ti 3:1.) Manana heviny an’ohatra àry ny hoe Goga, fa tsy anarana mpanjaka na filoha olombelona.

Asehon’ny porofo fa ho tanteraka amin’ny “fotoanan’ny farany” ilay faminaniana. (Da 11:35; 12:9; ampit. Ap 12:12.) Miaiky ny manam-pahaizana momba ny Baiboly sy ny mpivaofy teny fa ho tanteraka io faminaniana io rehefa tonga ny Fanjakan’ny Mesia. Milaza toy izao, ohatra, Ny Rakipahalalana Ara-pivavahana Vaovaon’i Schaff sy Herzog: “Toa i Goga no mitarika an’ireo fanjakana eto an-tany hanafika farany ny fanjakan’Andriamanitra.” (Nataon’i S. Jackson, 1956, Boky Faha-5, p. 14) Tsy notafihina toy izany mihitsy ny firenen’Israely. Ny Israely ara-panahy na ny fiangonana kristianina (Ro 2:28, 29; Ga 6:16) àry ilay hotafihina amin’ny “fotoanan’ny farany.” Nilaza ny apostoly Paoly fa zanak’ilay “Jerosalema any ambony” sy tarihiny izy io. (Ga 4:26) Manampy antsika izany rehetra izany hamantatra hoe iza i Goga.

Asehon’ny fahitana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy koa fa hitombo ny fanenjehan’ilay dragona an’ohatra na Satana Devoly ny fiangonana kristianina. Hitranga izany rehefa avy noroahina avy tany an-danitra izy sy ireo demoniany ka nazera tetỳ an-tany. I Kristy Jesosy no nandroaka azy ireo, raha vao nanjaka kelikely izy. (Ap 12:5-10, 13-17) Hiangona hiady amin’Andriamanitra sy ny Zanany ary ny mpanompony tsy mivadika ireo firenena fahavalo, nefa ho resy sy ho ringana tanteraka. (Ap 16:13-16; 17:12-14; 19:11-21) Milaza koa ny Apokalypsy fa ho vokin’ny fatin’ny fahavalon’ny Fanjakan’i Kristy ny vorona.​—Ampitahao ny Ezk 39:4, 17-20 sy ny Ap 19:21.

Resahin’ilay faminanian’i Ezekiela momba an’i Goga fa hiharan’ny fanafihana mahatsiravina ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany. Firenena maromaro mitambatra i Goga, nefa i Satana Devoly no atidoha mikotrika an’ilay fanafihana sy hitarika izany. Amin’izy ireo manafika iny indrindra anefa Andriamanitra no hampiasa ny heriny lehibe mba handripahana ny tafik’i Satana.​—Ezk 38:18-22.

Fandevenana ny vahoakan’i Goga. “Ao amin’ilay lohasahan’ny mpandalo, any atsinanan’ny ranomasina” no handevenana an’i “Goga sy ny vahoakany rehetra.” (Ezk 39:11) Ny Fandikan-teny Amerikanina kosa manao hoe “lohasahan’i Abarima, atsinanan’ny Ranomasina Maty.” Ireo tendrombohitra eo atsinanan’ny Ranomasina Maty no antsoin’ny Nomery 33:47, 48 hoe Abarima. (Jereo ABARIMA.) Misy lohasaha na hadilanana lalina roa ao amin’io faritra io, dia i Arnona sy Zareda. Mirefy 3 km eo ho eo ny tampon’i Arnona, ary 520 m eo ho eo ny halaliny. Lalina kokoa i Zareda satria mirefy 1190 m eo ho eo. Toa samy mety ho ilay toeram-pandevenana ireo lohasaha ireo, satria i Arnona no eo atsinanan’ilay ranomasina, fa i Zareda eo atsimoatsinanany kosa no be mpandalo kokoa. Mety tsy ho lohasaha ara-bakiteny koa anefa ilay izy, satria manana heviny an’ohatra ilay fandevenana eo akaikin’ny Ranomasina Maty. Manana heviny an’ohatra koa ilay voalazan’ny Apokalypsy hoe hatsipy ao amin’ny farihy afo ireo mpanohitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana.​—Ap 19:20; 20:1-3.

I Goga resahin’ny Apokalypsy ihany ve ilay resahin’i Ezekiela?

3. Miresaka momba an’i “Goga sy Magoga” koa ny Apokalypsy 20:8. I “Goga sy Magoga” dia “ireo firenena any amin’ny vazan-tany efatra” izay hanaiky hofitahin’i Satana, rehefa avy novahana avy tao amin’ny “lavaka mangitsokitsoka” izy. Efa ho nofoanan’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy ireo fanjakana sy firenena samy hafa eto an-tany. (Da 2:44; 7:13, 14) Ireo olona hikomy amin’io Fanjakana io àry ireo “firenena” ireo. Hiroso ‘hamakivaky ny sakan’ny tany’ izy ireo, mba hanodidina “ny tobin’ny olona masina sy ilay tanàna malala”, rehefa mifarana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy Jesosy.​—Ap 20:2, 3, 7-9.

Azo inoana fa hisy itovizany io fanafihana aorian’ilay Fanjakana Arivo Taona io sy ilay fanafihana aloha kokoa, matoa ireo firenena ireo antsoina hoe “Goga sy Magoga.” Samy milaza ny Ezekiela sy Apokalypsy fa maro be ireo mpanafika (lazain’ny Apokalypsy hoe “tahaka ny fasika any an-dranomasina” na tsy tambo isaina), ary miray tetika izy ireo hanafika ny vahoakan’Andriamanitra miadana sy mandry feizay. Mety tsara àry raha antsoina hoe “Goga sy Magoga” ireo voatarika hikomy aorian’ny Fanjakana Arivo Taona. Haringana tanteraka izy ireo avy eo.​—Ap 20:8-10, 14.