Golana
(Gôlàna).
Tanànan’i Basana tao amin’ny faritanin’i Manase, ary voafidy ho tanàna fialokalofana. (De 4:41-43; Js 20:2, 8) Nomena ny Levita Gersonita izy io mba honenany. (Js 21:27; 1Ta 6:71) Maro ny manam-pahaizana milaza azy io ho i Sahm el Jolana, tokotokony ho 28 km any atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Antsoina hoe Golana koa ankehitriny ny faritra iray nantsoina hoe Golanitida fahiny, any akaikikaikin’ny Ranomasin’i Galilia.