Golgota
(Golgòta) [Ikarandoha].
Toerana tany ivelan’i Jerosalema, fa tsy lavitra azy io. Tany i Jesosy Kristy no nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana. (Mt 27:33; Jn 19:17-22; He 13:12) Nisy lalana sy fasana anaty zaridaina teo akaiky teo. (Mt 27:39; Jn 19:41) Antsoina koa hoe “Kalvery” (Lk 23:33, Kat.), avy amin’ny teny latinina hoe calvaria (karandoha) i “Golgota” na “Ikarandoha.” Tsy milaza ny Baiboly hoe teo ambony havoana i Golgota, kanefa tantarainy fa nisy olona nitazan-davitra an’ilay famantsihana an’i Jesosy.—Mr 15:40; Lk 23:49.
Eo amin’ilay toerana lazain’ny lovantsofina fa nisy an’i Golgota sy nisy ny fasan’i Jesosy izao no misy an’ilay antsoina hoe Eglizin’ny Fasana Masina. Tamin’ny taonjato fahefatra mantsy, dia nasain’i Constantin Mpanjaka nokarohin’ny Eveka Macaire ny toerana namantsihana an’i Jesosy sy ny fasany. Nilaza i Macaire fa teo amin’ny toerana nanorenan’i Hadrien ny tempolin’i Afrodita (Vénus) no nisy azy io. Nasain’i Constantin narodana àry ilay tempoly ary nasainy naorina teo ny eglizy iray, izay nohalehibeazina sy namboarina tatỳ aoriana ka lasa nantsoina hoe Eglizin’ny Fasana Masina. Hita tamin’ireo fikarohana natomboka tamin’ny 1960 fa toeram-pandevenana io faritra io, ka heverina fa efa toy izany izy io tamin’ny taonjato voalohany. Ao anatin’ny mandan’i Jerosalema ankehitriny no misy azy io, nefa voalaza fa tany ivelan’ny manda izy io tamin’ny andron’i Jesosy.
Misy kosa milaza fa teo amin’ny havoana kely iray 230 m eo avaratratsinanan’ny Vavahadin’i Damaskosy no namantsihana an’i Jesosy. Antsoina hoe Kalvarian’i Gordon io toerana io ankehitriny. Tamin’ny 1842 no naroso ilay hevitra hoe io no tena toerana nisy an’i Golgota sy ny fasan’i Jesosy, fa Jaona 19:41 anefa fa “fasana vaovao mbola tsy nandevenana mihitsy” ilay nametrahana an’i Jesosy.—Ny Arkeolojia sy ny Baiboly, Martsa/Aprily 1986, p. 50.
tamin’ny 1883 vao nanambara izany tamin’ny besinimaro i C. Gordon, Jeneraly mahery fo tao amin’ny tafika britanika. Tsy misy porofo tena azo antoka anefa manohana io hevitra io. Matetika no lazaina amin’ny mpizaha tany fa tao amin’ilay Fasana Anaty Zaridaina izay tsy lavitra eo, no nandevenana an’i Jesosy. Nilaza anefa i Gabriel Barkay fa toeram-pandevenana nolavahana sy nampiasaina tamin’ny taonjato fahavalo na fahafito T.K. tany ho any izy io, raha jerena ireo zavatra nofongarina tao. Lazain’nyMampiady hevitra an’ireo mpivavaka ny resaka momba an’i Golgota. Tsy misy zavatra nofongarina afaka manaporofo mantsy hoe ilay Kalvarian’i Gordon izy io. Raha ny amin’ilay toerana misy ny Eglizin’ny Fasana Masina indray, dia lovantsofina tamin’ny taonjato fahefatra no tena iorenany, na dia misy ihany aza zavatra nofongarina azo atao porofo. Hoy ny boky iray momba azy io: “Tsy afaka milaza isika hoe ny Eglizin’ny Fasana Masina no tena toerana nandevenana an’i Jesosy. Tsy mahita toeran-kafa marim-pototra kokoa azo aroso anefa isika.” (Ny Arkeolojia sy ny Baiboly, Mey/Jona 1986, p. 38) Mbola iadian-kevitra àry ny tena toerana nisy an’i Gologota.