Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gomora

Gomora

(Gômôra).

Iray tamin’ireo “tanànan’ny Faritr’i Jordana”, izay toa tsy lavitra ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty. (Ge 13:12) I Sodoma sy Gomora angamba no lehibe indrindra tamin’ireo tanàna ireo. Manam-pahaizana maro no mihevitra fa tototry ny Ranomasina Maty ny sisa tavela tamin’ireo tanàna ireo. Misy kosa milaza vao haingana fa mety ho any amin’ireo lohasaha any atsinanana sy atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty ny sisa tavela tamin’izy ireo. Voalaza fa “azon-drano tsara ... tahaka ny zaridainan’i Jehovah” io faritra io, tamin’ny andron’i Abrahama. (Ge 13:10; jereo FARITR’I JORDANA.) Nipetraka tany amin’io Faritra lonaka io i Lota zana-drahalahin’i Abrahama. Tamin’izany fotoana izany no notafihin’i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama sy ny mpanjaka telo hafa niray dina taminy, i Birsa mpanjakan’i Gomora sy ny mpanjaka efatra tao amin’io Faritra io, satria nikomy tsy nanaiky hofehezina intsony. Nandositra àry izy ireo, ary latsaka tao anatin’ireo lavaka nisy godorao ny miaramila sasany. Norobain’ireo mpanjaka avy tany atsinanana i Sodoma sy Gomora, ary nentiny ho babo i Lota.​—Ge 14:1-12.

Nanjary tena mafy ny fitarainana momba ny faharatsiana tao Sodoma sy Gomora, 14 taona mahery tatỳ aoriana. Naniraka anjely àry i Jehovah mba hijery ny zava-nisy tao, ary avy eo handrava an’ireo tanàna ireo amin’ny alalan’ny afo sy solifara avy any an-danitra.​—Ge 18:20, 21; 19:24, 28.

Rava tanteraka ireo tanàna ireo, ka nanjary nampiasaina hilazana fandringanana na fandravana tanteraka. (De 29:22, 23; Is 1:9; 13:19; Je 49:18) Nampiasa teny an’ohatra i Jehovah mba hilazana hoe tena ratsy toetra ny mpitondra tao Joda sy Jerosalema ary ny mponina tao. Hoy izy tamin’izy ireo tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Henoy ny tenin’i Jehovah, ry mpitondra jadon’i Sodoma! Aoka ianareo mponin’i Gomora hanongilan-tsofina amin’ny lalàn’Andriamanitsika.”​—Is 1:1, 10; Je 23:14.

Nampitahain’i Jesosy tamin’ireo mponina ratsy toetra tao Sodoma sy Gomora ny olona tao amin’ny tanàna jiosy sasany tamin’ny taonjato voalohany. Nomeny tsiny, ohatra, ny mponina tao Kapernaomy noho izy ireo tsy nibebaka na dia nanao fahagagana maro tao aza izy. Hoy koa izy momba izay tanàna tsy nandray an’ireo mpianany sady tsy nino ny fahagagana maro nasain’Andriamanitra nataon’izy ireo: “Ho mora kokoa ny hanjo ny tanin’i Sodoma sy Gomora amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo izany tanàna izany.” (Mt 10:5-15; 11:23, 24) Azo inoana fa nampitombo fomba filaza i Jesosy teo, satria nosazina tamin’ny “afo maharitra mandrakizay”, izany hoe noravana mandrakizay, i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna teny akaikiny. Te hanasongadina fotsiny i Jesosy teo fa tsy hiova mihitsy ireny Jiosy tsy nanam-pinoana ireny, na dia ho velona mandritra ny Andro Fitsarana aza.​—Jd 7.