Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gora

Gora

(Gòra).

Anaran-toerana. “Teny an-dalana hiakatra tany Gora, any akaikin’i Ibleama” i Ahazia mpanjakan’ny Joda no novonoin’ireo nasain’i Jeho namely azy. (2Mp 9:27) Tsy fantatra ny toerana nisy an’i Gora.

Rehefa nitantara an’io zava-nitranga io ny 2 Tantara 22:8, 9, dia ny nahafatesan’i Ahazia no noresahiny fa tsy ilay nandratrana azy tany Gora. Toa mifameno anefa ireo fitantarana roa ireo, ka manampy mba hahalalana ny tsipirian’ilay tantara.​—Jereo AHAZIA No. 2.