Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gosena

Gosena

(Gôsèna).

1. Faritra tany Ejipta nipetrahan’ny Israelita nandritra ny 215 taona (1728-1513 T.K.). (Ge 45:10; 47:27) Tsy tena fantatra hoe taiza no nisy an’i Gosena. Nety ho tany amin’ny faritra atsinanan’ny Vinanin’i Neily izy io, raha vao hiditra an’i Ejipta mihitsy. Izany no nahatonga an’i Josefa nankany Gosena mba hihaona tamin-drainy (izay tonga avy tany Kanana). (Ge 46:28, 29) Milaza ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo fa akaikin’ny Lohasaha Falehan-driaka Tomilat no nisy azy io.

Nanana biby fiompy tao Gosena i Farao, ary tao koa ny Hebreo no niandry ondry sy omby. (Ge 47:1, 4-6; 50:8) Nantsoina hoe ‘faritra tsara indrindra tany Ejipta’ izy io, satria tany angamba no maitso indrindra ny kijana, ka tena nisy an’izay nilain’ireo biby nompian’ny ankohonan’i Jakoba. Mety ho i Gosena ihany no “Ramesesa.” (Ge 47:6, 11) Navahan’i Jehovah i “Gosena” ka tsy niharan’ireo loza nalefany hamely an’i Ejipta, nanomboka tamin’ny loza fahefatra.​—Ek 8:22; 9:26.

2. Tanàna teny amin’ny faritra be tendrombohitra tany Joda. (Js 15:20, 48, 51) Misy manam-pahaizana milaza fa mety ho i Edh Dhahiriya izy io, eo amin’ny 18 km eo ho eo atsimoandrefan’i Hebrona. Faritra akaikin’io tanàna io angamba ilay “Gosena” voaresaka ao amin’ny Josoa 10:41 sy 11:16. Mety ho anisan’io faritra io ilay faritra be tendrombohitra eo anelanelan’i Hebrona sy Negeba.