Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Governoram-paritra

Governoram-paritra

Lehiben’ny faritany nofehezin’ny Antenimieran-doholona Romanina.

Nofehezin’i Aogosto mpanjakan’i Roma ny faritany rehetra nilana miaramila tamin’ny taona 27 T.K., afa-tsy ny faritany folo navelany hofehezin’ny Antenimieran-doholona. Governoram-paritra no nitantana an’ireo folo ireo. Nisy sokajiny roa ny governoram-paritra: Na izy tompon’andraiki-panjakana ambony taloha ary efa tany amin’ireo faritany nisy tafika romanina tany Azia sy Afrika, na izy mpitsara taloha ary efa tany amin’ny faritany hafa nofehezin’ilay Antenimiera.

Ireto avy ny andraikiny: Nitantana ny raharaham-panjakana teo an-toerana, namoaka didim-pitsarana, ary nitandro ny filaminana. Nanana fahefana fara tampony izy, na dia afaka nanao ampamoaka azy aza ny Antenimieran-doholona. Ny mpitantana volam-panjakana kosa no nanangona ny hetra. Tsy nanao akanjo miaramila na nitondra sabatra ny governoram-paritra.

Lasa Kristianina i Sergio Paolo, governoram-paritra tao Sipra. (As 13:7, 12) I Galio kosa no governoram-paritr’i Akaia. (As 18:12) Marina ny filazan’i Lioka hoe “governoram-paritra” izy ireo, satria faritany nofehezin’ny Antenimieran-doholona i Akaia nanomboka tamin’ny taona 27 T.K. ka hatramin’ny 15 A.K. sy taorian’ny taona 44. I Sipra kosa lasa toy izany tamin’ny taona 22 T.K. Ahitana ny sarin’i Klaodio sy ny anaram-boninahiny amin’ny teny latinina ny vola madinika avy tany Sipra, ary ny ao ambadika misy soratra hoe “Fitondran’i Cominius Proclus, Governoram-paritr’i Sipra” amin’ny teny grika.