Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Grika

Grika

Anisan’ireo fiteny fampiasa tany Inde sy Eoropa fahiny. (Ny teny hebreo kosa avy amin’ny teny semitika.) Ny teny grika no nanoratana ny Soratra Grika Kristianina (ankoatra ny Filazantsaran’i Matio, izay nosoratana tamin’ny teny hebreo aloha), sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (fandikana voalohany ny Soratra Hebreo manontolo ho amin’ny teny grika). Ahazoana teny maro samihafa ny fototeny grika satria azo ampiana tovona sy tovana.

Koine. Tamin’ny taona 300 T.K. tany ho any ka hatramin’ny 500 A.K. tany ho any no tena nampiasana ny koine, na teny grika tsotra. Tenim-paritra grika maromaro nifangaro izy io, fa ny avy tany Atena no nampiasaina betsaka kokoa. Lasa fiteny iraisam-pirenena ny koine. Tena niavaka izy io satria saika ny olona eran-tany no nahay azy io. Midika hoe fiteny iombonana, na tenim-paritra iombonan’ny rehetra, ny hoe koine. Tena niely be izy io matoa nadika tamin’io fiteny io ny didy navoakan’ny governora solontenan’ny mpanjaka sy navoakan’ny Antenimieran-doholona Romanina, vao naely eran’ny Fanjakana Romanina. Nosoratana tamin’ny teny grika (koine) koa, fa tsy tamin’ny teny latinina sy hebreo fotsiny, ilay soratra natao teo ambonin’ny lohan’i Jesosy Kristy tamin’izy nofantsihana tamin’ny hazo.​—Mt 27:37; Jn 19:19, 20.

Hoy ny manam-pahaizana iray, momba ny fampiasan’ny Israely ny teny grika: “Nolavin’ny ankamaroan’ny Jiosy ny kolontsaina sy ny fombafomba grika, nefa nifandray tamin’ny firenena grika sy nampiasa teny grika ihany izy ireo. ... Tian’ireo mpampianatra tany Palestina ny nampiasa ny Soratra Masina tamin’ny teny grika, mba hampahafantarana ny fahamarinana tamin’ny hafa firenena.” (Kolontsaina Grika, nataon’i N. Bentwich, 1919, p. 115) Natao ho an’ny Jiosy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, indrindra fa ireo Jiosy niely tany ivelan’i Palestina. Niteny grika mantsy izy ireny fa tsy nahay niteny hebreo intsony. Nosoloana teny grika àry ireo teny hebreo tranainy fampiasan’ny Fivavahana Jiosy. Lasa fampiasan’ny Jiosy, ohatra, ny hoe synagôge, midika hoe “miara-mivory.”

Nampiasain’ny Kristianina mpanoratra Baiboly. Tian’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina ho azon’ny olona rehetra ny hafatra nosoratany, ka ny koine no nampiasainy fa tsy ny teny grika fampiasan’ny avara-pianarana. Jiosy daholo ireo mpanoratra, ary taranak’i Sema. Tsy ny kolontsainy sy ny fiteniny anefa no tiany haely, fa ny fahamarinana ninoan’ny Fivavahana Kristianina. Ny teny grika àry no nahafahany nampita izany tamin’ny olona maro kokoa, ary nahafahany ‘nanao mpianatra ny olona tany amin’ny firenena rehetra’ (Mt 28:19, 20) sy nilaza hevitra tamin’ny an-tsipiriany kokoa.

Lasa misy heriny kokoa sy mihaja kokoa ary manintona kokoa ny koine, rehefa nampiasain’ireny mpanoratra ireny. Nitatra kokoa àry ny hevitry ny teny grika ao amin’ny Soratra Masina, ary azo anazavana ny momba an’Andriamanitra.

Abidy. Avy amin’ny abidy grika ny abidy eoropeanina rehetra, na mivantana izany na tsia. Tsy noforonin’ny Grika anefa ilay abidy, fa nolovany tamin’ny taranak’i Sema. Nitovy tamin’ny litera hebreo (tamin’ny taonjato fahavalo T.K. tany ho any) tokoa ny litera grika (tamin’ny taonjato fahafito T.K. tany ho any). Nitovy koa ny filaharany, afa-tsy ny litera vitsivitsy. Nitovy koa ny anaran’ny litera sasany, toy ny hoe alfa (grika) sy alefa (hebreo), beta (grika) sy beta (hebreo), delta (grika) sy daleta (hebreo), ary ny maro hafa. Nisy litera 24 ny koine. Ny abidy semitika no navadiky ny Grika ho abidy grika, saingy nohatsarainy ilay izy satria ireo litera tsy nananany renisoratra (alefa, he, heta, aina, vao, ary yôda) no nataony zanapeo hoe a, e (tsy tononina maharitra), e (tononina maharitra), o, y, ary i.

Voambolana. Manana voambolana be dia be ny teny grika, ary mahalaza zavatra marina tsara. Afaka nilaza tsara ny tsy fitovian-javatra àry ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina, na dia kely fotsiny aza ilay tsy fitoviana. Nasehony, ohatra, fa tsy mitovy ny fahalalana tsotra (gnôsis) (1Ti 6:20) sy ny fahalalana lalina kokoa (epignôsis) (1Ti 2:4), ary ny “hafa” (allôs) (Jn 14:16) mitovy karazana sy ny “hafa” (heterôs) izay karazany hafa mihitsy. (Ga 1:6) Mampiasa teny grika na manana fototeny misy teny grika koa ny fiteny maro, ka mahalaza zavatra tsara kokoa sy voafaritra kokoa.

Anarana. Miovaova endrika ny anarana arakaraka ny anjara asany (fameno na lazaina) ao amin’ny fehezanteny, sy ny hoe ilazana lahy sa vavy, maro sa tokana ilay izy. Ny mpisolo sy mpamari-toetra koa miovaova endrika arakaraka izay soloany na faritany.

Anjara asany. Misy dimy (valo, hoy ny manam-pahaizana sasany) ny anjara asan’ny anarana, amin’ny koine. Amin’ny teny malagasy kosa, rehefa ilazana zavatra ananana vao miova endrika ny anarana (ohatra: tranony). Amin’ny koine anefa, miova endrika ny anarana na miova ny tovana ampiarahina aminy, arakaraka ny anjara asany. Sarotra kokoa noho ny teny malagasy àry ny koine, amin’io lafiny io.

Mpanoritra. Manana mpanoritra vitsivitsy (“ny”, “ilay”, “ity”, “i”) ny teny malagasy. Ny an’ny koine kosa iray monja ὁ (), izay mitovitovy amin’ny hoe “ilay.” Mety hiova endrika anefa io mpanoritra io, toy ny anarana ihany, arakaraka ny anjara asany ao amin’ny fehezanteny, sy ny hoe ilazana lahy sa vavy, maro sa tokana ilay izy.

Tsy enti-manoritra anarana fotsiny ny mpanoritra grika, fa miaraka amin’ny matoanteny, mpamari-toetra, mpamaritra matoanteny, fehezan-kevitra, na fehezanteny iray manontolo koa. Miaraka amin’ny mpamari-toetra, ohatra, ny mpanoritra grika ao amin’ny Jaona 10:11. Midika ara-bakiteny hoe “Izaho no mpiandry ilay tena tsara” àry ilay andininy. Mavesa-danja noho ny hoe “Izaho no mpiandry tena tsara” izany. Fanamafisana an’ilay hoe “tena tsara” àry ilay mpanoritra.

Miaraka amin’ny fehezan-kevitra kosa ilay mpanoritra (tsy ilazana lahy na vavy) ao amin’ny Romanina 8:26. Fehezan-kevitra iray ny hoe “Tokony hivavaka isika” sy hoe “izay tokony hangatahintsika”, amin’ny teny grika, ary tian’ilay mpanoratra hasongadina izy io. Nampiana teny hoe “olana” ilay izy amin’ny teny malagasy, ary nadika hoe “Izao mantsy ny olana” mba hamoahana ilay hevitra. Mahalaza tsara ny hevitra tian’ny mpanoratra holazaina àry ny nandikana an’ilay andininy hoe: “Izao mantsy no olana: Tokony hivavaka isika nefa tsy fantatsika akory izay tokony hangatahintsika.”​—TV.

Matoanteny. Matoanteny fototeny nasiana tovona sy tovana na tsirinteny hafa ny matoanteny grika. Miova ny endriny arakaraka ny karazany, ny filazam-potoana, na koa hoe ilazana lahy sa vavy, tokana sa maro ilay izy, na raha filazana tsotra ilay izy na mandidy na manontany. Tsy mora ianarana hoatran’ny anarana ny matoanteny grika. Lasa azon’ny mpandika teny kokoa anefa ny hevitry ny koine, indrindra fa ny hevitr’ireo matoanteny, ka afaka namoaka tsara kokoa ny tena hevitry ny Soratra Grika Kristianina izy ireo tao amin’ny Baiboly nadikany tato ho ato, tsy toy ireo nadika taloha kokoa. Hojerentsika ny lafiny sasany mampiavaka ny matoanteny grika, izay manampy antsika hahazo kokoa ny hevitry ny Baiboly.

Karazany. Misy karazany maromaro ny matoanteny malagasy, fa telo kosa ny an’ny grika: Ny mpanao sy ny iharana ary ny “antenatenany” (sady mpanao no iharana). Lazain’ny matoanteny antenatenany hoe inona no zavatra atao, ary mandray anjara amin’ny vokatr’ilay zavatra atao ny lazaina. Indraindray koa ny lazaina no mampanao an’ilay zavatra. Asongadin’ny matoanteny antenatenany àry fa liana amin’ilay zavatra atao ny lazaina.

Manamafy hevitra koa ny matoanteny antenatenany, toy ny hoe atao sora-mandry. Hoy i Paoly, rehefa nilazana fa nisy gadra sy fahoriana niandry azy tany Jerosalema: “Tsy heveriko ho zava-dehibe anefa ny aiko, toy ny hoe sarobidy amiko, raha mba azoko atao ihany ny hamita ny fihazakazahako sy ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo.” (As 20:22-24) Matoanteny antenatenany eto ilay nadika hoe “heveriko” (pôiomai). Tsy te hilaza akory i Paoly hoe tsy sarobidy taminy ny ainy, fa hoe zava-dehibe kokoa taminy ny hamita ny fanompoany. Izay no fanatsoahan-keviny, na ahoana na ahoana fiheveran’ny hafa.

Hoy koa i Paoly: “Aoka ianareo hitondra tena [na: “hitondra tena toy ny olom-pirenena”] mendrika ny vaovao tsara momba an’i Kristy.” (Fi 1:27) Matoanteny antenatenany ny hoe pôliteoômai eto ka lasa hoe pôliteoeste, na “mitondra tena toy ny olom-pirenena”, izany hoe mandray anjara amin’izay ataon’ny olom-pirenena. Nandray anjara navitrika tamin’ny raharaham-pirenena ny olom-pirenena romanina tamin’izany. Sarobidy taminy mantsy ny nizaka ny zom-pirenena romanina, indrindra raha nomen’ny Fanjakana Romanina izany zo izany ny iray tanàna, toy ny tany Filipy. Te hilaza tamin’ny Kristianina tany àry i Paoly hoe tsy tokony ho Kristianina anarana fotsiny izy ireo, fa tokony handray anjara amin’ny asa kristianina ka hitory ny vaovao tsara. Hoy koa izy tamin’izy ireo: “Fa isika kosa dia olom-pirenen’ny lanitra.”​—Fi 3:20.

Filazam-potoana. Mampiavaka ny matoanteny grika sady mahatonga azy ho azo ilazana zavatra marina tsara koa ny filazam-potoana. Lazainy hoe inona ilay zavatra atao (zava-dehibe kokoa) sy ny fotoana anaovana azy (tsy dia zava-dehibe). Misy karazany telo lehibe amin’ny teny grika ny filazam-potoana mifandray amin’ny zavatra atao: 1) Ankehitriny, izany hoe zavatra atao mitohy, na miandalana, na mahazatra, na miverimberina; 2) efa vita, izany hoe zavatra efa lasa; 3) atao indray mandeha monja, na vetivety ao anatin’ny fotoana iray. Misy filazam-potoana hafa koa anefa, toy ny zavatra mbola tsy efa tamin’ny lasa, ny zavatra vita talohan’ny fotoana iray tamin’ny lasa, ary ny ho avy.

Andeha isika hijery ohatra vitsivitsy. Hoy ny apostoly Jaona, ao amin’ny 1 Jaona 2:1 (Prot.): “Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika.” Milaza zavatra atao indray mandeha na vetivety ny matoanteny grika nadika hoe “manota” eo. Tsy filazam-potoana ankehitriny ilay matoanteny, izany hoe tsy milaza olona zatra manota na manota foana. Olona manota indray mandeha na “sendra manota”, fa tsy zatra manota, àry no tian’i Jaona horesahina eo. (Ampit. Mt 4:9: Tsy nasain’ny Devoly hiankohoka matetika teo anatrehany i Jesosy, fa ‘hiankohoka indray mandeha’ monja.)

Toa mifanohitra amin’izay nolazain’i Jaona tetsy ambony ny teniny ao amin’ny 1 Jaona 3:6, 9, raha tsy fantatra hoe filazam-potoana ankehitriny ny matoanteny ao hoe “manota.” Hoy ny Fandikan-teny Protestanta: “Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota” ary hoe “Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota.” Tokony ho hita eo anefa hoe mitohy ilay zavatra atao, satria filazam-potoana ankehitriny ilay matoanteny grika. Izany àry no mahatonga ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao handika an’ilay matoanteny hoe: “Tsy zatra manota.” Ahitana izao fanamarihana ambany pejy izao koa ny Fiainana Feno Baiboly Fianarana, eo amin’ny andininy faha-9: “Tsy hanjaka eo amin’ireo izay mbola manota na zatra manota mihitsy ilay fiainana avy amin’Andriamanitra.” Milaza fanaovan-javatra mitohy koa ilay didin’i Jesosy ho an’ny mpianany hoe: “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany.” (Mt 6:33) Tsy tena marina àry ny nandikana azy io hoe: “Katsaho aloha ny fanjakany.”​—Prot.

Tsy mitovy koa ny matoanteny amin’ny filazam-potoana ankehitriny sy ilazana zavatra atao indray mandeha monja, rehefa ilazana fandrarana. Raha filazam-potoana ankehitriny ilay izy, dia tsy hoe rarana fotsiny ny fanaovan-javatra iray, fa tsy tokony hatao intsony. Tsy nilaza tamin’ireo vehivavy nanaraka azy nankany Golgota, ohatra, i Jesosy Kristy hoe: “Aza mitomany”, fa hoe “Aza mitomany ahy intsony”, satria efa nitomany izy ireo. (Lk 23:28) Hoy koa izy tamin’ireo nivarotra voromailala tao amin’ny tempoly: “Aza atao trano fivarotana intsony ny tranon’ny Raiko!” (Jn 2:16) Hoy indray izy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra: “Aza manahy intsony” ny amin’izay hohanina sy hosotroina ary hotafina. (Mt 6:25) Raha matoanteny ilazana zavatra atao indray mandeha monja kosa ilay izy, dia tsy tokony hatao mihitsy ilay zavatra, na rahoviana na rahoviana. Nilaza, ohatra, i Jesosy, hoe: “Koa aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso.” (Mt 6:34) Tsy tokony hanahy mihitsy àry ny mpianany, na rahoviana na rahoviana.

Mariho koa ny matoanteny grika ao amin’ny Hebreo 11:17, izay tsy voadika tsara ao amin’ny Baiboly sasany. Toy izao, ohatra, no ilazan’ny Fandikan-teny Protestanta an’izay nataon’i Abrahama: “Ny zanani-lahy tokana no naterin’ilay efa nandray tsara ny teny fikasana.” Ilazana zavatra mbola tsy efa tamin’ny lasa anefa eto ilay matoanteny grika nadika hoe ‘naterina’, izany hoe saika hatao ilay zavatra saingy tsy vita na tsy tanteraka. Marina kokoa àry ny nandikana azy hoe “vonona hanolotra”, satria tsy nanao sorona an-janany indray i Abrahama. Ilazana zavatra mbola tsy efa tamin’ny lasa koa ilay matoanteny grika ao amin’ny Lioka 1:59, izay mitantara ny fotoana namorana an’ilay zanak’i Zakaria sy Elizabeta. Mety tsara àry ny nandikana azy hoe: “Efa saika hataony hoe Zakaria, araka ny anaran-drainy, ny anarany.” (TV; jereo koa Prot., Kat., JM, DIEM.) Natao hoe Jaona fa tsy Zakaria tokoa ny anarany, araka ny toromariky ny anjely Gabriela.​—Lk 1:13.

Fandikana litera. Soratana na soloana litera amin’ny fiteny hafa ny litera grika, ka ny β soloana b, ny γ soloana g, sns. Ny zanatsoratra α kosa soloana a, ny ε soloana e, ny η lasa e, ny ι lasa i, ny ο lasa o, ny υ lasa y, ary ny ω lasa o.

Zanapeo roa mifanarakaraka. Soloana litera amin’ny fiteny hafa koa ireo zanapeo roa mifanarakaraka, ka ny αι lasa ai, ny ει lasa ei, ary ny οι lasa oi. Maningana kosa ny litera ypsilôn (υ) amin’ireto: Ny αυ lasa ao, fa tsy ay; ny ευ lasa eo, fa tsy ey; ny ου lasa o, fa tsy oy; ny υι lasa oi, fa tsy yi; ary ny ηυ lasa eo, fa tsy ey.

Mety ho toa zanapeo roa mifanarakaraka ny zanapeo sosona indraindray, nefa misy tendro teboka roa (¨) eo ambonin’ny litera faharoa, toy ny eo amin’ny hoe αϋ, εϋ, οϋ, ηϋ, ωϋ, αϊ, οϊ. Tsy tena zanapeo roa mifanarakaraka anefa ireo, satria misy tendro teboka roa eo ambonin’ny iôta (ϊ) sy ny ypsilôn (ϋ). Soloana hoe y fa tsy o àry ilay ϋ. Lasa hoe ay, ey, oy, ey, oy, ai, oi ireo αϋ, εϋ, οϋ, ηϋ, ωϋ, αϊ, οϊ etsy ambony.

Misy iôta kely () eo ambanin’ny zanatsoratra sasany (α, η, ω). Rehefa adika ireo litera ireo, dia tsy atao ambany ilay iôta (na i), fa soratana aorian’ilay litera misy azy. Soratana hoe ai àry ny ᾳ, ei ny ῃ, ary oi ny ῳ.

Mari-tsindrimpeo. Misy telo (΄,, ‵) izy ireo amin’ny teny grika. Ny zanatsoratra grika misy tsindrimpeo ao amin’ny vaninteny no asiana an’ireo marika ireo. Tsy ampiasaina anefa izy ireo, rehefa soloana litera malagasy ny zanatsoratra misy azy ireo ato amin’ity boky ity. Ny γέεννα, ohatra, lasa hoe geenna, ary ny παρουσία lasa hoe parosia.

Vaninteny. Arakaraka ny isan’ny zanatsoratra na zanapeo roa mifanarakaraka no isan’ny vaninteny amin’ny teny grika. Misy vaninteny roa, ohatra, ny λόγος (lôgôs) satria misy zanatsoratra roa. Mitambatra ho vaninteny iray kosa ny zanapeo roa mifanarakaraka. Misy vaninteny roa àry ny πνεῦμα (pneoma) satria misy zanapeo roa mifanarakaraka (eo) sy zanatsoratra iray (a).

Mari-panononana. Raha manomboka amin’ny zanatsoratra ny teny iray, ary tsy misy feo tononina any an-tenda ilay zanatsoratra, dia ny mari-panononana (᾿) no ataon’ny Grika eo amboniny. Mari-panononana (῾) kosa no ataony raha misy feo tononina any an-tenda ilay izy. Tsy tazonina ilay mari-panononana (᾿) rehefa soloana litera malagasy ilay teny, fa ilay mari-panononana (῾) kosa avadika ho h, ary atao eo am-piandohan’ilay teny. Eo alohan’ilay teny ilay mari-panononana grika, rehefa sora-baventy ny litera voalohany amin’ilay teny. Lasa I ny ᾿I, ary lasa Hi ny ῾I rehefa adika. Eo ambonin’ny litera voalohany na ny litera faharoa amin’ny zanapeo roa mifanarakaraka kosa ilay mari-panononana, rehefa tsy sora-baventy ilay litera voalohany. Lasa hoe aiôn àry ny αἰών, lasa hagnôs ny ἁγνός, ary lasa haireômai ny αἱρέομαι.

Tsy maintsy asiana mari-panononana (῾) foana ny litera grika (ρ), izay adika hoe rh, rehefa manomboka teny iray. Lasa rhabbei àry ny hoe ῥαββεί.

[Tabilao, pejy 1047]

ABIDY GRIKA

Litera

Anarany

Mifanitsy Aminy sy ny Fanononana Azy1

Α α

Alfa

a

Β β

Beta

b

ᴦ γ

Gama

g (oh: gana2)

Δ δ

Delta

d

Ε ε

Epsilôna

e, tsy tononina maharitra (oh: nefa)

Ζ ζ

Zeta

z

Η η

Eta

e, tononina maharitra (oh: ve)

Θ θ

Teta

t

Ι ι

Iôta

i (oh: ankizy)

Κ κ

Kapa

k

Λ λ

Lambda

l

Μ μ

My

m

Ν ν

Ny

n

Ξ ξ

Ksi

ks

Ο ο

Ômikrôna

ô, tsy tononina maharitra (oh: sôva)

Π π

Pi

p

Ρ ρ

Rhô

rh

Σ σ, ς3

Sigma

s

Τ τ

Tao

t

Υ υ

Ypsilôna

y na o4

Φ φ

Fi

f (oh: faly)

Χ χ

Ki

k

Ψ ψ

Psi

ps (oh: ejipsianina)

Ω ω

Ômega

ô, tononina maharitra (oh: baolina tononina hoe bôlina)

1 Tsy mitovy fanonona amin’ny teny grika maoderina.

2 Kentsona rehefa eo alohan’ny κ, ξ, χ, na γ hafa, ary tononina hoe n toy ny ao amin’ny hoe tonga.

3 Rehefa faran-teny ihany ny Sigma vao ampiasaina io.

4 Tononina hoe o ny Ypsilôna rehefa izy no zanapeo tononina faharoa amin’ny zanapeo roa mifanarakaraka.