Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Habakoka, Bokin’i

Habakoka, Bokin’i

Ny faha-8 amin’ireo boky 12 farany ao amin’ny Soratra Hebreo, ao amin’ny Baiboly hebreo sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ary ny ankamaroan’ny Baiboly malagasy. Mizara roa izy io: 1) Resaka nifanaovan’ilay mpanoratra sy Jehovah (toko 1, 2); 2) vavaka natao an-kira ho fanehoana alahelo.​—Toko 3.

Mpanoratra. Resahin’ilay boky fa “i Habakoka mpaminany” no nanao an’ilay fanambarana sy ilay vavaka.​—1:1; 3:1; jereo HABAKOKA.

Ekena ho anisan’ny Soratra Masina. Ao amin’ireo lisitra fahiny misy ny Soratra Hebreo ilay boky, na dia tsy hita ao aza ny anaran’izy io. Miresaka momba an’ireo boky 12 farany ao amin’ny Soratra Hebreo mantsy izy ireo. Azo antoka fa anisan’izany ny bokin’i Habakoka mba ho feno 12 ilay isa. Naka teny tao amin’ilay boky koa ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Namerina ny voalazan’ny Habakoka 1:5 (LXX), ohatra, i Paoly rehefa niresaka tamin’ny Jiosy tsy nanam-pinoana, na dia tsy nanonona an’ilay hoe Habakoka aza. (As 13:40, 41) Naka teny tao amin’ny Habakoka 2:4 (“Fa ny olo-marina kosa ho velona noho ny tsy fivadihany”) koa izy, rehefa nampirisika ny Kristianina haneho finoana.​—Ro 1:16, 17; Ga 3:11; He 10:38, 39.

Misy sora-tanana mirakitra ny bokin’i Habakoka (toko 1, 2), amin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Amin’ny soratra hebreo natao talohan’ny andron’ny Masoreta izy io, ary misy fanazavana miaraka aminy. Ahitana ny anarana hoe Jehovah amin’ny soratra hebreo tranainy ao amin’ilay sora-tanana, saingy nosoloana hoe ʼEl (heb.; Andriamanitra) ilay izy ao amin’ilay fanazavana.

Misy manam-pahaizana milaza fa tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany T.K. io horonana io no nosoratana. Io àry no sora-tanana hebreo tranainy indrindra ananantsika misy ny bokin’i Habakoka. Ahitana ny teny hoe “Kaldeanina” (Ha 1:6) ao amin’ilay sora-tanana. Marina àry ny voalazan’ny soratra nataon’ny Masoreta hoe ny Kaldeanina (Babylonianina) no nampiasain’i Jehovah hampihatra ny didim-pitsarany.

Fotoana sy toerana nanoratana azy. Naminany talohan’ny nandravana ny tempolin’i Solomona tao Jerosalema (607 T.K.) i Habakoka. Porofon’izany ny teniny hoe ‘ao amin’ny tempoliny masina i Jehovah’ (Ha 2:20) sy ny fanamarihana aorian’ny Habakoka 3:19 (“Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny lokangako”). Mbola tsy noravan’ny Kaldeanina (Babylonianina) koa i Jerosalema, rehefa jerena ny votoatin’ilay faminaniana sy ny tenin’i Jehovah hoe: “Hampirisihiko ny Kaldeanina.” (1:6) Mety ho efa nisy firenena resin’izy ireo ihany anefa tamin’izany. (Ha 1:17) Efa resin’izy ireo sy ny Medianina i Ninive (632 T.K.) tamin’ny andron’i Josia, mpanjaka tsara tao Joda (659-629 T.K.), ka nadiva ho lasa firenena matanjaka i Babylona.​—Na 3:7.

Misy anefa mino ny lovantsofin’ireo raby hoe efa tamin’ny andron’i Manase mpanjakan’ny Joda i Habakoka no naminany. Anisan’ireo mpaminany resahin’ny 2 Mpanjaka 21:10, hono, izy na resahina an-kolaka ao amin’ny 2 Tantara 33:10. Mbola tsy natahorana, hono, ny Babylonianina tamin’izany, ka vao mainka tsy nino an’i Habakoka ny Jodianina.​—Jereo Ha 1:5, 6.

Nofehezin’ny Ejipsianina ny Joda raha vao nanjaka kelikely i Joiakima. (2Mp 23:34, 35) Mety ‘tsy ho ninoan’izy ireo’ àry tamin’izay, na dia ‘ho notantaraina taminy aza’, hoe hampirisika ny Kaldeanina hanasazy ny mponin’i Joda Andriamanitra. (Ha 1:5, 6) Resin’i Nebokadnezara, mpanjaka babylonianina, tao Karkemisy anefa i Farao Neko tamin’ny 625 T.K., tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima. (Je 46:2) Mety ho talohan’izay àry i Habakoka no naminany sy namita ny fanoratana ny faminaniany tany Joda, tamin’ny 628 T.K. tany ho any. Talohan’ny nifehezan’i Babylona an’i Joiakima (620-618 T.K.) (2Mp 24:1) izany, matoa nolazainy fa mbola ho avy ny fanafihan’ny Kaldeanina.

Fomba fanoratra. Mampieritreritra sy mampihetsi-po ilay boky, ary ahitana fanoharana sy fampitahana maro. (Ha 1:8, 11, 14, 15; 2:5, 11, 14, 16, 17; 3:6, 8-11) Hoy i S. Driver: “Mpanoratra mahay i Habakoka. Mampieritreritra ny bokiny na dia fohy aza; mora alaina sary an-tsaina sy mandaitra ny zavatra tantarainy; ary miendrika tononkalo ny hevitra sy teny lazainy.” Azo antoka fa ny fanahin’Andriamanitra no nahavitany izany.

Ahariharin’i Habakoka fa ambony noho ny firenena rehetra i Jehovah (Ha 2:20; 3:6, 12), ka manan-jo hitondra an’izao rehetra izao. Asongadiny koa fa velona noho ny finoana ny olo-marina. (2:4) Lasa matoky kokoa an’i Jehovah isika satria tsy ho faty Izy (1:12), ho ara-drariny ny hanosihoseny an’ireo firenena, ary hovonjeny ny olony. (3:12, 13) Andriamanitry ny famonjena sy Mpanome hery an’izay mifaly aminy koa i Jehovah.​—3:18, 19.

[Efajoro, pejy 1051]

HEVITRA MISONGADINA: HABAKOKA

Valin’ny fanontaniana hoe: Handringana ny ratsy fanahy ve Andriamanitra?

Nosoratana tamin’ny 628 T.K. tany ho any, rehefa nihanatanjaka ny Kaldeanina nefa mbola tsy nifehy an’i Joiakima

Niantso vonjy i Habakoka, nanontany hoe mandra-pahoviana Andriamanitra no hamela ny ratsy fanahy hisy (1:1–2:1)

Namaly i Jehovah fa ny Kaldeanina no hampirisihiny hanafay azy ireo; tsy azon’i Habakoka hoe nahoana Ilay Masina no hampiasa an’io firenena mpamitaka io, izay nanao ny fitaovam-piadiany ho andriamaniny, sy nanangona olona tao anaty harato toy ny fanangona trondro, ary tsy niantra an’ireo firenena naringany

Niandry ny valin-tenin’i Jehovah sy ny fananarany ilay mpaminany

Namaly i Jehovah fa efa manana fotoana voatondro izy, ary hisy loza hanjo ny Kaldeanina (2:2-20)

Nanome toky i Jehovah fa na dia toa ela fiavy aza ilay fahitana, dia ho tanteraka ‘amin’ny fotoana voatondro, sady mihazakazaka mafy ho amin’ny farany’

Tsy ho afa-maina ny Kaldeanina fa hisy loza hanjo azy noho izy ireo nandroba firenen-kafa, nandringana firenena maro, nanorina tanàna tamin’ny fandatsahan-dra, nampisotro ny hafa ny kaopin’ny faharesena manala baraka, ary nanompo sampy

Niangavy an’i Jehovah ilay mpaminany mba hanao zavatra, nefa koa hamindra fo rehefa tonga ny andro fahoriana (3:1-19)

Natahotra sy tora-kovitra izy nahatsiaro ny fomba nampisehoan’i Jehovah ny heriny; tapa-kevitra ny hiandry amim-pahatoniana an’ilay andro fahoriana anefa izy, ary hifaly amin’ilay Andriamanitry ny famonjena azy

Na dia tsy misy hohanina intsony aza, dia mbola tapa-kevitra izy ny hiravoravo amin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny famonjena manome hery azy