Hadada
(Hadàda).
1. Iray amin’ireo 12 lahy zanak’i Ismaela, zanakalahin’i Abrahama sy Hagara vadikeliny.—Ge 25:12-15; 1Ta 1:28-30.
2. Mpanjakan’i Edoma nandimby an’i Hosama. Toa nanjaka avy tao Avita “i Hadada zanakalahin’i Bedada, izay nandresy ny Midianita teo amin’ny faritr’i Moaba.”—Ge 36:31, 35, 36; 1Ta 1:46, 47.
3. Mpanjaka iray hafa tany Edoma; vadin’i Mehetebela. Nandimby an’i Bala-hanana i Hadada, ary “Pao no anaran’ny tanànany.” (1Ta 1:43, 50, 51) Antsoina hoe Hadara izy ao amin’ny Genesisy 36:39. Nanao fahadisoana angamba teo ny mpanao dika soratra, satria mitovitovy ny “r” (ר) sy ny “d” (ד) amin’ny teny hebreo.
4. Edomita tarana-mpanjaka nitarika fikomiana tany Israely, tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. Novonoin’i Joaba ny lahy rehetra tany Edoma, ka nandeha nitsoaka niaraka tamin’ny mpanompon-drainy sasany i Hadada, tamin’izy mbola kely. Nandalo tao Parana izy ireo, ary avy eo nankany Ejipta. Noraisin’i Farao tsara izy ireo tany. Nomeny tany, trano ary sakafo i Hadada, ary nomeny ho vadiny mihitsy aza ny zaobaviny, tatỳ aoriana. Niteraka an’i Genobata i Hadada sy ny vadiny, ary niara-notezaina tamin’ny zanak’i Farao tao an-dapa ilay zazalahy. Niverina tany Edoma i Hadada raha vao reny fa maty i Davida Mpanjaka sy Joaba, ary lasa mpanohitra an’i Solomona izy.—1Mp 11:14-22, 25.
5. Ilay andriamanitra lehibe indrindra tany Syria fahiny, ary heverin’ny maro ho Rimona. Ahitana ny teny hoe Hadada ny anaran’ny mpanjaka syrianina sasany, toa an’i Beni-hadada (1Mp 15:18) sy Hadadezera (1Mp 11:23), ary koa ny anarana hoe Hadadrimona.—Za 12:11; jereo HADADRIMONA.