Hadadezera
(Hadadezèra) [I Hadada dia Mpanampy].
Zanak’i Rehoba sady mpanjakan’i Zoba. Fanjakana syrianina (aramianina) tany avaratr’i Damaskosy angamba i Zoba (2Sa 8:3, 5; 1Mp 11:23; 1Ta 18:3, 5), ary nisy fanjakana hafa nofeheziny. (2Sa 10:19) Niady tamin’i Toy mpanjakan’i Hamata i Hadadezera, talohan’ny nandresen’i Davida Mpanjaka azy.—2Sa 8:9, 10; 1Ta 18:9, 10.
Resin’i Davida ireo Syrianina nokaramain’ny Amonita hiady taminy. Nampaka Syrianina hafa avy any amin’ny faritr’i Eofrata àry i Hadadezera, mba hanampy ny tafiny. (2Sa 10:6, 15, 16; 1Ta 19:16) Toa izany no tian’ny 2 Samoela 8:3 horesahina. (Ampit. 1Ta 18:3.) Voalaza ao mantsy hoe nitady hifehy indray ny faritra tany amin’ny reniranon’i Eofrata i Hadadezera. Midika ara-bakiteny hoe “mamerina ny tanany” izany, araka ny Fanazavana Hevi-teny nataon’i Cook. Hoy koa izy io: “Ny teny manodidina no tena ... ahafantarana ny hevitr’ilay teny an’ohatra. Azo inoana fa ilay tantara amin’ny an-tsipiriany [ao amin’ny 2Sa 10:15-19] no tiana horesahina eo. Raha izany no izy, dia izao no dikan’ilay fehezanteny: Rehefa nandeha nanafika (ny Israelita) indray izy (Hadadezera), na nandeha naka miaramila hafa tany amin’ny reniranon’i Eofrata mba hiady tamin’ny Israely.”
Resin’ny tafik’i Davida tao Helama ny tafik’i Hadadezera notarihin’i Sobaka (Sofàka), ka nihavana avy hatrany tamin’ny Israely ireo mpanjaka nofehezin’i Hadadezera. (2Sa 10:17-19; 1Ta 19:17-19) Syrianina 40 000 no maty tamin’izay. Nitaingin-tsoavaly izy ireo, saingy nidina ka nandeha an-tongotra angamba mba handositra teny amin’ny lalana mikitoantoana. Izany no mety ho nahatonga ny 2 Samoela 10:18 hilaza hoe “mpitaingin-tsoavaly” izy ireo, fa ny 1 Tantara 19:18 kosa hoe “nandeha an-tongotra” izy ireo. Tsy mitovy koa ny isan’ny mpitondra kalesy matin’ny Israely resahin’ireo andininy roa ireo. Diso angamba ny mpanao dika soratra teo, ka ilay isa kely kokoa 700 no heverina fa marina.
Naka varahina be dia be avy tany Beta (toa antsoina koa hoe Tibata) sy Berotahy (angamba i Kona), tanàna roa nofehezin’i Hadadezera, i Davida. Nentiny tany Jerosalema koa ny ampinga volamenan’ireo mpanompo na angamba mpanjaka nofehezin’i Hadadezera. (2Sa 8:7, 8; 1Ta 18:7, 8; ampit. 2Sa 10:19.) Maro koa ny soavalin’i Hadadezera sy ny mpitaingin-tsoavaliny sy ny kalesiny ary ny miaramilany nandeha an-tongotra azon’i Davida babo. Diso angamba ny mpanao dika soratra matoa tsy mitovy ireo isa ao amin’ny 2 Samoela 8:4 sy 1 Tantara 18:4. Samy milaza anefa ireo andininy roa ireo ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, fa kalesy 1000 sy mpitaingin-tsoavaly 7000 no azo babo. Mety ho ny voalazan’ny 1 Tantara 18:4 àry no tena izy.
Tsara homarihina anefa fa mety tsy ho diso ny mpanao dika soratra. Lafiny samy hafa tamin’ilay ady angamba no tiana hasongadina, na tsy nitovy ny fomba fanisana.