Hadalana
Aretina mahatonga ny olona ho very saina na harary saina ka hanaonao foana. Maro ny teny hebreo sy grika ilazana an’io aretin-tsaina io, na miserana ilay izy na maharitra. Ny sasany amin’ireny teny ireny, dia toa avy amin’ny teny milaza ny kiakiaka hafahafa sy mampahatahotra na mampalahelo ataon’ny olona adala.
Lasa adala i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, tamin’ny fotoana nireharehany, satria tanteraka taminy ny nofiny. Faminaniana mantsy io nofy io, ary nohazavain’i Daniela taminy ny dikany. Adala nandritra ny fito taona izy, ary “nihinana ahitra toy ny omby.” (Da 4:33) Very saina i Nebokadnezara ka mety ho nihevi-tena ho biby (omby angamba). Niresaka momba an’io aretin-tsaina io ny rakibolana frantsay iray. Hoy izy io: “LYCANTHROPIE ... avy amin’ny hoe [lykôs], lupus: alikadia, sy ny hoe [antrôpôs], hômô: olona. Io anarana io dia niantsoana ny aretin’ireo izay mino fa niova ho biby iray ny tenany, ka manahaka ny feo sy ny fihetsik’io biby io izy. Matetika ny olona toy izany no mihevi-tena ho niova ho alikadia, ho alika na ho saka, indraindray koa ho omby, toy izay nanjo an’i Nebokadnezara.” (Diksionera Momba ny Siansa sy ny Fitsaboana, Nataon’ny Fikambanan’ny Mpitsabo sy Mpandidy, Paris, 1818, Boky Faha-29, p. 246) Rehefa tapitra ny fito taona dia nataon’i Jehovah nody tamin’i Nebokadnezara indray ny sainy.—Da 4:34-37.
Adala sy misy demonia. Marina fa tsy hoe misy demonia daholo izay olona lasa adala na tsy salama saina, kanefa azo inoana fa mety hisy ho voa kely ny sain’ny olona misy demonia. Nifanena Mr 5:1-17; Lk 8:26-39) Tsy ho lasa adala vokatry ny fanafihan’ny demonia mihitsy anefa ny Kristianina raha anaovany foana “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra.”—Ef 6:10-17.
tamin’ny lehilahy adala nisy demonia, ohatra, i Jesosy tao amin’ny faritra nisy ny Gerasianina. Mpankeny am-pasana izy io ary matetika no nofatorana tamin’ny gadra vy sy rojo vy, “nefa ny rojo vy notapahiny ary ny gadra vy nopotipotehiny. Eny, tsy nisy nanan-kery hoenti-mamolaka azy.” Ankoatra izany, dia “niantsoantso mafy tsy an-kijanona teny am-pasana sy teny an-tendrombohitra izy, na andro na alina, ary nodidididiany tamin’ny vato ny tenany.” Lasa “salama saina” anefa izy rehefa navoakan’i Jesosy ireo demonia tao aminy. (Mody adala. Nitady fialofana tany amin’i Akisy mpanjakan’i Gata i Davida, indray mandeha, tamin’izy nandositra an’i Saoly Mpanjaka. Fantatry ny Filistinina i Davida ka nolazainy tamin’i Akisy hoe mety hampidi-doza azy ireo izy. Raiki-tahotra i Davida ary nody adala teo imason’izy ireo sady nanao very saina, “ka nanoratsoratra teo amin’ny vavahady, sady namela ny iviny hiraraka tamin’ny volombavany.” Nihevitra an’i Davida ho adala tsy natahorana hampidi-doza i Akisy ka nandefa azy soa aman-tsara. Nisaotra an’i Jehovah i Davida satria nitahy an’io tetikadiny io izy ary namonjy azy. Notarihin’ny fanahy masina hanoratra izany tao amin’ny Salamo faha-34 i Davida tatỳ aoriana.—1Sa 21:10–22:1.
Hadalana ny manohitra an’i Jehovah. Nitady hanozona an’ireo Israelita ny mpaminany Balama mba hahazoana vola tamin’i Balaka mpanjakan’ny Moabita. Hadalana anefa izany satria navadik’i Jehovah ho fitahiana ireo ozona ary nataony nandamòka ny tetik’i Balama. Hoy ny apostoly Petera momba an’i Balama: “Niezaka nisakana ny hadalan’ilay mpaminany ny ampondravavy moana, izay niteny toy ny olona.” Parafrônia (a.b.t. any ivelan’ny saina: Tsy misaina, adala) no teny grika nampiasain’i Petera mba hilazana ny hadalan’i Balama.—2Pe 2:15, 16; No 22:26-31.
Hoy i Hosea mpaminany momba ireo mpaminany sandoka teo amin’ny Israely: “Adala ny mpaminany. Ary ny hamaroan’ny fahadisoanao sy ny habetsahan’ny fankahalana, no hahalasa adala ny olona nahazo fanambarana avy amin’ny fanahy.” (Ho 9:7) Ataon’i Jehovah lasa adala ireo manohitra azy sy tsy manaiky ny fahendreny. Hoy izy: “Izaho koa Ilay mahatonga ny mpisikidy hanao hoatran’ny adala.” Midika izany fa ataon’i Jehovah izay hahadiso ny faminanian’izy ireo. (Is 44:24, 25) Nilaza i Joba fa ‘ataon’i Jehovah lasa adala ny mpitsara’ eto amin’ity tontolo ity.—Jb 12:17.
Nanohitra an’i Mosesy i Jana sy Jambra ary nampitovin’i Paoly tamin’izy roa lahy ireo lehilahy nanohitra ny fahamarinana sy nitady hanimba ny fiangonana kristianina. Hoy izy: “Tsy hisy fandrosoana intsony ho vitan’izy ireny, satria hiharihary amin’ny rehetra ny hadalany, tahaka ny hadalan’izy roa lahy koa.”—2Ti 3:8, 9.
Hadalana vokatry ny fampahoriana sy ny fahaverezan-kevitra. Raha tsy nankatò an’i Jehovah ny Israelita, dia anisan’ny zava-dratsy mety hanjo azy ny hoe ho lasa adala. Ho lasa adala izy ireo rehefa hampahorin’ireo fahavalo mandresy azy, ka hanaonao foana satria tsy afa-manoatra. (De 28:28-34) Efa nilaza tokoa i Solomona Mpanjaka fa “mety hahatonga ny hendry hanao adaladala ny fampahoriana.”—Mpto 7:7.
Nisy faminaniana nampitovy an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona tamin’ny ‘kaopy misy ny divain’ny fahatezeran’i Jehovah.’ Tsy maintsy nisotro tamin’io ireo firenena ‘ka nivembena sy nanao hoatran’ny adala, noho ny sabatra nalefan’i Jehovah teo amin’izy ireo.’ (Je 25:15, 16) Lasa adala koa anefa i Babylona tatỳ aoriana. Nahazo fahitana mahatsiravina mantsy ireo mpanompo sampy teo aminy, ary ‘nanao hadalana foana izy ireny satria nahita fahitana mampahatahotra.’ (Je 50:35-38) Tsy maintsy nisotro tamin’ny kaopin’ny fahatezeran’i Jehovah koa i Babylona.—Je 51:6-8.
Fahatezerana mafy. Nadika hoe fahatezerana mafy koa ny teny grika midika hoe hadalana, ao amin’ny Baiboly. Nanasitrana lehilahy maty tanana ankavanana, ohatra, i Jesosy tamin’ny Sabata. “Tena tezitra mafy [na “romotry ny hadalana”] anefa ireo” mpanora-dalàna sy Fariseo nitazana teo, “ka niara-nikaon-doha ny amin’izay hanaovany an’i Jesosy.” (Lk 6:6-11) Ny teny grika nampiasain’i Lioka eo mba hilazana ny hoe tezitra mafy dia anôia, izay midika ara-bakiteny hoe “tsisy saina.” Teny grika midika hoe adala no nampiasain’i Paoly rehefa niaiky izy fa “tezitra mafy dia mafy” tamin’ireo Kristianina nenjehiny taloha.—As 26:11.
Ampifanoherina amin’ny fahendrena. Hoy ilay nanoratra ny bokin’ny Mpitoriteny: “Niezaka tamin’ny foko manontolo aho mba hahalala ny atao hoe fahendrena sy ny atao hoe hadalana.” (Mpto 1:17) Tsy ny fahendrena ihany no nofakafakainy fa ny hadalana nataon’ny olona koa. (Mpto 7:25) Nilaza indray i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny 2:12, fa nandinika ny fahendrena sy ny fahadalana ary ny fahaverezan-tsaina izy. Nanjary fantany àry ny tsy fitovian’ireo. Niaiky izy fa rehefa tafahoatra ny fanaovan-javatra tsy dia misy dikany dia hadalana izany. Hoy izy tamin’ny fihomehezana: “Hadalana!” Tsy tena mahasambatra mantsy ny fihomehezana rehefa ampitahaina amin’ny fahendrena.—Mpto 2:2.
Hoy i Solomona momba ny tsisy saina: “Hadalana no anombohany ny teniny, ary hadalana mampidi-doza koa no amaranany azy.” (Mpto 10:13) Mety ho fitapitaka no isehoan’ny hadalana. Mahita faisana indraindray izay voafitaka, ka izany no mahatonga an’ilay mpamitaka ampitovina amin’ny adala mirongo fiadiana mahafaty.—Oh 26:18, 19.
Misy tsy mino ny fitsanganan’ny maty ka mihevitra fa rehefa maty ny olona dia vita hatreo ny aminy. Tsy mety ny fomba fijerin’ireny olona ireny ny fiainana, ka izay hahafa-po ny faniriany fotsiny no ataony fa tsy miraharaha an’Andriamanitra sy ny sitrapony izy. Hoy i Solomona momba azy ireny: “Feno faharatsiana ny fon’ny zanak’olombelona satria mitovy ihany ny iafaran’izy rehetra. Misy hadalana ao am-pony mandritra ny androm-piainany, ary avy eo dia lasa any amin’ny maty izy!”—Mpto 9:3.
Heviny an’ohatra. Nokianin’ny sasany tany Korinto ny fahefan’i Paoly sy ny naha apostoly azy. Naneso azy ireny i Paoly ka niantso azy hoe ‘apostoly tsara loatra.’ (2Ko 11:5) Tian’i Paoly ho tonga saina ny fiangonana tany Korinto ka “nirehareha” momba ny fitaizana azony sy ny zava-bitany, ny fitahiana azony ary ireo zavatra niainany teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy mba hanaporofoana ny fahefany. Tsy mety amin’ny Kristianina ny mirehareha toy izany, nefa voatery nanao izany i Paoly teto. Nilaza ny tenany ho “toy ny adala” àry izy, ka hoy izy momba ireo nantsoiny hoe “apostoly tsara loatra” ireo: “Mpanompon’i Kristy ve izy ireo? Mamaly toy ny adala aho, fa miavaka kokoa noho izy ireo aho.”—2Ko 11:21-27.