Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hadida

Hadida

(Hadìda).

Tanindrazan’ny Benjamita sasany nody avy tany an-tsesitany tany Babylona. (Ezr 2:1, 2, 33; Ne 7:6, 7, 37; 11:31, 34) Matetika izy io no voalaza fa i el-Haditeh (Tel Hadid), tanàna kelin’ny Arabo, efa tsy misy mponina intsony, tokotokony ho 5 km any atsinanana avaratratsinanan’i Loda (Lyda). Maro no mihevitra an’i Hadida ho ilay “Houditi” hita ao amin’ny lisitr’ireo tanàna azon’i Thoutmosis III, ka nosoratany teo amin’ny rindrin’ny tempoly ao Karnak. Maro koa no mihevitra azy io ho ilay “Hadidà” resahin’ny boky apokrifa (1 Makabeo 12:38; 13:13, Kat.), izay voalaza fa tany Sefela ary tandrifin’ny tany lemaka amoron-tsiraka.