Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hadorama

Hadorama

(Hadôràma).

1. Zanakalahin’i Joktana, sady taranak’i Sema, ary iray tamin’ireo razamben’ny fianakaviambe velona taorian’ny Safodrano. (Ge 10:21, 25-27, 32) Tany Arabia, angamba tany Yémen, no nipetraka io fianakaviambe io.

2. Zanakalahin’i Toy mpanjakan’i Hamata. Nirahin’ny rainy ho any amin’i Davida i Hadorama mba hiarahaba sy hitondra fanomezana ho azy, satria resin’ny Israely ny mpanjakan’i Zoba. (1Ta 18:9-11) Miantso azy hoe Jorama ny 2 Samoela 8:10.

3. Mpiandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka sy Solomona ary Rehoboama. Nikomy ireo foko tany avaratra, ka nirahin’i Rehoboama nankany i Hadorama. Nitora-bato azy anefa ny zanak’Israely, ka maty izy. (2Ta 10:18) Miantso azy hoe Adorama ny 1 Mpanjaka 12:18 sy 2 Samoela 20:24, fa Adonirama kosa no ao amin’ny 1 Mpanjaka 4:6 sy 5:14.