Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hadraka

Hadraka

(Hadràka).

Tany nomelohin’i Jehovah ao amin’ny faminanian’i Zakaria. Nambara tamin’ny 518 T.K. angamba io faminaniana io, ary hita ao fa tsy faly tamin’i Hadraka i Jehovah. Miara-voatonona amin’i Hadraka ny tanàna maromaro nanodidina an’i Israely, toa an’i Damaskosy, Hamata, Tyro, Sidona, ary ny tanànan’ny Filistinina toa an’i Askelona, Gaza, Ekrona, ary Asdoda.​—Za 9:1-8.

Mety ho tanàna fanjakana nifehy ny faritra nanodidina azy i Hadraka. Azo inoana fa izy ilay Hatarikka resahin’ny soratra asyrianina. Misy mihevitra fa ny havoanan’i Tell Afis, 45 km eo ho eo atsimoandrefan’i Alep, no Hatarikka. Nilaza i Tiglato-pilesera III mpanjaka asyrianina fa anisan’ireo “faritra 19 any Hamata” izy io.​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 282, 283.