Hafa Firenena
Olona tsy Israelita antsoina amin’ny teny hebreo hoe nôkri na ben-nekar (a.b.t.: zanaky ny [tany] hafa). (De 14:21; Ek 12:43) Mpikarama, mpivarotra, babo an’ady, Kananita tsy novonoina na tsy noroahina niala tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ary mpandalo isan-karazany no hafa firenena teo amin’ny Hebreo.—Js 17:12, 13; Mpts 1:21; 2Sa 12:29-31; 1Mp 7:13; Ne 13:16.
Noferan’ny Lalàna ny zon’ny hafa firenena, kanefa tokony hoentina araka ny rariny sy hitsiny ary horaisina tsara izy ireo, raha mbola tsy nandika an’ireo lalàna tao amin’ilay tany. Tsy tena nifandray tamin’ny Israely izy ireo, ka tsy hoatran’ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy izay noforana sy nanaiky hankatò ny Lalàna ka lasa anisan’ny fiangonan’Israely. Tsy hoatran’ny mpiavy koa izy ireo, satria ny mpiavy nipetraka naharitraritra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ary nanan-jo sy tombontsoa sasany, na dia nisy zavatra tsy azony natao aza.—Jereo VAHINY, MPIVAHINY.
Nisy olona maro tsy Israelita lasa anisan’ny ankohonan’ireo zanak’i Jakoba sy ny taranak’ireo, fony mbola mpivahiny tao Kanana sy tany Ejipta ny Israelita. Mpikarama niara-nonina tamin’ny fianakaviana, ohatra, izy ireny, na mpanompo novidina izay tsy maintsy noforana, araka ilay fifanekena natao tamin’i Abrahama.—Ge 17:9-14.
ffairsAntsoina hoe “hafa firenena” koa ireo vahiny niaraka tamin’ny firenen’Israely niala tany Ejipta. (Ek 12:37, 38; ampit. Ek 12:43-49.) Mety ho Ejipsianina na hafa firazanana ny sasany, ary nifidy hanompo an’ilay tena Andriamanitra sy hanaraka ny firenen’Israely izy ireo, rehefa nahita ny loza maro namelezan’i Jehovah an’i Ejipta. Ny hafa indray Ejipsianina nanambady Israelita, sy ny zanak’izy ireo. Ejipsianina, ohatra, ny vadin’i Selomita vehivavy israelita avy tamin’ny fokon’i Dana, ary lahy iray ny zanak’izy ireo, fara fahakeliny.—Le 24:10, 11.
“Olona samihafa firenena [na antokon’olona; vahoaka]” no ilazan’ny Nomery 11:4 azy ireo. Lasa be taraina sy tia nifanditra anefa izy ireo noho izy hafa firenena sy noho ilay dia sarotra tany an-tany efitra. Nanjary tia tena hoatr’azy ireo koa ny Israelita ka naniry mafy hihinan-javatra hafa ary nitomany hoe: “Tsaroanay ny trondro nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, mbamin’ny kôkômbra, ny pasteky, ny poarô, ny tongolobe, ary ny tongolo lay! Fa izao kosa maina mihitsy ny ainay. Ary ny masonay tsy mba mahita na inona na inona afa-tsy mana.”—No 11:4-6.
Nisy hafa firenena, toy ny Kananita, ohatra, tsy noroahin’ny Israelita niala tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ka voatery nifandray tamin’ireny ny Israelita. (Mpts 2:2, 3) Nisy mpivarotra sy mpanao asa tanana koa nankany Israely. (Ezk 27:3, 17; 2Sa 5:11; 1Mp 5:6-18) Azo inoana fa nihamaro ny mpikarama rehefa nihananan-karena ny Israelita. (Ampit. De 8:11-13; Le 22:10.) Nisy koa hafa firenena toy ny Gatita sy Keretita ary Peletita niditra tao amin’ny tafik’Israely, ary lasa nanaja an’ireo mpitari-tafika hebreo sy ny fivavahan’izy ireo ireny.—2Sa 15:18-21.
Tsy Israelita ireo “hafa firenena” resahin’ny Nehemia 13:3 sy Jeremia 25:20. Moabita sy Amonita no resahin’ny Nehemia (13:1), ary angamba ny zanak’izy ireo (metisy israelita), satria samy noroahin’ny Israelita ny vadiny hafa firenena sy ny zanak’ireny.—Ezr 10:44.
Teo ambanin’ny Lalàna. Nanome fitsipika nifehy ny fifandraisana tamin’ny hafa firenena i Jehovah, mba hiarovana ny firenen’Israely sy ny olom-pirenena ary ny vahiny, teo amin’ny lafiny toe-karena sy fivavahana ary politika. Tsy tokony hifanerasera amin’ny hafa firenena (indrindra fa tsy hanaraka ny fivavahany) ny Israelita (Ek 23:23-25; De 7:16-26; Js 23:6, 7), na hanao fifanekena aminy sy amin’ny andriamaniny. (Ek 34:12-15; 23:32; De 7:2) Imbetsaka i Jehovah no nandrara azy ireo tsy hiankohoka teo anatrehan’ny andriamanitry ny hafa firenena (Ek 20:3-7; 23:31-33; 34:14), na hanontanintany momba ny fivavahan’ireny na ho liana amin’izany.—De 12:29-31.
Voarara ny nanambady hafa firenena, sao ho voataona hanompo sampy. (Ek 34:16; De 7:3, 24; Js 23:12, 13) Tsy maintsy naripaka ireo mponin’ny tanànan’ny firenena kananita fito. (De 7:1; 20:15-18) Rehefa namabo tanàna hafa ankoatr’ireo anefa ny Israely, dia azon’ny miaramila natao ny naka virjiny tao ho vadiny rehefa tapitra ny fotoana nidiovan’izy io. Efa maty mantsy ny ray aman-drenin-dravehivavy, ka tsy nifandray tamin’ny fokony na ny fianakaviany ilay miaramila.—De 21:10-14; No 31:17, 18; De 20:14.
Tsy nahazo nihinana tamin’ny Paska ny hafa firenena tsy mifora. (Ek 12:43) Toa nahazo nanolotra biby hataon’ny mpisorona fanatitra anefa izy, raha tsy nisy kilema ilay biby. (Le 22:25) Tsy nahazo nankao amin’ny toerana masina mihitsy izy (Ezk 44:9), nefa nahazo nankany Jerosalema ka ‘nivavaka nanandrify ny tranon’Andriamanitra’, ary azo inoana fa tsy nitondra tanam-polo izy tamin’izay fa nitondra biby hatao sorona.—1Mp 8:41-43.
Tsy tao amin’ny fitondrana ny hafa firenena, ary tsy ho lasa mpanjaka mihitsy. (De 17:15) Natao handosiran’ny Israelita, mpivahiny, ary mpiavy nahafaty olona tsy nahy ny tanàna fialokalofana, fa tsy ho an’ny hafa firenena.—No 35:15; Js 20:9.
Tsy azon’ny Israelita nohanina ny biby tsy nalatsa-dra, nefa azony namidy tamin’ny hafa firenena. (De 14:21) Tsy azo noterena handoa trosa ny Israelita rehefa taona sabata, fa ny hafa firenena kosa azo noterena. (De 15:1-3) Tsy hoatran’ny Israelita ny hafa firenena fa azo nakana zanabola.—De 23:20.
Nahatonga olana. Maro ny hafa firenena tany Israely tamin’ny andron’i Josoa sy ny Mpitsara, ka nampisy olana foana izany. (Js 23:12, 13) Nampanaovina asa an-terivozona ny Kananita rehefa resin’ny Israelita. (Js 16:10; 17:13; Mpts 1:21, 27-35) Tsy narahin’ny Israelita anefa ny baikon’i Jehovah hoe horoahina izy ireo ary hofongorana ny fivavahany (Mpts 2:1, 2), ka mbola nanompo sampy sy nanao ny fombafombany naharikoriko izy ireo. Voataona hanompo sampy foana àry ny Israelita (Sl 106:34-39), ka i Bala sy ny sarin’i Astarta no tena notompoiny. (Mpts 2:11-13) Mbola nisy Kananita tany Israely hatramin’ny andron’i Davida sy Solomona Mpanjaka, ary nampanaovin’i Solomona asa an-terivozona izy ireo ka nanorina ny tempoly sy zavatra hafa.—1Mp 9:20, 21; jereo ASA AN-TERIVOZONA.
Tsy nankatò an’Andriamanitra i Solomona fa nanambady vehivavy maro hafa firenena. Voatarik’ireny tsikelikely hiala tamin’i Jehovah ny fony ka nanompo andriamani-kafa izy. (1Mp 11:1-8) Nitondra loza lehibe ho an’ilay firenena izany, ka lasa nizara roa izy io. Farany, natao sesitany tany Babylona ny Israelita satria nanompo sampy noho ny fitaoman’ireo mpanjakan’ny Israely sy mpanjakan’ny Joda nifandimby. Nihatra tamin’ilay firenena àry ireo ozona efa voalaza fa ho saziny noho izy ireo nandika ny Lalàna.—1Mp 11:9-11; 2Mp 15:27, 28; 17:1, 2; 23:36, 37; 24:18, 19; De 28:15-68.
Nanambady vehivavy hafa firenena koa ny Israelita maro, rehefa nody avy tany an-tsesitany tany Babylona ny Israelita sisa tsy nivadika. (Ezr 9:1, 2; Ne 13:23-25) Voatery noroahina ireny vehivavy ireny sy ny zanany, araka ny baikon’i Ezra sy Nehemia. (Ezr 10:2-4, 10-19, 44; Ne 13:1-3, 27-30) Nofaizina koa ny hafa firenena nanao ny tsy nety.—Ne 13:7, 8, 16-21.
Nampahorin’ny Babylonianina ny Jiosy rehefa noravan’izy ireo i Jerosalema. (Ft 2:5-12, 19-22) Niadian’ny hafa firenena nanodidina azy, indrindra fa ny Grika nifehy an’i Syria, koa ny Jiosy tafaverina tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nampahorin’i Antiokosa Faha-4 Epifana izy ireo rehefa notereny hanaraka ny kolontsaina grika, ka niezaka mafy niaro ny fivavahan’izy ireo. Nitaky fahaleovan-tena foana àry izy ireo taorian’ny sesitany ka lasa nafana fo niaro ny Fivavahana Jiosy, ary nisy aza lasa tia tanindrazana tafahoatra. Natahotra koa izy ireo hoe tsy hisy intsony ny tena Jiosy raha manambady hafa firenena izy ireo. Azo inoana fa izany rehetra izany no nahatonga azy ireo tsy handray tsara ny hafa firenena intsony.—Ampit. 1Mp 8:41-43; 2Ta 6:32, 33; Is 56:6, 7.
Tamin’ny taonjato voalohany. Nihatakataka sy tsy nety nifanerasera tamin’ny hafa firenena ny Jiosy tamin’izany, noho ny fampianaran’ny mpitondra fivavahana. Nanambany Samaritanina (taranaky ny Israelita nanambady hafa firenena), ohatra, izy ireo. ‘Tsy nifandray tamin’ny Samaritanina’ ny Jiosy, ka tsy nety nangataka rano hosotroina taminy akory. (Jn 4:9) Nahariharin’i Jesosy anefa hoe tena tsy nety ny nataon’izy ireo.—Lk 10:29-37.
Tsy nisy nampisaraka ny Jiosy sy ny hafa firenena intsony, rehefa natao ny fifanekena vaovao, izay miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy. (Ef 2:11-16) Tsy tonga dia azon’ny mpianatra voalohany anefa izany, na dia efa taorian’ny Pentekosta taona 33 aza. Mbola toy izao nolazain’i Petera tamin’i Kornelio hafa firenena izao mantsy ny fiheveran’ny Jiosy: “Fantatrareo tsara fa tsy azon’ny Jiosy atao ny miaraka amin’ny hafa firenena na ny manatona azy.” (As 10:28) Nihevitra izy ireo fa nandoto azy ny niditra tao an-tranon’ny hafa firenena. (Jn 18:28) Ny mpitondra fivavahana indrindra no nihevitra toy izany, na dia tsy noraran’ny Lalàn’i Mosesy aza ny nifanerasera kely tamin’ny hafa firenena. Elaela ny Kristianina jiosy vao nahavita nanova ny fomba fiheviny, sy nanaiky ny tenin’ny apostoly Paoly hoe “tsy misy na Grika na Jiosy, na voafora na tsy voafora, na hafa firenena, na Skytianina, na andevo, na tsy andevo. Fa i Kristy no zava-drehetra sady ao amin’ny rehetra”, ho an’ireo mitafy ny ‘toetra kristianina vaovao.’—Ga 2:11-14; Kl 3:10, 11.
Barbarôs ny teny grika ilazana ny “hafa firenena”, izany hoe olona tsy niteny grika.—Jereo TSY GRIKA.