Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hagara

Hagara

(Hagàra).

Ejipsianina mpanompovavin’i Saraha, ary lasa vadikelin’i Abrahama sy renin’i Ismaela. Nankany Ejipta i Abrahama (Abrama) satria nisy mosary tany Kanana. Nanjary nanana mpanompolahy sy mpanompovavy be dia be izy tany, ary mety ho tamin’izay no nahatonga an’i Hagara ho lasa mpanompovavin’i Saraha.​—Ge 12:10, 16.

Tsy niteraka i Saraha (Saray). Nasainy nanao firaisana tamin’i Hagara àry i Abrahama, izany hoe nomeny ho vadin’i Abrahama ilay mpanompovaviny. Nataon’i Hagara tsinontsinona anefa ilay tompovaviny raha vao bevohoka izy, hany ka nitaraina tany amin’ny vadiny mihitsy i Saraha. “Dia hoy i Abrama tamin’i Saray: ‘Manam-pahefana amin’ny mpanompovavinao ianao. Koa ataovy aminy izay hitanao fa mety.’ Ary i Saray nampietry an’i Hagara, ka lasa nandositra azy izy.” (Ge 16:1-6) Hitan’ny anjelin’i Jehovah teo amin’ny loharano iray teo amin’ny lalana mankany Sora i Hagara, ka nasainy niverina tany amin’ny tompovaviny sy hanetry tena teo anatrehany. Nilaza koa ilay anjely fa hataon’i Jehovah maro be ny taranak’i Hagara, ary hitera-dahy izy ka Ismaela no tokony hataony anaran’ilay zaza. Efa 86 taona i Abrahama tamin’i Ismaela teraka.​—Ge 16:7-16.

“Nanomana fanasambe i Abrahama”, taona maro tatỳ aoriana, “tamin’ny andro nampisaraha-nono an’i Isaka”, izay efa 5 taona teo ho eo. Tsikaritr’i Saraha tamin’io fotoana io fa “nihomehy naneso” an’i Isaka i Ismaela, zanak’i Hagara. Efa 19 taona teo ho eo i Ismaela tamin’izay. Tsy sangisangin’ankizy tsotra fotsiny akory no nataon’i Ismaela. Hita avy amin’ny andininy manaraka fa nety ho resaka fandovana no nanesoan’i Ismaela an’i Isaka. Nasehon’i Ismaela sahady teo ilay toetrany mankahala olona, araka ny efa nolazain’ilay anjelin’i Jehovah mialoha. (Ge 16:12) Nanahy momba ny hoavin-janany angamba i Saraha, ka nasainy noroahin’i Abrahama i Hagara sy ny zanany. Nahasosotra an’i Abrahama izany nefa nekeny ihany satria nasain’i Jehovah nanaiky izy. Nalefany nandeha i Hagara sy ny zanany ny ampitso vao maraina, ary nomeny mofo sy siny hoditra feno rano.​—Ge 21:8-14.

Nirenireny tany an-tany efitr’i Beri-sheba i Hagara. ‘Tamin’ny farany, dia lany ny rano. Ary nadabony teo ambanin’ny kirihitra iray ny zaza.’ Lazaina hoe “zaza” i Ismaela eo. Tsy fahadisoana anefa izany, satria ilay teny hebreo hoe yeled, izay nadika hoe “zaza” eto, dia midika koa hoe “tovolahy”, ary nadika toy izany ao amin’ny Genesisy 4:23. Voalaza fa nadaboky ny reniny teo ambanin’ny kirihitra i Ismaela. Midika angamba izany fa tovolahy tsy dia natanjaka loatra izy, na dia nambara mialoha aza hoe ho “toy ny zebra.” (Ge 16:12) Nety ho i Ismaela àry no lany hery voalohany, ka voatery nitondra azy ny reniny. Tsy mahagaga izany, satria zatra nitondra enta-mavesatra ny vehivavy tamin’izany andro izany, indrindra fa ny mpanompovavy. Toa lany hery koa i Hagara avy eo ka tsy afaka nitondra an’i Ismaela intsony. Napetrany teo ambanin’izay kirihitra akaiky indrindra teo àry izy, ary angamba somary navotsony tampoka. Nipetraka “terỳ lavidavitra terỳ” i Hagara, “teny amin’ny toerana tokony ho takatry ny zana-tsipìka.” (Fitenenana hebreo ilazana halaviran-toerana io. Efa misy halaviran-toerana mahazatra an’ireo mpandefa zana-tsipìka mantsy fametrahan’izy ireo an’izay zavatra hokendreny.)​—Ge 21:14-16.

Nisy anjelin’i Jehovah niantso an’i Hagara avy eo, ka nilaza taminy mba tsy hatahotra. Nilaza koa izy hoe ho lasa firenena lehibe i Ismaela. Nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Hagara avy eo, ka nahita lavadrano izy. Nofenoiny rano ilay siny hoditra ary nampisotroiny an’i Ismaela zanany. “Nomban’Andriamanitra foana ilay zaza”, ary lasa mpandefa zana-tsipìka rehefa nandeha ny fotoana. “Nanorim-ponenana tany an-tany efitr’i Parana izy.” Nakan’i Hagara vady avy any Ejipta i Ismaela.​—Ge 21:17-21.

Anisan’ny noresahin’ny apostoly Paoly tao amin’ny sary an’ohatra iray i Hagara. Noharin’i Paoly tamin’ny firenen’Israely ara-nofo izy. Io ilay firenena nanao fifanekena tamin’i Jehovah. Teo amin’ny Tendrombohitra Sinay no nanomboka nanan-kery io fifaneken’ny Lalàna io, izay ‘nitera-jaza ho amin’ny fanandevozana.’ Mpanota ny olona ka tsy vitan’ny firenen’Israely ny nankatò tanteraka an’ilay fifanekena. Tsy nahatonga ny Israelita ho vahoaka afaka ilay fifanekena, fa vao mainka kosa nanameloka azy ireo ho mpanota mendrika ny ho faty. Andevo àry izy ireo. (Jn 8:34; Ro 8:1-3) Nifanitsy tamin’i Jerosalema i Hagara, tamin’ny andron’i Paoly. Nandevozina niaraka tamin’ny zanany mantsy i Jerosalema renivohitra, izay mifanitsy amin’ny firenen’Israely ara-nofo. Ny Kristianina nateraky ny fanahy kosa no zanak’ilay “Jerosalema any ambony”, izay oharina amin’ny vadin’Andriamanitra. Tsy andevo na oviana na oviana io “Jerosalema any ambony” io, fa olona afaka toa an’i Saraha. Nenjehin’i Ismaela i Isaka taloha. Nenjehin’ny zanak’ilay Jerosalema nandevozina koa ny zanak’ilay “Jerosalema any ambony”, izay nafahan’ilay Zanak’Andriamanitra. Noroahina anefa i Hagara sy ny zanany, ka midika izany fa nolavin’i Jehovah koa ny firenen’Israely ara-nofo.​—Ga 4:21-31; jereo koa Jn 8:31-40.